HIRA 135

Miangavy Anao i Jehovah hoe: “Hendre, Anaka”

Miangavy Anao i Jehovah hoe: “Hendre, Anaka”

(Ohabolana 27:11)

  1. 1. Ianao tovovavy,

    ianao ry tovolahy,

    Hendre tsara

    fa misy manaratsy ahy.

    Raha tia ahy ianao,

    omeo ahy re ny fonao.

    Meteza hanompo ahy

    dieny izao tanora izao.

    (FIVERENANA)

    Koa hendre tsara, aza maditra.

    Ianao anie tena tiako.

    Hendre ’zany zanako izany.

    Ampifalio re ny foko.

  2. 2. Mifalia hatrany

    dieny tanora ianao.

    Raha sendra solafaka ianao,

    ’zaho tsy handao.

    Na kivy aza ianao,

    tsy hafoiko sanatria;

    F’izaho tia anao,

    eo foana aho ka matokia.

    (FIVERENANA)

    Koa hendre tsara, aza maditra.

    Ianao anie tena tiako.

    Hendre ’zany zanako izany.

    Ampifalio re ny foko.