Hagnente ty agnate’ao

Hizilike amy ty lohahevetse

TOKO 7

‘Tsy Maintsy Ho Fanta’e Fa Izaho Ro Jehovah’

‘Tsy Maintsy Ho Fanta’e Fa Izaho Ro Jehovah’

EZEKIELA 25:17

HEVETSE HODINEHEGNE: Ty Lesogne rambesentika boake amy ty fifandrambesa o Israelitao amo o firenena nanohetse i Jehovah-o

1, 2. a) Nagnino tika ro mirehake fa manahake ty agnondry raike hodidigne ty amboadala o Israelitao? (Henteo i sare am-panomboha ty toko toỳ.) b) Ino ty natao o Israelitao naho ty mpanjaka’e?

 HOATRAN’NY ondry iray voahodidina amboadia ny firenen’Israely nandritra ny an-jatony taona. Nandrahona hanafika ny Israely avy tany amin’ny sisin-taniny tany atsinanana ny Amonita sy ny Moabita ary ny Edomita. Tany andrefana indray no nisy ny Filistinina, izay fahavalon’ny Israely efa ela. Tany avaratra kosa no nisy an’i Tyro, tanàna nanan-karena sy natanjaka ary anisan’ny foiben’ny varotra tamin’izany. Ary ny tany atsimo? Tany no nisy an’i Ejipta. Natao hoatran’ny andriamanitra mihitsy ny mpanjaka tao, izany hoe ny Farao.

2 Rehefa niantehitra tamin’i Jehovah ny Israelita, dia narovany tamin’ny fahavalony. Imbetsaka anefa ry zareo sy ny mpanjakany no nanao ratsy hoatran’ny firenena nanodidina azy. Voatarika hivadika tamin’i Jehovah, ohatra, i Ahaba Mpanjaka. Mpanjakan’ny foko folon’ny Israely izy, ary i Josafata no mpanjakan’ny Joda tamin’izany. I Jezebela zanakavavin’ny mpanjakan’ny Sidonianina no nalain’i Ahaba ho vady, izany hoe ilay mpanjaka nifehy an’i Tyro. Notaomin’i Jezebela hanao zavatra ratsy be ny vadiny. Nafana fo be koa izy nitarika ny Israelita hivavaka tamin’i Bala. Mbola tsy voaloto hoatr’izany ny fivavahana madio hatramin’izay!​—1 Mpanj. 16:30-33; 18:4, 19.

3, 4. a) Ia ka zao ty nirehafe i Ezekiela? b) Ino iaby ty fagnonteneagne hodinehentikagne?

3 Efa nampitandrina ny vahoakany i Jehovah hoe inona no ho vokany raha mivadika aminy ry zareo. Tsy afaka ny hanam-paharetana intsony izy! (Jer. 21:7, 10; Ezek. 5:7-9) Niverina fanintelony tany amin’ny Tany Nampanantenaina ny tafika babylonianina tamin’ny 609 T.K. Efa ho folo taona lasa ry zareo tamin’izay no nanafika tany farany. Noravan-dry zareo ny mandan’i Jerosalema tamin’ity indray mandeha ity, ary nataony ripaka izay nikomy tamin’i Nebokadnezara. Nanomboka nanao fahirano an’ilay tanàna ry zareo, dia tanteraka tamin’ny an-tsipiriany ny zavatra ratsy be nolazain’i Ezekiela hoe hanjo ny Israelita. Niresaka momba ny firenena nanodidina ny Tany Nampanantenaina indray ilay mpaminany nanomboka teo.

Tsy maintsy hizaka ny vokatry ny nataony ireo firenena nanohitra an’i Jehovah

4 Nilaza tamin’i Ezekiela i Jehovah hoe ho faly ny fahavalon’i Joda rehefa rava i Jerosalema, ary hampijalin-dry zareo izay tafavoaka velona. Tsy maintsy hizaka ny vokatry ny nataony anefa ireo firenena nanohitra an’i Jehovah sy nanenjika ny vahoakany na nitaona an-dry zareo hanao ratsy. Inona no ianarantsika avy amin’ny fifandraisan’ny Israelita tamin’izy ireo? Ary nahoana isika no lasa manana fanantenana rehefa mieritreritra ny faminanian’i Ezekiela momba azy ireo?

Firenena Longo o Israelitao Faie Tsy Nidare Iareo

5, 6. Mpifagnino o Amonitao naho o Israelitao? Hazavao.

5 Azo lazaina hoe havan’ny Israelita akaiky ny Amonita sy ny Moabita ary ny Edomita. Efa niara-nipetraka mihitsy aza ny razamben-dry zareo taloha. Na teo aza anefa izany, dia efa ela ireo firenena ireo no nankahala sady nanao tsinontsinona ny vahoakan’Andriamanitra.​—Ezek. 25:6.

6 Ny Amonita. Niteraka tamin’ny faravaviny i Lota, zana-drahalahin’i Abrahama, dia taranak’io zanany io ny Amonita. (Gen. 19:38) Nitovy be tamin’ny teny hebreo ny fitenin-dry zareo, dia azo inoana hoe nahazo tsara an’ilay izy ny vahoakan’Andriamanitra. Noho ry zareo mpihavana, dia tsy navelan’i Jehovah hila ady tamin’ny Amonita ny Israelita. (Deot. 2:19) Nanaiky hampijaly ny Israely niaraka tamin’i Eglona mpanjakan’ny Moabita kosa anefa ny Amonita, tamin’ny andron’ny Mpitsara. (Mpits. 3:12-15, 27-30) Rehefa lasa mpanjaka koa i Saoly tatỳ aoriana, dia nanafika ny Israely ry zareo. (1 Sam. 11:1-4) Mbola niaraka tamin’ny tafika moabita indray ry zareo tamin’ny andron’i Josafata Mpanjaka, dia nanafika ny Tany Nampanantenaina.​—2 Tan. 20:1, 2.

7. Ino ty natao o Moabitao tamo o Israelitao ndra tie mpilongo aza iareo?

7 Ny Moabita. Taranak’i Lota koa izy ireo fa avy tamin’ny vavimatoany. (Gen. 19:36, 37) Nilaza tamin’ny Israelita i Jehovah hoe tsy tokony hiady amin’ny Moabita ry zareo. (Deot. 2:9) Ratsy fanahy tamin’ireo havany ireo anefa ny Moabita. Rehefa niala tany Ejipta, ohatra, ny Israelita mba handositra ny fanandevozana tany, dia tsy mba nanampy azy ny Moabita fa vao mainka nanandrana nisakana an-dry zareo tsy hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Nanakarama an’i Balama mba hanozona ny Israelita i Balaka mpanjakan’ny Moabita tamin’izay. Natoron’i Balama an’i Balaka koa hoe ahoana no hitaomana ny lehilahy israelita mba haloto fitondran-tena sy hanompo sampy. (Nom. 22:1-8; 25:1-9; Apok. 2:14) Nampijaly ny Israelita foana ny Moabita nandritra ny taonjato maro, ary nitohy hatramin’ny andron’i Ezekiela izany.​—2 Mpanj. 24:1, 2.

8. Nagnino ty Jehovah ro nisaontsy tie rahalahy o Israelitao o Edomitao, faie ino ty natao o Edomitao?

8 Ny Edomita. Taranak’i Esao, kambana tamin’i Jakoba, ny Edomita. Tena mpihavana akaiky ny Israelita sy ny Edomita ka nilaza i Jehovah hoe mpirahalahy ry zareo. (Deot. 2:1-5; 23:7, 8) Nanohitra ny Israely foana anefa ny Edomita, nanomboka tamin-dry zareo niala tany Ejipta ka hatramin’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. (Nom. 20:14, 18; Ezek. 25:12) Faly ry zareo rehefa nampijalin’ny Babylonianina ny Israelita, ary nampirisihiny handrava an’i Jerosalema mihitsy aza ireo fahavalo ireo. Tsy vitan’izay fa nosakanany izay Israelita nitsoaka, dia natolony teo am-pelatanan’ny fahavalony.​—Sal. 137:7; Obad. 11, 14.

9, 10. a) Ino ty nanjò o Amonitao naho Moabitao vaho Edomitao? b) Ino ty magnaporofo tie tsy ze ndaty iaby tamo o firenena rehoe ro nalaigne o Israelitao?

9 Tsy navelan’i Jehovah ho afa-maina ireo firenena havan’ny Israelita ireo, satria nampijaly ny vahoakany. Nilaza izy hoe: ‘Homeko ho an’ny Tatsinanana ny Amonita. Dia tsy hotsaroana intsony any amin’ireo firenena izy ireo. Ary hampihatra didim-pitsarana any Moaba aho, ka tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.’ (Ezek. 25:10, 11) Nanomboka tanteraka ireo faminaniana ireo rehefa resin’ny Babylonianina ny Amonita sy ny Moabita, dimy taona teo ho eo taorian’ny nandravana an’i Jerosalema. Nilaza koa i Jehovah fa ‘horinganiny ny olona sy ny biby fiompy’ ao Edoma, ary ‘hataony lasa tsy misy mponina izy.’ (Ezek. 25:13) Tsy misy intsony izao i Amona sy Moaba ary Edoma, araka ny efa nolazain’i Jehovah.​—Jer. 9:25, 26; 48:42; 49:17, 18.

10 Tsy ny olona rehetra tao amin’ireo firenena ireo anefa no nankahala ny vahoakan’Andriamanitra. Anisan’ny miaramila matanjak’i Davida Mpanjaka, ohatra, i Zaleka Amonita sy Jitma Moabita. (1 Tan. 11:26, 39, 46; 12:1) Lasa nanompo an’i Jehovah koa i Rota Moabita, ary tsy nivadika taminy mihitsy.​—Rota 1:4, 16, 17.

Aza manaiky hanao zavatra tsy mety na dia indray mandeha fotsiny aza

11. Ino ty ianarantikagne boake amy ty fifandrambesa o Israelitao amy ty Amonita naho ty Moabita vaho ty Edomita?

11 Inona no lesona ianarantsika avy amin’ny fifandraisan’ny Israelita tamin’ireo firenena ireo? Rehefa tsy nitandrina ny Israelita dia lasa nanahaka ny firenena havany ka nanao fombafomba mifandray amin’ny fivavahan-diso. Nanompo an’i Balan’i Peora andriamanitry ny Moabita sy Moleka andriamanitry ny Amonita, ohatra, ry zareo. (Nom. 25:1-3; 1 Mpanj. 11:7) Mety hitaona antsika hanao zavatra tsy mety koa ny havantsika tsy Vavolombelona. Mety tsy ho azon’ny havantsika, ohatra, hoe maninona isika no tsy manao Paka, tsy mifanolotra fanomezana rehefa Krismasy, ary tsy mandray anjara amin’ny fombafomba be mpitia izay misy ifandraisany amin’ny fivavahan-diso. Indraindray ry zareo tsy ratsy saina fa mety hoe te hanampy antsika, dia mampirisika antsika tsy hankatò an’i Jehovah na indray mandeha fotsiny aza. Tsy tokony hanaiky mihitsy anefa isika! Hitantsika amin’ny tantaran’ny Israelita hoe na indray mandeha fotsiny aza isika no manaiky hanao zavatra tsy mety, dia ho simba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah.

12, 13. Ia ty va’e hanohetse antika? Le ino ty raha va’e hiseho naho tsy mivalike tikagne?

12 Inona koa no ianarantsika avy amin’ny fifandraisan’ny Israelita tamin’ny Amonita sy ny Moabita ary ny Edomita? Mety hanenjika mafy antsika ny havantsika tsy Vavolombelona. Efa nampitandrina i Jesosy hoe “hampisaraka ny zanakalahy sy ny rainy” sy “ny zanakavavy sy ny reniny” ny hafatra torintsika indraindray. (Mat. 10:35, 36) Tadidio fa nandidy ny Israelita i Jehovah mba tsy hila ady amin’ny firenena havany. Tsy manao an’izany amin’ny havantsika tsy Vavolombelona koa isika. Tsy tokony ho gaga anefa isika raha manohitra antsika ry zareo.​—2 Tim. 3:12.

13 Mety tsy hisakana antsika tsy hanompo an’i Jehovah ny havantsika. Ahoana anefa raha ny tenin-dry zareo no ekentsika kokoa noho ny tenin’i Jehovah? Tsy tokony havelantsika hitranga mihitsy izany satria i Jehovah no tokony ho tiantsika voalohany indrindra. (Vakio ny Matio 10:37.) Raha tsy mivadika amin’i Jehovah koa isika, dia mety hisy havantsika hanaraka ny fivavahana madio miaraka amintsika, hoatran’i Zaleka sy Jitma ary Rota. (1 Tim. 4:16) Ho faly ry zareo amin’izay satria manompo an’ilay tena Andriamanitra sady tiany sy arovany.

Namoia i Jehovah ty Helo’e o Fahavalo’e reo Naho fa Nisazea’e

14, 15. Ino ty natao o Filistinao tamo o Israelitao?

14 Ny Filistinina. Avy any amin’ny nosin’i Kreta ny Filistinina no nifindra tao Kanana. Nampanantena i Jehovah tatỳ aoriana hoe homeny an’i Abrahama sy ny taranany io tany io. Samy nifandray tamin’ny Filistinina na i Abrahama na i Isaka. (Gen. 21:29-32; 26:1) Rehefa tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita, dia efa lasa firenena matanjaka sy nanana tafika lehibe ny Filistinina. Nivavaka tamin’ny andriamani-diso ry zareo, anisan’izany i Bala-zeboba sy Dagona. (1 Sam. 5:1-4; 2 Mpanj. 1:2, 3) Nisy fotoana koa ny Israelita nanompo an’ireny andriamanitra ireny.​—Mpits. 10:6.

15 Nivadika tamin’i Jehovah ny Israelita, dia navelany hanjakazaka tamin-dry zareo ny Filistinina nandritra ny taona maro. (Mpits. 10:7, 8; Ezek. 25:15) Nanao lalàna nampijaly ny vahoakan’Israely ny Filistinina a ary namono Israelita be dia be. (1 Sam. 4:10) Novonjen’i Jehovah anefa ny vahoakany rehefa nibebaka sy niverina taminy. Nampiasa olona izy mba hanafaka an-dry zareo, ohatra hoe i Samsona sy Saoly ary Davida. (Mpits. 13:5, 24; 1 Sam. 9:15-17; 18:6, 7) Notafihin’ny Babylonianina sy ny Grika ny Filistinina tatỳ aoriana, dia tanteraka ny tenin’i Ezekiela hoe ‘hanamparan’i Jehovah ny hatezerany izy ireo rehefa faiziny.’​—Ezek. 25:15-17.

16, 17. Ino ty ianarantikagne boake amy ty natao o Filistinao tamo o Israelitao?

16 Inona no lesona ianarantsika avy amin’ny nataon’ny Filistinina tamin’ny Israelita? Tatỳ aoriana, dia nanohitra ny vahoakan’i Jehovah koa ny sasany tamin’ireo firenena natanjaka indrindra hatramin’izay. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy anefa ny vahoakany, tsy hoatran’ny Israelita. Na izany aza, dia hoatran’ny hoe mandresy ny fahavalon’ny fivavahana madio indraindray. Nanandrana nanajanona ny asan’ny vahoakan’i Jehovah, ohatra, ny fitondrana tany Etazonia tamin’ny 1918, ka nomelohiny higadra nandritra ny 20 taona latsaka ny rahalahy nitarika ny fandaminana tamin’izany. Nieritreritra hanafoana ny vahoakan’Andriamanitra koa ny antoko nazia tany Alemaina, tamin’ny Ady Lehibe II. An’arivony no nampidirin-dry zareo am-ponja ary an-jatony no novonoiny ho faty. Nampijaly ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny Firaisana Sovietika taorian’io ady io. Nalefany tany amin’ny toby fanaovana asa an-terivozona ny rahalahintsika na nataony sesitany tany amin’ny faritra mitokana be.

17 Mety mbola handrara ny asa fitoriana sy hanagadra ny mpanompon’i Jehovah ny fitondrana sasany, ary mety hisy amintsika aza hovonoiny mihitsy. Tokony hatahotra ve isika na hoe tsy hanam-pinoana intsony? Tsy izany mihitsy! Tsy maintsy hiaro ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah. (Vakio ny Matio 10:28-31.) Tadidio fa nisy fitondrana natanjaka be nanohitra antsika nefa tsy misy intsony ry zareo amin’izao. Ny vahoakan’i Jehovah anefa vao mainka mitombo foana! Kely sisa dia tsy maintsy hiaiky hoatran’ny Filistinina ny fitondran’olombelona rehetra hoe tena mahery i Jehovah. Tsy hisy intsony koa ry zareo, hoatran’ny Filistinina ihany!

Tsy Nahavita Niaro Iareo o ‘Harena Iareo Lakò’

18. Nagnino tika ro mirehake tie i Tyro ty foibey ty varotse tamy izay?

18 Tyro. Anisan’ny foiben’ny varotra i Tyro b taloha. Betsaka ny lalana fivezivezen’ny sambo mpitatitra entam-barotra teo amin’ny Ranomasina Mediterane, teo andrefan’i Tyro. Tany atsinanana indray dia be dia be ny lalana an-tanety fivezivezen’ny mpivarotra, ary tonga hatrany amin’ny fanjakana lavitra be izy ireny. Nahatonga entana be dia be avy tany amin’ny faritra isan-karazany i Tyro nandritra ny taonjato maro, dia nitombo be ny harenany. Lasa nanan-karena be ny mpivarotra sy ny mpandraharaha tao, dia nanambony tena ka nihevitra ny tenany ho andriana.​—Isaia 23:8.

19, 20. Ino ty tsy nampitovy ty ndaty ta Tyro tao amy ty ndaty ta Gibeona tao?

19 Nifampiraharaha tamin’ny olona tao Tyro ny Israelita tamin’ny andron’i Davida sy Solomona mpanjaka. Nandefa fitaovana sy mpanao asa tanana ry zareo, mba hanampiana ny Israelita hanorina ny lapan’i Davida sy ny tempolin’i Solomona. (2 Tan. 2:1, 3, 7-16) Tsy nivadika tamin’i Jehovah ny Israelita tamin’izany, dia notahiny. (1 Mpanj. 3:10-12; 10:4-9) Afaka nianatra momba ny fivavahana madio àry ny olona be dia be tao Tyro, dia ho nahafantatra azy sy nanompo azy ka nahita fa mahasoa ny manompo an’ilay tena Andriamanitra.

20 Tsy nanararaotra an’izany tombontsoa izany anefa ny olona tao Tyro. Variana tamin’ny vola sy harena ry zareo sady tsy vonona hiova. Tsy mba nanahaka ny Kananita tao amin’ilay tanàna natanjaka nantsoina hoe Gibeona ry zareo. Vao naheno momba ny zavatra miavaka nataon’i Jehovah ireo Kananita ireo, dia tapa-kevitra hoe hanompo azy. (Jos. 9:2, 3, 22–10:2) Ny olona tao Tyro kosa lasa nanohitra ny vahoakan’Andriamanitra. Namidin-dry zareo ho andevo mihitsy aza ny Israelita sasany.​—Sal. 83:2, 7; Joela 3:4, 6; Amosa 1:9.

Tsy tokony hieritreritra mihitsy isika hoe hahavita hiaro antsika ny harena

21, 22. Ino ty nanjò i Tyro, le ino ty anto’e?

21 Nilaza tamin’ireo mpanohitra ireo tamin’ny alalan’i Ezekiela i Jehovah hoe: “Homelohiko ianao, ry Tyro, ka hisy firenena be dia be hoentiko hanafika anao, hoatran’ireny onjan-dranomasina miakatra ireny. Horavan’izy ireo ny mandan’i Tyro, ary harodany ny tilikambony. Hokaofiko ny vovoka ao, dia hataoko lasa vatolampy mangirana sy mangadihady izy.” (Ezek. 26:1-5) Nieritreritra ny olona tao Tyro hoe hahavita hiaro azy ny harenany, hoatran’ilay manda 46 metatra niaro ny nosin’i Tyro. Izay mihitsy anefa ilay efa nampitandreman’i Solomona hoe: “Amin’ny mpanankarena dia toy ny tanàna voaro mafy ny harenany. Heveriny hoe manda fiarovana izany.”​—Ohab. 18:11.

22 Rehefa nanatanteraka ny faminanian’i Ezekiela ny Babylonianina sy ny Grika, dia hitan’ny olona tao Tyro hoe diso hevitra ry zareo satria tsy niaro azy akory ny harenany sy ny mandany. Tonga hanafika an’i Tyro ny Babylonianina rehefa avy nandrava an’i Jerosalema, dia resy ilay tanàna rehefa avy natao fahirano nandritra ny 13 taona. (Ezek. 29:17, 18) Tonga indray i Aleksandra Lehibe tamin’ny 332 T.K. dia nanatanteraka ampahany miavaka tamin’ny faminanian’i Ezekiela. c Nankao amin’ilay tanàna amoron-tsirak’i Tyro aloha ny tafik’i Aleksandra, dia nangoniny daholo ny sisa tavela tamin’ilay tanàna. Natsipiny tany anaty rano ny vato sy ny hazo ary ny vovoka, dia nanamboarany lalana nankany amin’ilay nosy. (Ezek. 26:4, 12) Nogorobahan’i Aleksandra ny mandan’ilay nosy dia norobainy ny harena tao. Miaramila sy olon-tsotra an’arivony no novonoiny ary an’aliny no namidiny ho andevo. Tonga saina ny olona tao Tyro hoe tsy nahavita niaro azy ny ‘harenany be dia be.’ (Ezek. 27:33, 34) Efa voa ry zareo vao niaiky hoe tena mahery i Jehovah!

Na dia hoatran’ny hoe voaro tsara aza i Tyro dia rava ihany, araka ny efa nolazain’i Ezekiela (Fehintsoratra  22)

23. Ino ty azontikagne ianaragne boake amy ty ndaty ta Tyro tao?

23 Inona no lesona ianarantsika avy amin’ny olona tao Tyro? Tsy tokony hanaiky ho voafitaky ny harena mihitsy isika ka hieritreritra hoe hahavita hiaro antsika izany, hoatran’ny manda miaro ny tanàna iray. (Mat. 13:22) “Tsy mahavita manompo an’Andriamanitra sy ny Harena” mantsy isika. (Vakio ny Matio 6:24.) Izay manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo ihany no tena ho voaro. (Mat. 6:31-33; Jaona 10:27-29) Azo antoka fa ho tanteraka amin’ny an-tsipiriany hoatran’ny faminaniana momba an’i Tyro koa ny faminaniana momba ny faran’izao tontolo izao. Tsy maintsy hiaiky ny olona matoky harena amin’izay fotoana izay hoe tena mahery i Jehovah. Horavany mantsy ny tontolon’ny varotra, izay mahatonga ny olona ho tsy mety afa-po sy tsy hieritreritra afa-tsy ny tenany.

Hoe ‘Hindim-bare Raike’ o Fitondràn’olombelogneo

24-26. a) Nagnino ty Ejipta ro natao i Jehovah tihoe “hindim-bare raike”? b) Nagnino ro azo rehafegne tie tsy nidare ty tari-dala i Jehovah ty Zedekia Mpanjaka, le ino ty nivoka’e?

24 Ejipta. Nanomboka tamin’ny andron’i Josefa ka hatramin’ny fotoana nanafihan’ny Babylonianina an’i Jerosalema, dia nanana fahefana lehibe teo amin’ny faritra nisy ny Tany Nampanantenaina i Ejipta. Efa nisy efa ela be i Ejipta, dia hoatran’ny tsy ho rava mihitsy, mitovy amin’ny hazo naniry efa ela be. Tsy misy dikany anefa ny heriny raha oharina amin’ny an’i Jehovah. Nalemy hoatran’ny “singana mololo” izy.​—Ezek. 29:6.

25 Tsy niaiky i Zedekia mpanjaka nivadi-pinoana hoe nalemy hoatr’izany i Ejipta. Nisy fotoana i Jehovah naniraka an’i Jeremia mpaminany mba hampirisika an’i Zedekia hanaiky hanompo ny mpanjakan’i Babylona. (Jer. 27:12) Nivoady tamin’ny anaran’i Jehovah mihitsy i Zedekia tamin’izay hoe tsy hikomy amin’i Nebokadnezara izy. Tsy niraharaha ny tari-dalan’i Jehovah sy ilay voady nataony tamin’i Nebokadnezara anefa izy tatỳ aoriana, ary lasa nitady fanampiana tamin’i Ejipta rehefa hiady tamin’ny Babylonianina. (2 Tan. 36:13; Ezek. 17:12-20) Nampijaly tena fotsiny anefa ny Israelita rehefa niantehitra tamin’ny herin’i Ejipta. (Ezek. 29:7) Marina fa matanjaka be hoatran’ny “biby ngezabe any an-dranomasina” no fahitana an’i Ejipta. (Ezek. 29:3, 4) Nilaza anefa i Jehovah hoe hoatran’ny ataon’ny mpihaza voay ao amin’ny Reniranon’i Neily no hataony amin’i Ejipta. Hasiany faraingo ny valanoranony dia hosintoniny amin’iny izy ka horinganiny. Nitranga izany rehefa nirahiny hanafika an’i Ejipta ny Babylonianina ka nandresy azy.​—Ezek. 29:9-12, 19.

26 Ary ahoana no niafaran’i Zedekia? Satria nikomy io ‘mpiadidy ratsy fanahy’ io, dia nilaza i Ezekiela fa hesorina aminy ny satroboninahiny ary horavana ny fitondrany. Nanome fanantenana koa anefa ny zavatra notenenin’i Ezekiela. (Ezek. 21:25-27) Nasain’i Jehovah naminany izy hoe hisy mpanjaka hafa avy amin’ny taranak’i Davida handimby an’i Zedekia, ary “manana zo ara-dalàna” hahazo ny seza fiandrianana io mpanjaka io. Ho hitantsika ao amin’ny toko manaraka hoe iza izy io.

27. Ino ty azontikagne ianaragne boake amy ty fifandrambesa o Israelitao tamy i Ejipta?

27 Inona no lesona ianarantsika avy amin’ny fifandraisan’ny Israelita tamin’i Ejipta? Tsy tokony hatoky ny fitondram-panjakan’olombelona isika vahoakan’i Jehovah, na hieritreritra hoe afaka miaro antsika mandrakizay izy ireny. Tsy tokony ho “anisan’izao tontolo izao” isika, na dia any an-tsaina aza. (Jaona 15:19; Jak. 4:4) Hoatran’ny hoe matanjaka no fahitana an’ireny fitondram-panjakana ireny, nefa malemy hoatran’ny singana mololo ihany izy ireny, tsy misy hafa amin’i Ejipta. Tena tsy mitsinjo lavitra izay olona matoky olombelona mety maty, fa tsy matoky an’ilay Mahery Indrindra sady Mpanjakan’izao Rehetra Izao!​—Vakio ny Salamo 146:3-6.

Tsy tokony hiandany amin’iza na iza isika amin’ny resaka politika, na dia rehefa tsy misy mahita aza (Fehintsoratra 27)

Tsy Maintsy ho Fanta’e fa Izaho ro Jehovah’

28-30. Hazavao ty tsy mampitovy tihoe ‘tsy maintsy hahafantatse’ i Jehovah o firenenao amy tihoe mahafantatse i Jehovah tika?

28 Ao amin’ny bokin’i Ezekiela, dia imbetsaka i Jehovah no nilaza momba an’ireo firenena hoe: “Tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.” (Ezek. 25:17) Tanteraka ny teniny rehefa nampihatra ny didim-pitsarany tamin’ny fahavalon’ny vahoakany izy. Mbola ho tanteraka amin’ny fomba miavaka kokoa anefa izany amin’izao andro izao. Amin’ny fomba ahoana?

29 Hoatran’ny tamin’ny andron’ny vahoakan’i Jehovah taloha ihany, dia mieritreritra ny firenena manodidina antsika hoe hoatran’ny ondry iray tsy misy mpiaro isika. (Ezek. 38:10-13) Horesahina ao amin’ny Toko faha-17 sy faha-18 fa kely sisa dia hanafika ny vahoakan’Andriamanitra ireo firenena, ary tsy hiantra sady hampijalijaly an-dry zareo. Horinganin’i Jehovah anefa ry zareo amin’ny ady Aramagedona. Tsy maintsy ho fantany amin’izay hoe i Jehovah no tena mahery ary tsy maintsy hiaiky ry zareo hoe izy no manana zo hitondra.​—Apok. 16:16; 19:17-21.

30 Isika kosa anefa harovan’i Jehovah sady hotahiny. Fa maninona? Satria dieny izao isika dia efa manaporofo hoe mahafantatra azy, izany hoe matoky azy sy mankatò azy ary manaraka ny fivavahana madio.​—Vakio ny Ezekiela 28:26.

a Tsy navelan’ny Filistinina hanao ny asan’ny mpanefy, ohatra, ny Israelita, dia tsy maintsy nankany aminy rehefa handranitra fitaovana fampiasa amin’ny fambolena sy fiompiana. Karaman’olona iray ao anatin’ny andro maromaro no notakin’ny Filistinina ho saran’ilay asa.​—1 Sam. 13:19-22.

b Toa teo ambonina vatolampy tsy lavitra ny morontsiraka no naorina ny tanànan’i Tyro tamin’ny voalohany, izany hoe 50 kilaometatra teo ho eo tany avaratry ny Tendrombohitra Karmela. Nisy tanàna hafa naorina teny amoron-tsiraka tatỳ aoriana mba hanitarana ny tanànan’i Tyro. Sour no anaran’i Tyro amin’ny fiteny hebreo, ary midika hoe “Vatolampy” izany.

c Naminany momba ny loza hanjo an’i Tyro koa i Isaia, Jeremia, Joela, Amosa, ary Zakaria. Tanteraka tamin’ny an-tsipiriany ireny faminaniana ireny.​—Isaia 23:1-8; Jer. 25:15, 22, 27; Joela 3:4; Amosa 1:10; Zak. 9:3, 4.