Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 98

Avy Amin’Andriamanitra ny Soratra Masina

Avy Amin’Andriamanitra ny Soratra Masina

(2 Timoty 3:16, 17)

  1. 1. Ny Baiboly dia hazavana,

    Manome fanantenana.

    Tari-dalana tsara anie,

    Manafaka an’ireo voafehy.

  2. 2. Boky iray tena manan-kery,

    Mety hanova sy hampahery;

    Torohevitra omen’ny Ray,

    Natao ho antsika tsirairay.

  3. 3. Miantso izy io, manao hoe: ‘Avia,

    Fa Jehovah tena tia!’

    Isan’andro àry mba vakio,

    Ho fefy miaro anao izy io.

(Jereo koa ny Sal. 119:105; Ohab. 4:13.)