HIRA 116
Miezaha ho Tsara Fanahy
-
1. Jehovah ô, tsy misy hendry hoatr’anao,
Nefa ianao tena miahy.
Tsy misy mametra ny herinao,
Kanefa ianao tsara fanahy.
-
2. Raha kivy izahay na mamoy fo,
Dia miahy anay Kristy.
Ny ziogany maivana ary izy koa
Tsara fanahy sy tena tia.
-
3. Modely izy ireo, diniho sy araho;
Iantrao ’zay mitaraina.
Raha tsara fanahy, mangoraka ianao,
Ho toy ny ando mamelon’aina!
(Jereo koa ny Mika 6:8; Mat. 11:28-30; Kol. 3:12; 1 Pet. 2:3.)