Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 79

Ampianaro Izy Ireo mba Handroso Hatrany

Ampianaro Izy Ireo mba Handroso Hatrany

(Matio 28:19, 20)

  1. 1. Tombontsoa ny manao mpianatra.

    Tsapanao ny fiovany.

    Hitanao izy ’reo miezaka

    Sady te handroso hatrany.

    (FIVERENANA)

    Jehovah ô, ’reo ondrinao

    Arovy sy karakarao

    Mba samy hanohy ny fandrosoany, ka ny finoany

    Ho tena lalina ao am-pony.

  2. 2. Izy ’reo raha tojo fitsapana,

    Tsy avelanay ho irery.

    F’izahay mivavaka mazàna

    Sady miahy sy mampahery.

    (FIVERENANA)

    Jehovah ô, ’reo ondrinao

    Arovy sy karakarao

    Mba samy hanohy ny fandrosoany, ka ny finoany

    Ho tena lalina ao am-pony.

  3. 3. Enga anie hatoky anao hatrany

    Izy ’reo, hahery fo,

    Hankatò na sarotra aza izany,

    Mba handray ’lay valisoa.

    (FIVERENANA)

    Jehovah ô, ’reo ondrinao

    Arovy sy karakarao

    Mba samy hanohy ny fandrosoany, ka ny finoany

    Ho tena lalina ao am-pony.