HIRA 78 ‘Mampianatra ny Tenin’Andriamanitra’ Mifidiana Raki-peo ‘Mampianatra ny Tenin’Andriamanitra’ Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Asan’ny Apostoly 18:11) 1. Raha tianao ny ho finaritra, Hahita harena maro, Ny Tenin’Andriamanitra, Torio sy ampianaro. Kristy nahay nampianatra, Nanohina ny fo. Ampio ho akaiky an’i Jehovah ’Reo mpianatrao tso-po. 2. Tandremo tsara ihany koa Ny atao sy ny fiteny, Modely ho an’ny mpianatrao, Harahin’izy ireny. Manaova fikarohana F’aza matoky tena. Ao amin’ny Baiboly ihany No misy tena harena. 3. Ny tena fahamarinana, Izay no asongadino. Dia manehoa fitiavana, Ny vavaka aza hadino. Efa eo daholo izay ilaina, Ampiasao am’izay, ’Lay mpianatrao handroso dia ho Mpampianatra mahay. (Jereo koa ny Sal. 119:97; 2 Tim. 4:2; Tit. 2:7; 1 Jaona 5:14.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara ‘Mampianatra ny Tenin’Andriamanitra’ MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH ‘Mampianatra ny Tenin’Andriamanitra’ (Hira 78) Tenin’ny Tanana Malagasy ‘Mampianatra ny Tenin’Andriamanitra’ (Hira 78) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016878/sign/wpub/1102016878_sign_sqr_xl.jpg sjj 78