Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 143

Andao Hiambina, Hiandry, ary Hiasa

Andao Hiambina, Hiandry, ary Hiasa

(Romanina 8:20-25)

  1. 1. Jehovah marim-potoana.

    Tsy ho tara Hara-magedona!

    Ny ratsy rehetra ho foana,

    Andraso dia ho hitanao.

    (FIVERENANA)

    ’Ndao mba hiambina, hiandry ary andao hiasa,

    Satria Jehovah efa nikasa

    Hanao tontolo vaovao.

  2. 2. Misy andro efa notondroiny.

    Efa tsy mihemotra intsony!

    Haringany ireo mpikomy,

    Kristy efa handresy izao.

    (FIVERENANA)

    ’Ndao mba hiambina, hiandry ary andao hiasa,

    Satria Jehovah efa nikasa

    Hanao tontolo vaovao.

  3. 3. Mijaly, mampahonena,

    ’Reo olona sesehena,

    F’isika indray manantena.

    Ny hoavy no andrandrao!

    (FIVERENANA)

    ’Ndao mba hiambina, hiandry ary andao hiasa,

    Satria Jehovah efa nikasa

    Hanao tontolo vaovao.

(Jereo koa ny Mat. 25:13; Lioka 12:36.)