Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 121

Mila Mifehy Tena Isika

Mila Mifehy Tena Isika

(Romanina 7:14-25)

  1. 1. Na hendry aza ianao, eo ny fahalemena.

    Koa tandremo ny fo, miezaha hifehy tena.

    Ny asan’ny nofo iadio sy tohero,

    ’Zay tian’ny fanahy, ’zay no hevero.

  2. 2. ’Zao koa no safidy iankinan’ny aina:

    Ny lalàn’ny ota sa lalàn’ny saina?

    Maka fanahy Satana f’izao:

    Jehovah anie eo hanampy anao.

  3. 3. Ny anaran’ny Ray sao ho ratsy laza,

    Koa tandremo ny atao, na ’zay lazaina aza.

    Tsarovy fa ’zao no fahendrena:

    Ilaintsika anie ny mifehy tena.