Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 141

Sarobidy ny Fiainana

Sarobidy ny Fiainana

(Salamo 36:9)

  1. 1. Rano mikoriana, Siokan’ireo fody,

    Zaza iray mahafatifaty, Masoandro mody.

    Fahagagana ireo, Mahasondriana erỳ,

    Fanomezan’ilay Raintsika be fitia.

    (FIVERENANA)

    Raha toa ny fiainanao ankamamianao,

    Tiavo ilay nanome azy io ary ankasitraho.

    Izao no tadidio: Tsy misy toa azy io.

    Ny aina tsy voavidy... Fa tena sarobidy!

  2. 2. Misy mamoy fo, Tsy te hiaina intsony,

    Toy ilay vadin’i Joba, Kivy ny fony!

    Fa isika kosa Mankamamy ny aina,

    Ka misaotra an’i Jehovah raha mbola miaina.

    (FIVERENANA)

    Raha toa ny fiainanao ankamamianao,

    Tiavo koa ny namanao sady ankasitraho.

    Izao no tadidio: Tsy misy toa azy io.

    Ny aina tsy voavidy... Fa tena sarobidy!