HIRA 96 Harena Sarobidy Ilay Boky avy Amin’Andriamanitra Mifidiana Raki-peo Harena Sarobidy Ilay Boky avy Amin’Andriamanitra Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Ohabolana 2:1) 1. ’Lay boky iray ’zay sarobidy indrindra Dia mahasambatra sy mahasoa. Ny torohevitra ao dia manan-kery, Mamelombelona antsika tokoa. Io boky miavaka io dia ny Baiboly, ’Zay boky avy amin’i Jehovah Ray; Nampian’ny fanahy masina daholo ’Reo ’zay nanoratr’azy io fahizay. 2. Voasoratra ao ny asan’i Jehovah, Nataony lavorary avokoa. Fa very anef’izao ’lay Paradisa, Satria ny olona tsy nankatò. Voalaza fa ny anjely iray nikomy No fototry ny ratsy eran-tany, Ka nahatonga fijaliana maro, Nefa Jehovah dia hanova izany. 3. Fotoana mahafaly ny androntsika: Kristy efa nandray ny Fanjakany. Tsy ho ela dia hovonjen’i Jehovah Ireo miandany amin’ny fitondrany. Izay no vaovao tsaran’ny Baiboly, Tena sakafo ara-panahy tokoa. Vakio àry ilay Boky Sarobidy! Vakio fa manome fiadanam-po. (Jereo koa ny 2 Tim. 3:16; 2 Pet. 1:21.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Harena Sarobidy Ilay Boky avy Amin’Andriamanitra MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Harena Sarobidy Ilay Boky avy Amin’Andriamanitra (Hira 96) Tenin’ny Tanana Malagasy Harena Sarobidy Ilay Boky avy Amin’Andriamanitra (Hira 96) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016896/sign/wpub/1102016896_sign_sqr_xl.jpg sjj 96