HIRA 100

Aoka Isika ho Tia Mandray Vahiny

Aoka Isika ho Tia Mandray Vahiny

(Asan’ny Apostoly 17:7)

  1. 1. Jehovah tena tia sady mpanao soa.

    Ny olona rehetra ahiny avokoa,

    Ka omeny isan’andro,

    sakafo sy masoandro,

    Omeny orana ara-potoana.

    Manahaka azy ’zay tia mandray vahiny.

    ’Reo miantra ny mahantra dia hotahiny.

    ’Zay tia manampy ny ory,

    tsy hohadinoiny akory,

    Tsy maintsy mbola honerany foana.

  2. 2. Tsarovy fa na kely aza vitanao,

    Manohina ny fo, na tsy tsapanao.

    Koa anehoy fiahiana

    ’zay mila fanampiana;

    Na ’reo tsy fantatrao, iantrao ihany.

    Aok’àry isika ho tia mandray vahiny.

    Izany no nataon’i Lydia fahiny.

    Sokafy ny fonao,

    ny varavaranao,

    Jehovah tsy hanadino an’izany.