HIRA 119 Tena Ilaina ny Finoana Mifidiana Raki-peo Tena Ilaina ny Finoana Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Hebreo 10:38, 39) 1. Impiry i Jehovah no efa nandefa Ireo mpaminany taloha! Ny Zanany izao miteny, kanefa Ianao ve mba mankatò? (FIVERENANA) Ny finoana anie hosedraina, Nef’izy io iankinan’ny aina. Porofoy àry amin’ny atao, Fa velona tokoa ny finoanao. 2. Kristy no mibaiko hoe: ‘Mandehana, Ilay Fanjakana ambarao!’ Tsy hijanona isika na dia rarana, Fa maika izao asa izao. (FIVERENANA) Ny finoana anie hosedraina, Nef’izy io iankinan’ny aina. Porofoy àry amin’ny atao, Fa velona tokoa ny finoanao. 3. Mahasedra tadio ny tena finoana, Toy ny vatofantsika izy io. Tsy hihemotra ianao, na inon-kidona, Jehovah no itokio. (FIVERENANA) Ny finoana anie hosedraina, Nef’izy io iankinan’ny aina. Porofoy àry amin’ny atao, Fa velona tokoa ny finoanao. (Jereo koa ny Rom. 10:10; Efes. 3:12; Heb. 11:6; 1 Jaona 5:4.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Tena Ilaina ny Finoana MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Tena Ilaina ny Finoana (Hira 119) Tenin’ny Tanana Malagasy Tena Ilaina ny Finoana (Hira 119) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016919/sign/wpub/1102016919_sign_sqr_xl.jpg sjj 119