HIRA 148

Jehovah no Mpanafaka Antsika

Jehovah no Mpanafaka Antsika

(2 Samoela 22:1-8)

  1. 1. Jehovah ô, ’zao rehetra izao maneho tokoa

    Hoe tena misy ianao,

    mahery sy tsy toha.

    ’Reo andriamani-kafa tsisy hoatr’anao,

    Resinao

    Ny fahavalonao.

    (FIVERENANA)

    Jehovah Mpanafaka, Mpiaro antsika,

    Ary azo itokiana amin’ny andro fahoriana.

    ’Sika mino sy feno herim-po

    mitory izany,

    Fa Jehovah no Mpanafaka,

    derao hatrany.

  2. 2. Ny fahafatesana mandrahona ny aiko.

    Ianao, Jehovah ô,

    no hany antenaiko.

    Mba omeo herim-po aho fa miantso anao,

    Ampio aho

    Fa mialoka aminao.

    (FIVERENANA)

    Jehovah Mpanafaka, Mpiaro antsika,

    Ary azo itokiana amin’ny andro fahoriana.

    ’Sika mino sy feno herim-po

    mitory izany,

    Fa Jehovah no Mpanafaka,

    derao hatrany.

  3. 3. Hiteny ianao,

    anaty kotroka mahery.

    Ny fahavalonao

    hatahotra sy hiery.

    ’Zay rehetra nokasainao tsy maintsy to

    Avokoa.

    Mpanafaka tokoa!

    (FIVERENANA)

    Jehovah Mpanafaka, Mpiaro antsika,

    Ary azo itokiana amin’ny andro fahoriana.

    ’Sika mino sy feno herim-po

    mitory izany,

    Fa Jehovah no Mpanafaka,

    derao hatrany.

(Jereo koa ny Sal. 18:1, 2; 144:1, 2.)