HIRA 81

Ny Fiainan’ny Mpisava Lalana

Ny Fiainan’ny Mpisava Lalana

(Mpitoriteny 11:6)

  1. 1. Mbola maizina ny andro, mbola tsy eo ny masoandro,

    Dia manainga aho anio,

    Jehovah ô, mba tahio ’zay hatao.

    Tonga eo aho mba hizara, hanome vaovao tsara.

    Na liana izy na tsia,

    dia mitsiky aho satria tiako izao.

    (FIVERENANA)

    ’Zay no asa iriko,

    ’Zay no fiainana tiako.

    Vonona aho raha vao irahinao.

    Ka na mora na mafy,

    Miaritra aho fa tsy mihafy;

    Satria ’zao no tiako ho tsapanao: “Tiako ianao.”

  2. 2. Efa hariva ny andro, efa mody masoandro,

    Vao mamonjy fodiana

    ary feno hafaliana, afa-po.

    Eny, vizana androany, fa ’lay tsiky eny ihany.

    Faly aho fa tahinao,

    sady mbola omenao tombontsoa.

    (FIVERENANA)

    ’Zay no asa iriko,

    ’Zay no fiainana tiako.

    Vonona aho raha vao irahinao.

    Ka na mora na mafy,

    Miaritra aho fa tsy mihafy;

    Satria ’zao no tiako ho tsapanao: “Tiako ianao.”