HIRA 89
Izay Mihaino sy Mankatò dia Hotahina Tokoa
-
1. Jesosy Kristy nampianatra antsika,
Ka fantatsika fa mahasoa izany.
Kanefa raha te ho sambatra isika,
Dia hankatò sy hitandrina hatrany.
(FIVERENANA)
’Zay mihaino sy mankatò
Dia hotahina tokoa.
Ho sambatra sy handray valisoa
’Zay mihaino sy mankatò.
-
2. Manaova trano eo ambony vatolampy,
Izany mantsy no miaro ny aina.
Tsarovy fa ny mandre dia tsy ampy;
Ny mampihatra no tena ilaina.
(FIVERENANA)
’Zay mihaino sy mankatò
Dia hotahina tokoa.
Ho sambatra sy handray valisoa
’Zay mihaino sy mankatò.
-
3. Ho toy ny hazo eo amoron’ny ony
’Reo mankatò an’i Jehovah Ray,
Satria mamoa ka tsy halazo intsony;
Homeny fiainana mandrakizay.
(FIVERENANA)
’Zay mihaino sy mankatò
Dia hotahina tokoa.
Ho sambatra sy handray valisoa
’Zay mihaino sy mankatò.
(Jereo koa ny Deot. 28:2; Sal. 1:3; Ohab. 10:22; Mat. 7:24-27; Lioka 6:47-49.)