HIRA 105 “Andriamanitra dia Fitiavana” Mifidiana Raki-peo “Andriamanitra dia Fitiavana” Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (1 Jaona 4:7, 8) 1. Ny fitiavan’i Jehovah Tsy mba hiova sanatria. Izy anie no miantso antsika Hoe: ‘Avia mba hiara-dia.’ Tiany isika hanahaka azy, Koa miezaha hifankatia; Fomba fiaina tsara indrindra, Nampianarin’i Kristy. 2. Raha tianao tokoa Jehovah, Tianao koa ny namanao. Raha tianao ireo lalàny, Dia hanao ny tsara ianao. Aza mialona, aza miady! Mandefera ianao satria ’Zay no toetra tena ilaina; ’Zay no atao hoe tena tia. 3. Aza avela hibaiko anao ny Hambom-po sy lolompo. Angataho Jehovah Tompo Dia hampiany hamindra fo. ’Lay fitiavana ’zay tsotra, ’Lay fitiavana madio; ’Zay no andrasan’i Jehovah. Io fitiavana io tafio! (Jereo koa ny Mar. 12:30, 31; 1 Kor. 12:31–13:8; 1 Jaona 3:23.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara “Andriamanitra dia Fitiavana” MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH “Andriamanitra dia Fitiavana” (Hira 105) Tenin’ny Tanana Malagasy “Andriamanitra dia Fitiavana” (Hira 105) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016905/sign/wpub/1102016905_sign_sqr_xl.jpg sjj 105