Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 97

Ny Teninao no Ivelomanay

Ny Teninao no Ivelomanay

(Matio 4:4)

  1. 1. ’Zay lazainao, Jehovah ô,

    No ivelomanay.

    Fantatray fa tsy mofo ihany

    No mamelona anay.

    Ianao mampanantena anay

    Hiaina mandrakizay.

    (FIVERENANA)

    Fantatray fa tsy mofo ihany

    No mamelona anay.

    Isan’andro ny Teninao

    No ivelomanay.

  2. 2. Ny Baiboly dia mitantara

    ’Reo ’zay niaina taloha;

    ’Zay natao ho fianarana

    Ho an’izay mankatò.

    Ny fiaretany sy finoany

    No modely ho anay.

    (FIVERENANA)

    Fantatray fa tsy mofo ihany

    No mamelona anay.

    Isan’andro ny Teninao

    No ivelomanay.

  3. 3. Ny Baiboly no fiainanay,

    Hery hoentina miady.

    Rehefa mila ampiononina,

    Dia ao ’zahay no mitady.

    Horaketinay ao am-po,

    Sarobidy aminay.

    (FIVERENANA)

    Fantatray fa tsy mofo ihany

    No mamelona anay.

    Isan’andro ny Teninao

    No ivelomanay.

(Jereo koa ny Jos. 1:8; Rom. 15:4.)