HIRA 94

Jehovah ô, Misaotra Noho ny Teninao!

Jehovah ô, Misaotra Noho ny Teninao!

(Filipianina 2:16)

  1. 1. Jehovah ô, misaotra noho ’lay boky iray

    Nomenao mba hitari-dalana anay.

    Ny fahamarinana ao dia

    mandaitra hatram’izao;

    Avy amin’ny fanahy ’zay voasoratra ao.

  2. 2. Mahery izy io sady mahavita mamaky

    ’Zay miseho ivelany sy ny ao anaty.

    Ny lalànao, Jehovah,

    madio tsy misy tsiny,

    Satria manampy anay miaina ankehitriny.

  3. 3. ’Reo mpanoratra azy io dia mba toa anay.

    Mba kivy izy ireo, dia mba diso indraindray.

    Ny Baiboly tokoa re

    dia sarobidy loatra;

    Ny hany lazainay: Jehovah ô, misaotra!