Hizaha raha an̈atiny

Handeha amy tany misy hevitry maventy

TOKO 1

“Jehovah Zan̈aharinao fo Tsy Maintsy Hiankohofanao”

“Jehovah Zan̈aharinao fo Tsy Maintsy Hiankohofanao”

MATIO 4:10

HEVITRY HIDINIHIN̈Y: Nan̈ino ma fivavahan̈a madio io mila ampody amy plasiny

1, 2. Karakory naviany Jesosy tamy tany paiky ta Jodia tan̈y, avio nan̈ano karakory izy tamy zen̈y? (Zahava sary amy fanombohany toko ty.)

 FARAMPARAN’NY Oktobra na voalohandohan’ny Novambra taona 29 tamin’izay. Rehefa vita batisa sy voahosotry ny fanahy i Jesosy, dia nentin’ny fanahy masina tany amin’ny tany efitr’i Jodia, any avaratry ny Ranomasina Maty. Tany ngazana feno vatovato sy hantsana no nisy azy tany. Nifady hanina sy nivavaka ary nisaintsaina tany amin’io toerana mangina io izy nandritra ny 40 andro. Niresaka tamin’ny Zanany angamba i Jehovah tamin’io mba hanampiana azy ho vonona hiatrika an’izay miandry azy.

2 Nalemin’ny hanoanana i Jesosy, dia tonga nanatona azy i Satana. Nampiharihary olana lehibe iray ny zava-nitranga taorianan’izay. Mahakasika an’izay rehetra tia ny fivavahana madio ilay olana, anisan’izany ianao.

“Izikoa anao zanaka Zan̈ahary...”

3, 4. a) Karakory nataony Satana nanomboko koran̈a tamy fakampan̈ahy aroe voanalohany nataony tamy Jesosy, avio tiany hisalasala momba ino Jesosy? b) Akory ampiasany Satana tetikinany zen̈y amy zioty?

3 Vakio ny Matio 4:1-7. An-kolaka ny fakam-panahy roa voalohany nataon’i Satana, ary izao no nanombohany azy: “Raha zanak’Andriamanitra ianao.” Tsy nisalasala akory izy hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Fantany tsara fa i Jesosy no Zanak’Andriamanitra lahimatoa. (Kol. 1:15) Azo antoka koa fa henony niteny avy any an-danitra i Jehovah tamin’ny batisan’i Jesosy hoe: “Io no Zanako malalako, ilay ankasitrahako.” (Mat. 3:17) Tian’i Satana hisalasala angamba i Jesosy hoe azo atokisana ve ny Rainy ary tena mikarakara azy. Nasainy nanova ny vato ho mofo i Jesosy tamin’ilay fakam-panahy voalohany. Hoatran’ny te hiteny izy hoe: ‘Zanak’Andriamanitra ianao, koa maninona no tsy omen’ny dadanao sakafo atỳ an-tany efitra atỳ?’ Nasain’i Satana nitsambikina avy teny an-tampon’ny tempoly indray i Jesosy tamin’ilay fakam-panahy faharoa. Hoatran’ny te hilaza izy hoe: ‘Ianao ve Zanak’Andriamanitra dia tsy matoky hoe hiaro anao izy?’

4 Hoatr’izany ihany no ataon’i Satana amin’izao. (2 Kor. 2:11) Rehefa ilay malemy sy kivy iny ny mpanompon’i Jehovah no tafihiny, ary matetika no an-kolaka ny fanafihany. (2 Kor. 11:14) Fitahiny isika mba hieritreritra hoe tsy afaka ny ho tia antsika na hankasitraka antsika mihitsy i Jehovah. Ataony koa izay hahatonga antsika hieritreritra hoe tsy azo atokisana i Jehovah, dia tsy hotanterahiny ny fampanantenany. Lainga be anefa izany! (Jaona 8:44) Inona no hanampy antsika tsy hino ny laingany?

5. Karakory nataony Jesosy nan̈oloan̈a fakampan̈ahy aroe voanalohany io?

5 Ahoana no nataon’i Jesosy tamin’ireo fakam-panahy roa voalohany ireo? Tsy nisalasala mihitsy izy hoe tia azy ny Rainy. Natoky azy tanteraka koa izy. Tonga dia nanda an’i Satana izy sady nanonona andinin-teny misy ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. (Deot. 6:16; 8:3) Rehefa nampiasa an’io anarana miavaka io izy, dia nampiseho hoe tena natoky ny Rainy. Io anarana io mantsy no toky hoe hanatanteraka ny fampanantenany rehetra i Jehovah. a

6, 7. Akory hanoherantsika Satana izikoa izy efa manafiky atsika ankolaka?

6 Rehefa manafika antsika an-kolaka i Satana, dia hahavita hanohitra azy isika raha mampiasa ny Tenin’i Jehovah sy misaintsaina ny dikan’ny anarany. Rehefa mahita andinin-teny milaza ianao hoe tia sy miahy ny mpanompony i Jehovah, indrindra fa izay kivy, dia ataovy hoatran’ny hoe ianao mihitsy no resahin’ilay izy. Ho vitanao amin’izay ny handa an’ilay laingan’i Satana hoe tsy afaka ny ho tia antsika na hankasitraka antsika mihitsy i Jehovah. (Sal. 34:18; 1 Pet. 5:8) Tadidio foana koa hoe manao zavatra mifanaraka amin’ny dikan’ny anarany foana i Jehovah. Tsy hisalasala mihitsy ianao amin’izay hoe mendrika ny hatokisana izy satria tanterahiny foana izay ampanantenainy.​—Ohab. 3:5, 6.

7 Inona anefa no tena tanjon’i Satana? Inona no tena tadiaviny amintsika? Andao hodinihintsika ilay fakam-panahy fahatelo mba hahitana ny valin’izany.

“Izikoa anao mankohoko indraiky fo aminaka”

8. Tamy fakampan̈ahy fahatelo io, karakory nataony Satana nan̈aboaka raha ten̈a nitadiaviny?

8 Vakio ny Matio 4:8-11. Tsy an-kolaka intsony ilay fakam-panahy fahatelo, fa tonga dia novantanin’i Satana izay notadiaviny. Nasehony an’i Jesosy (angamba tao anaty fahitana) “ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny.” Tsy nasehony azy anefa ny zavatra ratsy ataon’izy ireny. Nilaza izy avy eo hoe: “Homeko anao daholo ireo rehetra ireo, raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao.” b Inona no tena notadiaviny? Tiany hivavaka aminy i Jesosy. Tiany hivadika amin’ny Rainy izy, dia hanaiky hoe i Satana no andriamaniny. Hoatran’ny te hilaza i Satana hoe hilamina kokoa ny fiainan’i Jesosy raha manao an’izay teneniny izy. Ho azony daholo ny fahefana sy ny harena rehetran’ireo firenena. Tsy voatery hijaly koa izy, na hasiana fehiloha tsilo, na hokaravasina, na hovonoina eo amin’ny hazo fijaliana. Tena afaka nanome an’i Jesosy an’ireo fitondrana rehetra eo amin’izao tontolo izao i Satana, satria izy no mifehy azy ireo. Tsy nanda an’izany i Jesosy. (Jaona 12:31; 1 Jaona 5:19) Vonona hanome ny zava-drehetra mihitsy i Satana mba hahatonga an’i Jesosy hiala amin’ny fivavahana madio.

9. a) Ino ma raha ten̈a tadiaviny Satana amintsika panompony Jehovah, avio akory ataony mitsapa jery atsika? b) Ino aby ma raha tafiditry amy mivavaka zen̈y? (Zahava efajoro “Inona no Atao hoe Mivavaka?”)

9 Tena tian’i Satana hanompo azy koa isika, na mivantana izany na tsia. Izy no “andriamanitr’izao tontolo izao.” (2 Kor. 4:4) Noho izany, dia izy no ivavahan’ny olona any amin’i Babylona Lehibe, raha ny marina. Efa an-tapitrisany ny olona ao amin’ireny fivavahan-diso ireny. Tsy afa-po amin’izany anefa i Satana fa tiany hotaomina hanao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra koa ny olona ao amin’ny fivavahana marina. Fitahiny isika hoe aleo mikatsaka harena sy fahefana eo amin’izao tontolo izao, toy izay mampifaly an’i Jehovah dia mijaly noho ny ‘fanaovana ny marina.’ (1 Pet. 3:14) Inona anefa no hitranga raha manaiky ho resin’ny fakam-panahy isika, ka miala amin’ny fivavahana madio ary lasa anisan’ny tontolon’i Satana? Hoatran’ny hoe miankohoka eo anatrehan’i Satana isika, dia mivavaka aminy ary lasa izy no andriamanitsika. Inona no hanampy antsika tsy ho resin’izany fakam-panahy izany?

10. Karakory nataony Jesosy nan̈oloan̈a fakapan̈ahy fahatelo io, baka io nan̈ino?

10 Ahoana no nataon’i Jesosy tamin’ilay fakam-panahy fahatelo? Nasehony hoe tsy mivadika amin’i Jehovah izy, ka tonga dia noroahiny ilay Mpaka Fanahy. Hoy izy: “Mandehana ianao, ry Satana!” Hoatran’ny tamin’ireo fakam-panahy voalohany, dia nanonona andinin-teny misy ny anaran’Andriamanitra avy tao amin’ny Deoteronomia izy. Izao no nolazainy: “Voasoratra hoe: ‘I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary izy irery ihany no tsy maintsy tompoinao.’” (Mat. 4:10; Deot. 6:13) Tsy nanaiky hanana toerana ambony eo amin’izao tontolo izao àry i Jesosy, na hoe hanana fiainana milamina dia tsy hijaly. Fantany mantsy fa tsy haharitra izany. Niaiky izy hoe ny Rainy irery ihany no mendrika hivavahana, ary raha miankohoka eo anoloan’i Satana izy na dia indray mandeha fotsiny aza, dia hoatran’ny hoe manaiky hofeheziny. Tsy nety nanompo an’ilay Mpaka Fanahy mihitsy i Jesosy. Niala maina àry ny Devoly dia “nandao azy.” c

“MANDEHANA IANAO, RY SATANA!” (Fehintsoratra 10)

11. Akory hanoherantsika Satana izikoa izy efa mitsapa jery atsika?

11 Afaka mandresy an’i Satana sy manohitra fakam-panahy isika, satria manan-tsafidy hoatran’i Jesosy ihany. Fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah izany. Tsy misy afaka manery antsika hiala amin’ny fivavahana madio àry. Na i Satana, ilay anjely mahery sady ratsy fanahy, aza tsy hahavita an’izany. Raha tsy mivadika isika fa ‘manohitra azy ka manana finoana matanjaka’, dia hoatran’ny miteny hoe: “Mandehana ianao, ry Satana!” (1 Pet. 5:9) Tadidio fa niala i Satana rehefa avy nanda azy mafy i Jesosy. Manome toky antsika koa ny Baiboly hoe: ‘Tohero ny Devoly, dia handositra anareo izy.’​—Jak. 4:7.

Afaka mifidy ny tsy ho resin’ny fakam-panahy eo amin’ny tontolon’i Satana isika (Fehintsoratra 11, 19)

Araiky fahavalony fivavahan̈a madio

12. Tamy zaridain̈iny Edena tan̈y, karakory nahitan̈a fa Satana fahavalony fivavahan̈a madio?

12 Voaporofo tamin’ilay fakam-panahy farany hoe i Satana no voalohany amin’ny fahavalon’ny fivavahana madio. Efa an’arivony taona talohan’izay izy no nampiseho fa tsy tiany mihitsy hoe i Jehovah no ivavahana. Naka fanahy an’i Eva izy tao amin’ny zaridainan’i Edena, dia avy eo i Eva nandresy lahatra an’i Adama mba tsy hankatò ny didin’i Jehovah. Vokatr’izany, dia lasa i Satana no mpitondra nifehy an-dry zareo. (Vakio ny Genesisy 3:1-5; 2 Kor. 11:3; Apok. 12:9) Na dia mety ho tsy fantatr’izy ireo aza hoe i Satana no namitaka azy, dia lasa izy no andriamanitr’izy ireo ary lasa mpanompony ry zareo. Rehefa nitarika ny olona hikomy àry i Satana, dia nanohitra ny zon’i Jehovah hitondra sady nitsangana ho fahavalon’ny fivavahana madio. Nahoana isika no milaza an’izany?

13. Ino ifandraisany fivavahan̈a madio amy zony Jehovah hitondra?

13 Misy ifandraisany amin’ilay adihevitra momba ny zon’i Jehovah hitondra ny fivavahana madio. Ilay tena Mpitondra An’izao Rehetra Izao ihany mantsy no mendrika hivavahana, izany hoe Ilay “namorona ny zava-drehetra.” (Apok. 4:11) Tian’i Jehovah ho feno olona lavorary ny tany, ary hanompo azy an-tsitrapo ireo olona ireo, izany hoe hanaraka ny fivavahana madio amin’ny fo madio. (Gen. 1:28) Raha ny marina, dia izay no fikasany tamin’izy namorona ny mpivady voalohany sy nametraka azy ireo tao amin’ny zaridainan’i Edena. I Jehovah, ilay Tompo sy Mpitondra Fara tampony, ihany àry no mendrika hivavahana. Tian’i Satana anefa hoe izy no hivavahana, dia notoheriny ny zon’i Jehovah hitondra.​—Jak. 1:14, 15.

14. Vitany Satana ma nitariky olo Jiaby tsy han̈araka fivavahan̈a madio? Hazavà.

14 Vitan’i Satana ve ny nitarika ny olona rehetra tsy hanaraka ny fivavahana madio? Marina fa vitany ny nitaona an’i Adama sy Eva tsy hanompo an’Andriamanitra. Mbola nitaona olona betsaka araka izay azo atao mba hiala amin’i Jehovah sy tsy hanaraka ny fivavahana marina i Satana taorian’izay. Mbola naka fanahy ny mpanompon’i Jehovah izy, na dia talohan’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany aza. Nataony koa izay hahatonga ny olona sasany tamin’ny taonjato voalohany hivadi-pinoana, ka hitaona ny fiangonana kristianina hanaraka an-dry zareo. Vokatr’izany, dia lasa hoatran’ny hoe nanjavona ny fivavahana madio. (Mat. 13:24-30, 36-43; Asa. 20:29, 30) Nanomboka tamin’ny taonjato faharoa, dia babo tao amin’i Babylona Lehibe, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra, ny mpanompon’i Jehovah ary naharitra ela be izany. Tsy vitan’i Satana anefa ny nisakana an’Andriamanitra tsy hanatanteraka ny fikasany mifandray amin’ny fivavahana madio. Tsy hisy hahasakana an’Andriamanitra tsy hanatanteraka ny fikasany izany mihitsy! (Isaia 46:10; 55:8-11) Misy idirany amin’ny anarany mantsy izany, nefa izy manao zavatra mifanaraka amin’ny anarany foana. Andriamanitra Mpanatanteraka ny fikasany tokoa i Jehovah!

Araiky Piaro fivavahan̈a madio

15. Izikoa fa nisy fikoamian̈a ta Edena, ino raha nataony Jehovah handaminan̈a izio baka sitraponany ho tanteraka?

15 Tonga i Jehovah dia nanapa-kevitra hoe hatao ahoana ireo mpikomy tao Edena sady nataony azo antoka hoe ho tanteraka ny fikasany. (Vakio ny Genesisy 3:14-19.) Mbola tao Edena i Adama sy Eva dia efa nolazain’i Jehovah ny sazin’izy ireo sy ny an’i Satana. I Satana no nanota voalohany, dia ny saziny no noteneniny voalohany. Ny sazin’i Eva koa no noteneniny izay vao ny an’i Adama, satria i Eva no nanota talohan’i Adama. I Satana no tena nahatonga an’ilay fikomiana, na dia tsy hitan’i Adama sy Eva aza izy. Rehefa nilaza ny saziny i Jehovah, dia niteny hoe hisy ‘taranaka’ iray hanafoana ny vokatr’ilay fikomiana. Hampiasain’i Jehovah koa io ‘taranaka’ io mba hanatanteraka ny fikasany mifandray amin’ny fivavahana madio.

16. Tafarany fikomian̈a ta Edena in̈y, ino koa raha hafa nataony Jehovah baka ho tanteraka fikasan̈anany?

16 Nanao zavatra foana i Jehovah taorian’ilay fikomiana tany Edena mba hanatanterahana ny fikasany. Nanao fandaharana izy mba hahafahan’ny olombelona tsy lavorary hanompo azy amin’ny fomba ankasitrahany, araka ny horesahin’ny toko manaraka. (Heb. 11:4–12:1) Nomeny fanahy masina koa ny mpanompony sasany, anisan’izany i Isaia sy Jeremia ary Ezekiela, dia naminany hoe haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Foto-kevitra misongadina be ao amin’ny Baiboly io famerenana amin’ny laoniny io. Ilay ‘taranaka’ nampanantenaina no hanatanteraka ny faminaniana rehetra momba an’izany. I Jesosy no manana anjara asa lehibe indrindra amin’izay anisan’io ‘taranaka’ io. (Gal. 3:16) Nasehony tsara tamin’ny fomba namaliany an’ilay fakam-panahy fahatelo fa izy no Mpiaro ny fivavahana madio. Izy no nofidin’i Jehovah hanatanteraka ny faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio. (Apok. 19:10) Izy no hanafaka ny vahoakan’Andriamanitra avy ao amin’i Babylona Lehibe, ary izy koa no hanao an’izay hahatonga ny zavaboary rehetra hanompo an’i Jehovah.

Ino raha handeha ataonao?

17. Nan̈ino faminanian̈a momba fan̈ampodianan̈a amy plasiny fivavahan̈a madio io ten̈a tiantsika?

17 Tena mahafinaritra sady manatanjaka finoana ny mandinika ny faminanian’ny Baiboly momba ny famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Tena tiantsika ireny faminaniana ireny! Efa tsy andrintsika mantsy ny hoe hiara-manompo an’i Jehovah Tompo Fara Tampony ny zavaboary rehetra, na ny any an-danitra na ny etỳ an-tany. Lasa manana fanantenana koa isika rehefa mandinika an’ireny faminaniana ireny. Be dia be mantsy ny fanomezan-toky ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, fa ny ao amin’izy ireny no anisan’ny mampahery indrindra. Efa tsy andrintsika ny hanatanterahan’i Jehovah ny fampanantenany, anisan’izany ilay hoe hatsangana ny olona tena tiantsika efa maty, ho lasa paradisa ny tany, ary ho salama tsara ny olombelona sady tsy ho faty intsony.​—Isaia 33:24; 35:5, 6; Apok. 20:12, 13; 21:3, 4.

18. Ino raha hidinihintsika amy boky ty ato?

18 Handinika ny faminaniana tsara be ao amin’ny bokin’i Ezekiela isika ato amin’ity boky ity. Betsaka amin’izy ireny no miresaka momba ny famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Ho hitantsika fa mifandray amin’ny faminaniana hafa ny faminanian’i Ezekiela. Hodinihintsika koa hoe i Kristy no hanatanteraka ny faminanian’i Ezekiela, ary mahakasika antsika izy ireny.​—Jereo ilay efajoro hoe “Inona no Resahina ao Amin’ny Bokin’i Ezekiela?

19. Ino fanapahankevitrinao? Nan̈ino?

19 Tsy vitan’i Satana ny nampiala an’i Jesosy tamin’ny fivavahana madio, tamin’ny taona 29 tany an-tany efitr’i Jodia. Ary ahoana ny amintsika? Vao mainka izao i Satana tapa-kevitra ny hitarika antsika hiala amin’ny fivavahana marina. (Apok. 12:12, 17) Enga anie ity boky ity hanampy antsika ho tapa-kevitra kokoa hanohitra an’io Mpaka Fanahy io. Ary enga anie ka hasehontsika amin’ny tenintsika sy ny ataontsika fa ekentsika amin’ny fo manontolo ilay hoe: “I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao.” Ho afaka hanantena isika amin’izay hoe hanatri-maso ny hahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah. Hiara-manompo an’i Jehovah amin’ny fo madio ny zavaboary rehetra amin’izany, na ny any an-danitra na ny etỳ an-tany.

a Araka ny manam-pahaizana sasany, ilay anarana hoe Jehovah dia midika hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” Mifanentana tsara amin’i Jehovah io famaritana io satria izy no Mpamorona sady Mpanatanteraka ny fikasany.

b Izao no voalazan’ny boky iray momba ny Baiboly mahakasika an’ireo tenin’i Satana ireo: “Mitovy amin’ny safidy nananan’i Adama sy Eva tamin’ilay fitsapana voalohany tsy voatohitr’izy ireo ihany ny safidy nananan’i Jesosy teto: Hanao ny sitrapon’i Satana sa hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Nila nisafidy izy hoe iza amin’ireo no hivavahany. Hita amin’izany hoe manao ny tenany ho andriamanitra i Satana, ka te haka ny toeran’ilay tena Andriamanitra.”

c Hafa mihitsy ny filaharan’ireo fakam-panahy ireo ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka. Ny ao amin’ny Matio anefa no azo inoana hoe milahatra arakaraka ny fotoana nisehoany. Nahoana isika no milaza an’izany? 1) Marina fa samy nampiasa an’ilay teny hoe “avy eo” na i Matio na i Lioka, rehefa hiresaka an’ilay fakam-panahy faharoa. Ilay “avy eo” ao amin’ny Matio anefa avy amin’ny teny grika hoe toʹte, izay ampiasaina mba hampidirana an’izay zava-nitranga manaraka. Ilay “avy eo” nampiasain’i Lioka kosa natao hampitohizana hevitra fotsiny. 2) Azo inoana fa ilay fakam-panahy roa miantomboka amin’ny hoe “raha zanak’Andriamanitra ianao” no nandeha voalohany, izay vao ilay fakam-panahy handika an’ilay didy voalohany indrindra. (Eks. 20:2, 3) Mitombina kokoa mantsy hoe nitaona an’i Jesosy an-kolaka aloha izy, izay vao novantaniny izay tena notadiaviny. 3) Azo inoana hoe ilay fakam-panahy fahatelo noresahin’i Matio no nitranga farany, satria niteny i Jesosy taorian’ilay izy hoe: “Mandehana ianao, ry Satana!”​—Mat. 4:5, 10, 11.