HIRA 95 Mihamazava ny Lalantsika Mifidiana Raki-peo Mihamazava ny Lalantsika Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Ohabolana 4:18) 1. Manjaka any an-danitra izao ny Mesia, Hanavotra ny zavaboary. Ny marina ’zay nolazain’ny fanahy, Nazava sy niharihary. Taloha ’nefa izany tsy mbola nambara, Tsy fantatr’ireo mpaminany. Koa sambatra isika satria mahalala; Ny anjely aza liana am’izany! (FIVERENANA) Mazava izao ny lalantsika. Ny rahona efa nisava; Ka toy ny masoandro baliaka, Fa Jehovah no manazava. 2. Dia nisy mpanompo nasaina hanome Sakafo tena ara-potoana. Ny marina toy ny hazavan’ny maraina, Vao mainka mazava eny foana. Tsy maizina intsony ny lalan-kaleha, Mamiratra tsara izy izao. I Jehovah no loharanon’izany, Ka izy no ankasitraho. (FIVERENANA) Mazava izao ny lalantsika. Ny rahona efa nisava; Ka toy ny masoandro baliaka, Fa Jehovah no manazava. (Jereo koa ny Rom. 8:22; 1 Kor. 2:10; 1 Pet. 1:12.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Mihamazava ny Lalantsika MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Mihamazava ny Lalantsika (Hira 95) Tenin’ny Tanana Malagasy Mihamazava ny Lalantsika (Hira 95) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016895/sign/wpub/1102016895_sign_sqr_xl.jpg sjj 95