Hagnente ty agnate’ao

Hizilike amy ty lohahevetse

TOKO 3

“Nahatrea Fahitagne Boake Aman’andrianagnahare Raho”

“Nahatrea Fahitagne Boake Aman’andrianagnahare Raho”

EZEKIELA 1:1

HEVETSE HODINEHEGNE: Fahitagne nitrea i Ezekiela miomba i sareten-tsovala i Jehovah an-dagnitse agney

1-3. a) Ino ty raha nitrea i Ezekiela naho nirei’e? (Henteo i sare am-panomboha ty toko toỳ.) b) Akore ty nahavy aze hahatrea i fahitagney, le ino ty nivoka izay tama’e?

 NITAZANA avy lavitra i Ezekiela, dia nandinika an’izay nitranga teo amin’ny lemaka iray midadasika sy feno fasika. Tsy tazany tsara izay nitranga tamin’ny voalohany, fa nihiratra be ny masony avy eo. Tsy nampino ny zavatra hitany! Hoatran’ny nitady hisy oram-baratra terỳ lavitra terỳ sady tsy nahazatra ilay izy. Nisy rivotra mahery nitsoka mafy be avy any avaratra, dia lasa nisavoritaka ny volony sady nikopakopaka ny akanjony. Nahita rahona matevina koa izy ary nisy afo nitselatselatra be tao anatin’ilay izy. Nanjelatra hoatran’ireny volamena sy volafotsy miaraka arendrika ireny no fahitana azy. a Nihananatona haingana an’i Ezekiela ilay rahona. Arakaraka ny nanatonan’ilay izy, dia nihamafy nihamafy ny feo henony, hoatran’ireny tafika mirodorodo ireny.​—Ezek. 1:4, 24.

2 Telopolo taona teo ho eo i Ezekiela tamin’izy nahazo an’io fahitana voalohany io. Tsy hohadinoiny mihitsy izy io sy izay mbola ho hitany aorianan’io! Niasa taminy ny “herin’i Jehovah”, na ny fanahiny masina, izany hoe ilay hery matanjaka indrindra eran’izao rehetra izao. Nataon’io fanahy io naheno sy nahita zavatra tena mahatalanjona izy, mbola mahavariana kokoa noho ireny hitantsika amin’ny filma ireny. Ankona tanteraka i Ezekiela dia niankohoka tamin’ny tany.​—Ezek. 1:3, 28.

3 Tsy hoe te hampitolagaga an’i Ezekiela fotsiny akory i Jehovah. Rehefa nanome an’io fahitana io sy ny fahitana hafa ao amin’ny bokin’i Ezekiela izy, dia nisy lesona tiany hampitaina ho an’i Ezekiela sy ho an’ny mpanompony tsy mivadika amin’izao. Andao àry hodinihintsika akaiky hoe inona no hitan’i Ezekiela sy henony.

Ty Raha Nisy Tamy Izay

4, 5. Ino ty raha nisy tamy i fotoagne nahatreava i Ezekiela i fahitagney?

4 Vakio ny Ezekiela 1:1-3. Taona 613 T.K. tamin’izay. Hitantsika tao amin’ny toko teo aloha fa tany Babylona i Ezekiela, niaraka tamin’ny Israelita hafa natao sesitany. Nipetraka teo amoron’ny reniranon’i Kebara ry zareo. Azo inoana hoe lakandrano namboarin’olona izy io ary azo nivezivezena. Niainga avy tao amin’ny reniranon’i Eofrata ilay izy ary nivarina tao ihany.

Nipetraka teo amoron’ny reniranon’i Kebara i Ezekiela, niaraka tamin’ny Jiosy hafa natao sesitany (Fehintsoratra 4)

5 Tany amin’ny 800 kilaometatra teo ho eo no nisy an’i Jerosalema, tanindrazan’ireo Jiosy ireo. b Lasa nisy fivavahan-diso sy fanompoan-tsampy tao amin’ilay tempoly nanompoan’ny dadan’i Ezekiela. Voninahitra be ho an-dry Davida sy Solomona ny nanjaka teo amin’ny seza fiandrianan’i Jerosalema taloha, nefa izao lasa tsy nisy hajany intsony io seza fiandrianana io. Ankoatra an’izay, dia natao sesitany tany Babylona koa i Joiakina, mpanjaka nivadika tamin’i Jehovah. I Zedekia no lasa mpanjaka nisolo azy. Ratsy fanahy i Zedekia sady nanao ny sitrapon’ny mpanjakan’i Babylona fotsiny.​—2 Mpanj. 24:8-12, 17, 19.

6, 7. Nagnino ty Ezekiela ro va’e ho nahatsapa tie fotoagne tena nimafe tamy ty fiaigna’e io?

6 Lehilahy nanam-pinoana i Ezekiela, ka io angamba no fotoana nanjombona indrindra teo amin’ny fiainany. Mety ho lasa saina ny olona sasany niara-natao sesitany taminy hoe: ‘Dia tena narian’i Jehovah tanteraka ve isika? Dia hofoanan’io firenena mpanao ratsy sady manompo andriamani-diso be dia be io ve ny fivavahana madio, ka tsy hisy solontenan’i Jehovah hanjaka intsony eto an-tany?’

7 Izany rehetra izany ny zava-nisy tamin’ny andron’i Ezekiela. Alohan’ny handinihanao an’ilay fahitana voalohany hitan’i Ezekiela, dia vakio ao amin’ny Baiboly aloha ilay izy ary ataovy hoatran’ny hoe i Ezekiela mihitsy ianao. (Ezek. 1:4-28) Alao sary an-tsaina izay zavatra hitany, ary ataovy hoatran’ny hoe henonao izay zavatra henony.

Reniranon’i Eofrata ao amin’ilay faritra akaikin’i Karkemisy (Fehintsoratra 5-7)

Sareten-tsovala Miambake

8. Ino ty raha nitrea i Ezekiela tamy i fahitagney tao, le ino o rahao naho ty maregne?

8 Inona ilay zavatra hitan’i Ezekiela? Hoatran’ny kalesy ngezabe sady mahatalanjona ilay izy. Nisy kodiarana ngezabe efatra koa ilay izy, ary nisy zavamananaina efatra hafakely teo akaikin’ireo kodiarana ireo. Resahin’ny andininy atỳ aoriana kokoa hoe kerobima ireo. (Ezek. 10:1) Nisy hoatran’ny zavatra fisaka nivelatra be nanjelanjelatra hoatran’ny ranomandry teny ambonin’izy ireo. Teo ambonin’io zavatra fisaka io ny seza fiandrianana be voninahitr’Andriamanitra. I Jehovah no nipetraka teo amin’ilay izy. Fa inona io kalesy io? Ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’i Jehovah. Hijery hevitra telo mahatonga antsika hilaza an’izany isika izao.

9. Nagnino ty fifandrambesa i Jehovah amy ty raha finoro’e an-dagnitse agne, ro azo ampitoviegne amy ty sareten-tsovala?

9 Ny fifandraisan’i Jehovah amin’ny zavaboariny any an-danitra. Mariho fa eo ambonin’ireo kerobima ny seza fiandrianan’i Jehovah ao amin’ilay fahitana. Misy andinin-teny hafa koa milaza hoe mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany eo ambonin’ny kerobima na eo anelanelan’ny kerobima i Jehovah. (Vakio ny 2 Mpanjaka 19:15; Eks. 25:22; Sal. 80:1) Mazava ho azy fa tsy hoe mipetraka ara-bakiteny eo ambonin’ny kerobima izy. Izy tsinona tsy mila batain’ireo anjely mahery ireo sady tsy mila mitondra kalesy ara-bakiteny! Manohana ny zony hitondra anefa ny kerobima, ary azony irahina hanao ny sitrapony, na aiza na aiza. Manatanteraka ny fanapahan-kevitr’i Jehovah ny kerobima, hoatran’ny anjeliny masina rehetra ihany. (Sal. 104:4) Hoatran’ny hoe kalesy ngezabe iray àry ny kerobima sy ny anjely hafa, ary miray saina izy ireo. Azo lazaina hoe mipetraka eo ambonin’izy ireo i Jehovah satria izy no mitarika an’ilay kalesy.

10. Nagnino tika ro mirehake fa tsy o kerobima efatse reo avao ty agnisa i sareten-tsovala an-dagnitse agney?

10 Ny isan’ireo kerobima. Efatra ny kerobima hitan’i Ezekiela. Matetika no mampiseho zavatra feno ny isa efatra ao amin’ny Baiboly, ary ampiasaina mba hilazana hoe tafiditra daholo ny zava-drehetra tsy an-kanavaka. Ny anjelin’i Jehovah tsy mivadika rehetra àry no tiana horesahina amin’ireo kerobima efatra. Mariho koa fa feno maso na ireo kodiarana na ireo kerobima. Midika izany fa mailo ireo zavamananaina efatra ireo, nefa tsy ry zareo ihany fa ny anjely rehetra any an-danitra koa. Hita amin’ilay fahitana koa hoe tena lehibe ilay kalesy, dia na ireo kerobima mahatalanjona ireo aza hoatran’ny hoe kely raha ampitahaina aminy. (Ezek. 1:18, 22; 10:12) Ngezabe hoatr’izany koa ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’i Jehovah, fa tsy hoe ireo kerobima efatra fotsiny no anisan’izy io.

Nahatalanjona an’i Ezekiela ilay fahitana momba ny kalesin’i Jehovah any an-danitra (Fehintsoratra 8-10)

11. Ino ka ty fahitagne nitrea i Daniela mitovy amy nitrea i Ezekielay, le ino ty treantikagne boake amy izay?

11 Ny fahitan’i Daniela. Natao sesitany ela be tany Babylona i Daniela mpaminany. Nahazo fahitana momba ny lanitra izy, hoatran’i Ezekiela, ary mahagaga fa nisy kodiarana koa ny seza fiandrianan’i Jehovah tao amin’ilay izy. Nasongadin’ilay fahitana hoe tena lehibe ny fianakavian’i Jehovah any an-danitra. Nahita anjely “arivoarivo” sy “iray alina ampitomboina iray alina” nijoro teo anatrehan’i Jehovah mantsy i Daniela. Anisan’ny Fitsarana any an-danitra ry zareo, dia samy manana ny anjara asany ny tsirairay aminy. (Dan. 7:9, 10, 13-18) Tsy midika ve izany fa ireo anjely be dia be hitan’i Daniela ireo ihany no hitan’i Ezekiela?

12. Nagnino ro miaro antika ty mianatse andinin-teny manahake i amy fahitagne nitrea i Ezekielay?

12 Fantatr’i Jehovah hoe miaro antsika ny mifantoka amin’ny zavatra ara-panahy, izay nantsoin’ny apostoly Paoly hoe “zavatra tsy hita.” Nahoana izany no miaro antsika? Satria nofo aman-dra isika, dia matetika no mifantoka be loatra amin’ny “zavatra hita”, izany hoe izay ilaintsika eo amin’ny fiainana. Mandalo ihany anefa ireny. (Vakio ny 2 Korintianina 4:18.) Hararaotin’i Satana izany matetika mba hampirisihana antsika hifantoka amin’izay tiantsika sy izay ilaintsika fotsiny. Tia antsika anefa i Jehovah dia te hanampy antsika mba tsy ho resin’i Satana. Nasiany andinin-teny mitovy amin’ilay ao amin’ny faminanian’i Ezekiela àry ao amin’ny Baiboly, mba hampahatsiahivana antsika hoe manana fianakaviana mahatalanjona izy any an-danitra.

“O ry Larò!”

13, 14. a) Manao akore i larò nitrea i Ezekiela rey? b) Nagnino ro mete soa tihoe misy larò i sareten-tsovala i Jehovah-y?

13 Ireo kerobima efatra no tena nifantohan’i Ezekiela tamin’ny voalohany. Ho hitantsika ao amin’ny Toko faha-4 hoe inona no azo ianarana momba an’i Jehovah avy amin’ireo zavamananaina ireo sy ny bikabikany. Nahita kodiarana efatra koa anefa i Ezekiela teo akaikin’ireo kerobima ireo. Samy naka zorony ny kodiarana tsirairay, dia nanome efamira ngezabe ny paozin’izy efatra mitambatra. (Vakio ny Ezekiela 1:16-18.) Hoatran’ny hoe vita tamin’ny krizolita ireo kodiarana ireo. Vatosoa mangarahara na tantera-pahazavana sady mamirapiratra be izy io, ary mavo na mavo manopy maitso ny lokony.

14 Ny kodiaran’ilay kalesy no tena misongadina ao amin’ilay fahitan’i Ezekiela. Hafakely indray izany seza fiandrianana misy kodiarana izany! Eo amin’ny toerana iray ihany mantsy matetika ny seza fiandrianana fa tsy mandehandeha, ary ara-dalàna izany raha olombelona no mipetraka eo amin’ilay izy satria voafetra ny faritra azony anjakana. Tsy voafetra kosa anefa ny faritra azon’i Jehovah anjakana, ka afaka mampihatra ny fahefany izy na aiza izany na aiza. (Neh. 9:6) Izany mihitsy izao no ho hitan’i Ezekiela.

15. Ino iaby ty nivoamare i Ezekiela miomba i larò rey?

15 Gaga be i Ezekiela rehefa nahita ny haben’ireo kodiarana. Nilaza izy hoe: “Avo be ireo kodiarana ka tena nahavariana sady nampahatahotra.” Somary nihemotra angamba izy tamin’io, dia nitraka nijery an’ireo kodiarana ngezabe sy namirapiratra sady avo be nanakatra ny lanitra ireo. Nilaza zavatra hafakely izy avy eo hoe: “Feno maso ny ivelany amin’ireo kodiarana efatra.” Fa ny paozin’ireo kodiarana angamba no tena nahavariana. Nanazava mantsy i Ezekiela hoe: “Hoatran’ny kodiarana ao anaty kodiarana no fahitana an’ireo sy ny bikabikany.” Inona no dikan’izany?

16, 17. a) Manao akore ze o larò agnate ty larò zao? b) Ino ty raha vita ty sareten-tsovala i Jehovah noho ty fisia o larò reo?

16 Azo inoana fa kodiarana roa mitambatra ilay hitan’i Ezekiela. Mety hoe mifanapaka eo afovoany ireo kodiarana ireo, dia lasa manome zoro mahitsy. Izay angamba no nahatonga an’ilay izy ho “afaka nandroso na nihemotra na niankavia na niankavanana, nefa tsy nila nivily teny am-pandehanana.” Inona no ianarantsika avy amin’izany momba an’ilay kalesy any an-danitra?

17 Ngezabe ireo kodiarana ka vao indray mandeha mihodina dia efa tody lavitra be. Hita tao amin’ilay fahitana aza hoe hoatran’ny tselatra ny fandehan’ilay kalesy! (Ezek. 1:14) Miavaka koa ny kodiaran’ilay izy. Tsotra kely amin’ireo kodiarana ireo mantsy ny mivilivily lalana, dia lasa mahavita mivilivily lalana koa ilay kalesy nefa tsy mila mandeha miadana kokoa sady tsy mila mihodina. Nofy fotsiny ny hoe hahavita kodiarana hoatr’izany ho an’ny injeniera! Tsy mandeha an-jambany fotsiny koa anefa ilay kalesy. Feno maso mantsy ny kodiaran’ilay izy, ka fantany tsara daholo izay mitranga manodidina azy, na aiza io na aiza.

Ngezabe ireo kodiarana ary nandeha haingana be (Fehintsoratra 17)

18. Bey naho feno maso i larò rey. Ino ty ianarantikagne boake amy izao?

18 Inona àry no tian’i Jehovah hampianarina an’i Ezekiela sy ny mpanompony tsy mivadika rehetra momba ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminany? Nianarantsika hoe be voninahitra sady mahatalanjona izy io, ary mampiseho an’izany ireo kodiarana ngezabe sady mamirapiratra. Mahafantatra ny zava-drehetra koa izy io, ary mampiseho an’izany ilay hoe feno maso ireo kodiarana. Ny mason’i Jehovah mihitsy koa anefa no mahita ny zava-drehetra! (Ohab. 15:3; Jer. 23:24) Tsy vitan’izay fa manana anjely an-tapitrisany i Jehovah, dia azony alefa any amin’izay toerana tiany handefasana azy manerana an’izao tontolo izao ry zareo. Mahita tsara an’izay mitranga koa ireo anjely ireo sady afaka mitatitra an’izany any amin’ny Mpanjakany.​—Vakio ny Hebreo 1:13, 14.

Hafakely ny paozin’ireo kodiarana, dia izay no mahatonga azy hahavita hivilivily lalana tampoka (Fehintsoratra 17, 19)

19. Lomay mafe i sareten-tsovala i Jehovah-y sady tsy sarotse ama’e ty le avy le mitsile. Ino ty raha ianarantika miomba i Jehovah naho ty fandamina’e boake amy izay?

19 Hitantsika teo koa fa mandeha haingana be ilay kalesy sady tsotra kely amin’ilay izy ny mivilivily lalana. Diniho ange fa tsy mitovy mihitsy ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’i Jehovah sy ny fitondrana na ny fikambanan’olombelona e! Matetika no mandeha an-jambany fotsiny ny fitondran’olombelona rehefa manapa-kevitra sady tsy mahay mampifanaraka ny ataony amin’izay fiovana miseho. Loza no vokany matetika, na lany andro ny fomba fiasany dia tsy mandroso mihitsy ry zareo. Tsy hoatr’izany anefa ny kalesin’i Jehovah. Izy mihitsy no mifehy azy io, ary manao zavatra mifanaraka amin’ny zava-misy foana izy. Hita amin’ny anarany hoe afaka miovaova araka izay ilaina izy mba hanatanterahana ny fikasany. (Eks. 3:13, 14) Afaka miova tampoka ho Mpiady mahery izy dia miady ho an’ny vahoakany. Vetivety eo indray izy dia lasa Andriamanitra Mpamindra Fo sy Mpamela Heloka, ka mampionona sy mampitraka ny mpanota mibebaka rehefa tototry ny alahelo ry zareo.​—Sal. 30:5; Isaia 66:13.

20. Nagnino tika ro mila magneke tie tena raha lahibey i sareten-tsovala i Jehovah-y?

20 Rehefa avy nandinika an’iny ampahany amin’ny fahitan’i Ezekiela iny ianao, dia eritrereto hoe: ‘Miaiky ve aho fa tena zava-dehibe ny kalesin’i Jehovah?’ Tadidio fa mampiseho zavatra tena misy amin’izao fotoana izao izy io. Raha misy olana mahakivy anao àry, dia aza mieritreritra mihitsy hoe tsy ho hitan’i Jehovah sy ny Zanany ary ny anjely rehetra ilay izy! Aza manahy hoe sao dia ho tara i Jehovah vao hanome an’izay ilaintsika. Aza misalasala koa hoe sao dia tsy ho vitan’ny fandaminana ny hanao zavatra mifanaraka amin’izay olana mitranga satria hoe miovaova izao tontolo izao. Mila mitadidy koa isika fa tsy mitsahatra miasa ny fandaminan’i Jehovah sady mandroso foana. Manaporofo an’izany ilay antsoantso avy any an-danitra henon’i Ezekiela hoe: “Ry kodiarana ô!” (Ezek. 10:13) Azo inoana fa baiko ho an’ireo kodiarana io hoe mila mihetsika ry zareo. Tsy mahavariana anao ve ny fomba itarihan’i Jehovah ny fandaminany? Mbola mahatalanjona lavitra noho izany anefa i Jehovah, ka izy no tena tokony hohajaintsika.

I Mpinday Sareten-tsovalay

21, 22. Ino ty mampifandrambe ty raha iaby amy i sareten-tsovalay? Hazavao.

21 Nahita “hoatran’ny zavatra fisaka nivelatra be” teo ambonin’ireo kodiarana sy ireo kerobima i Ezekiela avy eo. “Nanjelanjelatra toy ny ranomandry ilay izy, sady nampitolagaga.” (Ezek. 1:22) Lavitra ny lohan’ireo kerobima no nisy an’io zavatra nangarahara sy namirapiratra io. Raha misy olona mahaihay resaka mekanika sy fiara, dia mety hanana fanontaniana be dia be izy, ohatra hoe: ‘Fa inona no mampifandray an’ilay zavatra fisaka sy ireo kodiarana? Ahoana no mahatonga an’ireo kodiarana hiara-mivily nefa tsy misy na inona na inona mampifandray azy?’ Tadidio fa tsy kalesy tena izy akory izy io, fa mampiseho ny zava-misy any an-danitra fotsiny. Mariho koa fa niteny i Ezekiela hoe: “Ilay fanahy izay niasa tao amin’ireo zavamananaina ihany no tao amin’ireo kodiarana ireo.” (Ezek. 1:20, 21) Inona io fanahy io?

22 Azo antoka hoe ny fanahy masin’i Jehovah izy io, izany hoe ilay hery mahery indrindra eo amin’izao rehetra izao. Io fanahy io no mampandeha an’ilay kalesy sy mampifandray ny zava-drehetra ao amin’ilay izy ary mahatonga ny fihetsik’izy ireo hirindra tsara. Andao isika izao hifantoka amin’Ilay Mpitondra an’ilay kalesy, hoatran’ny nataon’i Ezekiela.

Mety hoe sahirana i Ezekiela nitady teny mahalaza tsara ny zavatra hitany

23. Ino iaby ty rehake nampiasae i Ezekiela naho fa nirehake miomba i Jehovah reke? Ino ty anto’e?

23 Vakio ny Ezekiela 1:26-28. Matetika i Ezekiela no nampiasa ny teny hoe “toy ny”, “hoatran’ny”, “mitovy amin’ny”, sy hoe “fahitana ny” rehefa nanazava an’izay hitany. Ao amin’ireo andinin-teny ireo anefa izy no tena nampiasa an’ireo teny ireo, satria mety hoe sahirana izy nitady teny mahalaza tsara ny zavatra hitany. Nilaza izy fa nahita “zavatra toy ny vato safira, ary hoatran’ny seza fiandrianana ilay izy.” Alao sary an-tsaina hoe vato safira manga antitra ngezabe anankiray no nanamboarana an’ilay seza fiandrianana. Nisy nipetraka teo amin’ilay izy, ary “hoatran’ny olona no fahitana azy.”

24, 25. a) Maniahy antikagne miomba ty ino i havagne nagnodidigne i sezan-droandria i Jehovah-y? b) Ino ty nitsapa ty vahoa i Jehovah taloha naho fa nahatrea fahitagne manahake i nitrea i Ezekielay?

24 I Jehovah ilay hoatran’ny olona teo amin’ny seza fiandrianana, fa tsy tena hita tsara ny paoziny. Samy nisy lelafo nanjelanjelatra mantsy na avy eo amin’ny andilany no ho midina na avy eo amin’ny andilany no ho miakatra. Tsy maintsy hoe niaro ny masony tamin’ny tanany izao i Ezekiela sady nikimpikimpy rehefa nijery ny voninahitr’i Jehovah. Tsara be ny zavatra hitan’i Ezekiela farany! Hoy izy: “Nisy hazavana be nanodidina azy, hoatran’ny hazavan’ny avana eny amin’ny rahona rehefa avy ny orana.” Tsy falifaly be ve ianao rehefa mahita avana? Mampahatsiahy antsika ny voninahitry ny Mpamorona izany! Mety hampahatsiahy antsika koa ireny avana milokoloko sy mampitony ireny hoe nampanantena i Jehovah fa tsy hisy safodrano intsony dia hiadana ny olona. (Gen. 9:11-16) Andriamanitry ny fiadanana i Jehovah na dia izy aza no Mahery Indrindra. (Heb. 13:20) Anisan’ny toetra mampiavaka azy izany, dia ataony koa izay hahatonga ny mpanompony tsy mivadika rehetra hiadana.

Mampahatsiahy antsika ilay avana tsara tarehy manodidina ny seza fiandrianan’i Jehovah fa manompo an’ilay Andriamanitry ny fiadanana isika (Fehintsoratra 24)

25 Inona no vokany rehefa nahita ny voninahitr’i Jehovah i Ezekiela? Talanjona izy sady lasa te hanaja be an’i Jehovah, dia “niankohoka” tamin’ny tany. Nisy mpaminany hafa koa nahatsapa hoatr’izany rehefa nahazo fahitana avy tamin’i Jehovah. Tsy maintsy hoe nahatonga an-dry zareo hanetry tena ny zavatra hitany. Mety hoe taitra be koa ry zareo, dia tsy hitany intsony izay natao. (Isaia 6:1-5; Dan. 10:8, 9; Apok. 1:12-17) Lasa nampahery be an-dry zareo anefa ilay zavatra nasehon’i Jehovah azy. Azo antoka hoe izany mihitsy no tsapan’i Ezekiela. Ary ianao? Mampahery be anao koa ve ny mamaky tantara hoatr’izany ao amin’ny Baiboly?

26. Fa nagnino ro tsy maintsy nampahery i Ezekiela i fahitagney?

26 Raha nanahy momba ny vahoakan’i Jehovah tany Babylona i Ezekiela, dia tsy maintsy hoe nampahery be azy ilay fahitana. Nanome toky azy mantsy ilay izy hoe vitan’i Jehovah foana ny mikarakara ny vahoakany tsy mivadika na tany Jerosalema ry zareo na tany Babylona na tany an-toeran-kafa. Tsy nisy tsy tongan’ilay kalesy izay toerana nisy an-dry zareo! I Jehovah no mifehy an’io fandaminana any an-danitra io, dia tsy hahavita hanohitra azy mihitsy raha izay fitondrana eo ambany fahefan’i Satana. (Vakio ny Salamo 118:6.) Hitan’i Ezekiela koa hoe tsy lavitra ny olombelona ilay kalesy any an-danitra, satria nikasika tamin’ny tany mihitsy ny kodiarany. (Ezek. 1:19) Hita avy amin’izany fa tsy hoe tsy niraharaha ny mpanompony tsy nivadika tany an-tsesitany i Jehovah fa tena nijery an-dry zareo. Na dia tany amin’ny toerana lavitra be aza ry zareo, dia tsy hoe lavitra loatra an’ilay Rainy. Teo foana izy tia sy nikarakara an-dry zareo!

Ino ty Ianarantikagne Boake amy i Sareten-tsovalay?

27. Ino ty lesogne azontikagne rambesegne boake amy i fahitagne nitrea i Ezekielay?

27 Misy lesona azontsika raisina avy amin’ilay fahitan’i Ezekiela ve? Izany mihitsy! Tadidio fa vao mainka mihamafy ny fanafihan’i Satana ny fivavahana madio. Te handresy lahatra antsika izy hoe irery isika fa tsy misy namana, ary lavitra be an’ilay Raintsika sy ny fandaminany. Aza avela hanimba ny sainao na hahakivy ny fonao mihitsy izany lainga izany! (Sal. 139:7-12) Be dia be ny antony tokony hahatalanjona antsika, hoatran’i Ezekiela. Tsy voatery hiankohoka amin’ny tany isika, nefa tena tokony hampitolagaga antsika ny mombamomba ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’i Jehovah. Mampiaiky antsika izy io satria mahery sy be voninahitra, mandeha haingana be, ary manao zavatra mifanaraka amin’izay fiovana mitranga, na inona izany na inona.

28, 29. Ino ty mampiseho fa nandroso avao i sareten-tsovala i Jehovah-y tagnate ty zato taogne lasa?

28 Tadidio fa misy koa ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminan’i Jehovah. Marina fa tsy lavorary ny olona anisan’izy io. Eritrereto anefa ange ny zavatra vitan’i Jehovah eto an-tany e! Olona no nampiasainy nefa nahavita zavatra miavaka be ry zareo maneran-tany. Tsy ho vitan-dry zareo mihitsy izany raha tsy nanampy i Jehovah. (Jaona 14:12) Mampahatsiahy antsika, ohatra, ilay boky hoe Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra! fa nandroso be ny asa fitoriana tao anatin’ny zato taona lasa. Hitantsika ao koa hoe nahavita zavatra miavaka ny fandaminan’i Jehovah mba hampiofanana antsika sy hahazoana ny rariny teny amin’ny fitsarana. Resahina ao koa hoe mampiaiky ny fomba nampiasan’ny fandaminana ny teknolojia nivoaka farany mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.

29 Be dia be ny zavatra natao mba hamerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio, amin’izao farany efa akaiky izao. Rehefa mandinika an’izany isika, dia vao mainka miaiky hoe mandroso foana ny kalesin’i Jehovah. Tena sambatra isika hoe anisan’io fandaminana io sy manompo Mpanjaka miavaka hoatran’i Jehovah!​—Sal. 84:10.

Mandroso foana ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminan’i Jehovah (Fehintsoratra 28, 29)

30. Ino ty raha hodinehentikagne amy ty toko magnarake?

30 Tsy izay ihany no ianarantsika avy amin’ilay fahitan’i Ezekiela. Ho hitantsika ao amin’ny toko manaraka hoe inona no azontsika ianarana momba an’i Jehovah, ilay Mpanjakantsika be voninahitra, rehefa mandinika an’ireo “zavamananaina” hafakely na kerobima isika.

a Metaly manjelatra no noresahin’i Ezekiela, izany hoe volamena sy volafotsy mifangaro sady manjelatra.

b Io no halaviran’ilay izy raha manitsy eo amin’ny Tany Efitr’i Arabia. Tsy nanitsy tany anefa ny Israelita natao sesitany, ka efa ho indroan’io ny lalana vitan-dry zareo.