HIRA 138

Tsara Tarehy Amin’i Jehovah Ireo Fotsy Volo

Tsara Tarehy Amin’i Jehovah Ireo Fotsy Volo

(Ohabolana 16:31)

  1. 1. Matokia fa sarobidy

    Ianareo be taona;

    Tena tia an’i Jehovah,

    Miaritra eny foana.

    Na dia osa na marary,

    Na hoe maty vady...

    Ray ô, ’zay ho valisoany,

    Asehoy sahady!

    (FIVERENANA)

    Ny finoany, ry Ray,

    Tsy hadinonao.

    ’Zay nataony hatrizay,

    Tena sitrakao!

  2. 2. Fa fony ianareo tanora,

    Nanao fanompoana,

    Nanome ’zay tsara indrindra

    Ka tsy hohadinoina.

    ’Zao ’nareo na fotsy volo

    Dia tsara tarehy

    Amin’i Jehovah Ray,

    Tsy mba foiny anie!

    (FIVERENANA)

    Ny finoany, ry Ray,

    Tsy hadinonao.

    ’Zay nataony hatrizay,

    Tena sitrakao!