HIRA 128 Miareta Hatramin’ny Farany Mifidiana Raki-peo Miareta Hatramin’ny Farany Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Matio 24:13) 1. Ny Tenin’Andriamanitra, Raha raisinao am-po, Hanampy anao mba hiaritra Na mafy aza ny manjo. Ny andron’i Jehovah izao, Tadidio, ataovy an-tsaina. Finoana vita sedra anie No fiadiana tena ilaina. 2. Miareta f’aza ketraka, Aza manaiky ho resy. Ilay fitiavana ao am-po, Tandremo mba tsy ho lefy. ’Zay fitsapana ho avy koa, Aza atao mahakivy anao. Jehovah ’nie tsy lavitra, Eo izy ho tokinao. 3. Ny anaran’izay miaritra, ’Zay hovonjen’ny Ray, Voasoratra any an-danitra, Tsaroany mandrakizay. Miareta hatram’ny farany Ka miezaha tsy hisy tsiny. Jehovah tena hahatsiaro anao, Ny fiainanao hotahiny! (Jereo koa ny Heb. 6:19; Jak. 1:4; 2 Pet. 3:12; Apok. 2:4.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Miareta Hatramin’ny Farany MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Miareta Hatramin’ny Farany (Hira 128) Tenin’ny Tanana Malagasy Miareta Hatramin’ny Farany (Hira 128) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016928/sign/wpub/1102016928_sign_sqr_xl.jpg sjj 128