HIRA 116

Miezaha ho Tsara Fanahy

Miezaha ho Tsara Fanahy

(Efesianina 4:32)

  1. 1. Jehovah ô, tsy misy hendry hoatr’anao,

    Nefa ianao tena miahy.

    Tsy misy mametra ny herinao,

    Kanefa ianao tsara fanahy.

  2. 2. Raha kivy izahay na mamoy fo,

    Dia miahy anay Kristy.

    Ny ziogany maivana ary izy koa

    Tsara fanahy sy tena tia.

  3. 3. Modely izy ireo, diniho sy araho;

    Iantrao ’zay mitaraina.

    Raha tsara fanahy, mangoraka ianao,

    Ho toy ny ando mamelon’aina!