HIRA 90 Andao Isika Hifampahery Mifidiana Raki-peo Andao Isika Hifampahery Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Hebreo 10:24, 25) 1. Andao isika hifampahery Dia samy hanohy ny fanompoana, Mba tsy ho ketraka irery; Hiaraha-mizaka izay midona. Aleo mifankatia hatrany Mba samy hiaritra avokoa, Fa ny fiangonana ihany No miaro amin’izay manjo. 2. Milaza teny mampahery ’Reo namana ’zay tena tia, Sady amin’ny fotoana mety, Ka tsapanao fa tsara erỳ! Mahafaly koa ny miara-miasa Satria ny tanjona iray ihany. Na misy manavesatra aza, ’Ndao mba hifampitondra izany. 3. Ny farany efa manakaiky, Mitombo ireo zava-mahory. Vao mainka isika mila miaiky Fa tena ilaina ny mivory. Isika anie tsy miady ’rery, Satria vahoaka tafaray. Koa aoka samy hifampahery, Tsy hivadika mandrakizay! (Jereo koa ny Lioka 22:32; Asa. 14:21, 22; Gal. 6:2; 1 Tes. 5:14.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Andao Isika Hifampahery MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Andao Isika Hifampahery (Hira 90) Tenin’ny Tanana Malagasy Andao Isika Hifampahery (Hira 90) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016890/sign/wpub/1102016890_sign_sqr_xl.jpg sjj 90