Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 146

Ho Vaovao Izao Rehetra Izao

Ho Vaovao Izao Rehetra Izao

(Apokalypsy 21:1-5)

  1. 1. Ireo “famantarana” dia ahitana

    Hoe am-perinasa ilay Fanjakana.

    Satana efa resy, ary kely sisa

    Ny tany hovana ho paradisa.

    (FIVERENANA)

    Dia ho vaovao ’zao rehetra izao.

    Jehovah efa eo aminao.

    Ny fahafatesana tsy hisy intsony,

    Ny fanaintainana tsy maintsy hitony.

    Ny ranomaso rehetra hofafany.

    Tsy mba nofinofy izany!

  2. 2. I Jerosalema Vaovao efa io,

    Voaravaky ny vatosoa madio.

    Ny vadiny: ’Lay Zanak’ondry ihany.

    Jehovah no jiro sy fahazavany.

    (FIVERENANA)

    Dia ho vaovao ’zao rehetra izao.

    Jehovah efa eo aminao.

    Ny fahafatesana tsy hisy intsony,

    Ny fanaintainana tsy maintsy hitony.

    Ny ranomaso rehetra hofafany.

    Tsy mba nofinofy izany!

  3. 3. Mamiratra kanto ilay tanàna soa,

    Ireo vavahadiny havela hivoha.

    Mizotra mankany ireo firenena,

    Maneho ny hazavany tsy hay fefena.

    (FIVERENANA)

    Dia ho vaovao ’zao rehetra izao.

    Jehovah efa eo aminao.

    Ny fahafatesana tsy hisy intsony,

    Ny fanaintainana tsy maintsy hitony.

    Ny ranomaso rehetra hofafany.

    Tsy mba nofinofy izany!