HIRA 125

“Sambatra ny Mamindra Fo”

“Sambatra ny Mamindra Fo”

(Matio 5:7)

  1. 1. Jehovah tia mamindra fo,

    Sady izy tsy manao am-po.

    Fa tia manampy ireo mahantra,

    Mangoraka izy, tena miantra.

    ’Zay mitalaho ny famelany,

    Dia hampiononiny avy hatrany.

    Ekeny hoe malemy koa,

    Dia vonona izy hamindra fo.

  2. 2. Raha tianao ’nefa ny ho voavela,

    Dia ’zao no takiny hatry ny ela:

    ‘Andeha aloha mba avelao

    ’Zay nanao diso taminao.’

    Izay tsy nety alamino,

    Dia tsara koa ny manadino.

    Soloy fitia ’ndray ny taraina;

    Ho tony ianao, hilamin-tsaina.

  3. 3. Ny miantra sy mamindra fo,

    Dia tia mizara zava-tsoa.

    Tsy misy tombontsoa iriny,

    Fa manome no tena tiany.

    Jehovah no hamaly izany,

    Honerany izay rehetra lany.

    Ho sambatra ary ho afa-po

    ’Zay rehetra tia mamindra fo!

(Jereo koa ny Mat. 6:2-4, 12-14.)