HIRA 87

Andao Haka Fampaherezana

Andao Haka Fampaherezana

(Hebreo 10:24, 25)

  1. 1. Vao mainka miharatsy ity tontolo ity;

    ’Reo fakam-panahy mifanesy.

    Mila fanampiana àry ’sika satria

    Raha toa miady ’rery ho resy.

    Ireo fivoriana, fiarovana hatrany

    Mba tsy hihena ny finoantsika.

    Mandrisika amin’ny asa tsara izany,

    Sy mamelombelona antsika.

    Fa Jehovah mantsy no mandidy hoe:

    Mandehana foana mivory.

    Isika raha miezaka hanatrika anie,

    Tsy handao ny marina akory.

  2. 2. Raha mahay mandamina sy hendry ianao,

    Dia hanararaotra fotoana.

    Jehovah mahalala an’izay ilainao;

    Miezaha re mba hivory foana!

    Eo ny fampianaran’ny anti-panahy,

    ’Zay manampy sy mampahery.

    Eo koa ny fitiavan’ireo rahalahy;

    Isika anie tsy mba irery.

    Fa ny valisoa dia tsy lavitra intsony,

    Ef’akaiky ny fitahiana.

    Ilainao ny fahendrena avy any ambony,

    Atreho àry ireo fivoriana!