Hizaha raha an̈atiny

Handeha amy tany misy hevitry maventy

TOKO 16

“Asiava Lamariky Amy Laharanolo”

“Asiava Lamariky Amy Laharanolo”

EZEKIELA 9:4

HEVITRY HIDINIHIN̈Y: Ino dikany lamariky natao taminolo taminy andrany Ezekiela? Avio ino dikany fahitan̈a io aminandrantsika zioty?

1-3. a) Ino raha nanafintohin̈y mare Ezekiela, baka io ino raha nanjary hainy momba fandravan̈ana Jerosalema? b) Ino aby fanontanian̈a hidinihintsika?

 TAFINTOHINA be i Ezekiela! Vao avy nahazo fahitana izy, dia hitany hoe nanao zavatra maharikoriko tao amin’ny tempolin’i Jerosalema ny Jiosy nivadi-pinoana. a Ny foiben’ny fivavahana madio tany Israely mihitsy no nolotoin’ireo mpikomy ireo. Tsy ny tempoly ihany anefa no voaloto, fa lasa feno herisetra koa ny tanin’i Joda manontolo ary tsy nisy fanantenana intsony ny aminy. Tezitra be tamin’ny nataon’ilay vahoaka nofidiny i Jehovah, dia niteny tamin’i Ezekiela hoe: “Hanampatra ny hatezerako aho.”​—Ezek. 8:17, 18.

2 Nalahelo be i Ezekiela rehefa nahafantatra hoe hanampatra ny hatezerany i Jehovah, ka ho rava i Jerosalema sy ilay tempoly masina taloha. Mety ho nieritreritra izy hoe: ‘Dia ahoana izao ny olona tsy mivadika ao Jerosalema? Ho voavonjy ve ry zareo? Dia raha ho voavonjy dia amin’ny fomba ahoana?’ Tsy nila niandry ela i Ezekiela dia nahazo valiny. Vao avy naheno an’ilay didim-pitsarana henjana hihatra amin’i Jerosalema izy, dia naheno feo mafy niantso an’ireo notendren’i Jehovah hampihatra an’ilay didim-pitsarana. (Ezek. 9:1) Rehefa nitohy ilay fahitana, dia lasa fantatr’i Ezekiela hoe tsy ny olona rehetra no ho faty rehefa horavana ilay tanàna. Ho tafavoaka velona izay tsy mivadika amin’i Jehovah! Azo antoka fa maivamaivana erỳ izy rehefa nahafantatra an’izany.

3 Efa horavana koa ity tontolo ratsy ity, ka mety ho lasa saina isika hoe iza no ho tafavoaka velona. Mba hahafantarantsika an’izany, dia hovaliantsika ireto fanontaniana ireto: 1) Inona no hitan’i Ezekiela tao amin’ny tohin’ilay fahitana? 2) Ahoana no nahatanterahan’ilay izy tamin’ny androny? 3) Inona no dikan’io fahitana io amin’ny androntsika?

“Kahia iro han̈asazy tanàna io”

4. Ino raha hitany Ezekiela ndreky ren̈iny tamy tohiny fahitan̈a in̈y?

4 Inona no hitan’i Ezekiela sy henony tao amin’ny tohin’ilay fahitana? (Vakio ny Ezekiela 9:1-11.) Nisy lehilahy fito tonga “avy tany amin’ilay vavahady ambony manandrify ny avaratra.” Nandalo teny akaikin’ilay sampy mahatonga an’Andriamanitra ho saro-piaro angamba ry zareo, na teny amin’ny toerana nisy an’ireo vehivavy nitomany an’ilay andriamanitra atao hoe Tamoza. (Ezek. 8:3, 14) Niditra tao amin’ny tokotany anatin’ilay tempoly ireo lehilahy ireo, dia nijoro teo akaikin’ilay alitara varahina fanaovana sorona. Tsy hoe hanao sorona anefa ry zareo, satria efa tsy nanaiky an’izay sorona natao tao amin’io tempoly io intsony i Jehovah. “Samy nitondra ny fitaovam-piadiany famotipotehana” ny enina tamin’ireo lehilahy ireo. Miavaka kosa ilay fahafito satria nanao akanjo rongony izy, ary tsy fitaovam-piadiana no nentiny fa “fitoeran-dranomaintin’ny mpitan-tsoratra.”

5, 6. Ino raha nivolan̈iny tamindro nasian̈a lamariky io? (Zahava sary amy fanombohany toko ty.)

5 Fa inona no hataon’io lehilahy mitondra fitoeran-dranomainty io? Nahazo andraikitra lehibe izy satria nandidy azy i Jehovah hoe: “Mandehana mitety ny tanànan’i Jerosalema, ka asio marika ny handrin’ny olona misento sy mitaraina noho ny zavatra maharikoriko rehetra atao ao.” Tonga dia tsaroan’i Ezekiela angamba tamin’izay ilay didy nomena ny ray aman-dreny israelita tany Ejipta hoe mila asiana ra teo amin’ny tataom-baravaran’ny tranony sy teo amin’ny tolàna. Io marika io no niaro ny lahimatoan-dry zareo mba tsy ho ringana. (Eks. 12:7, 22, 23) Ary ahoana ilay marika tao amin’ny fahitan’i Ezekiela? Tsy hovonoina koa ve izany izay rehetra nasian’ilay lehilahy fahafito an’io marika io rehefa horavana i Jerosalema?

6 Efa hitantsika teo fa izay olona ‘nisento sy nitaraina noho ny zavatra maharikoriko rehetra’ natao tao amin’ilay tanàna no nasiana an’ilay marika. Kivy be ireo olona ireo rehefa nahita hoe nisy nanompo sampy tao amin’ny tempoly. Kivy be koa ry zareo satria feno herisetra i Jerosalema, ary naloto fitondran-tena sy nanao kolikoly ny ankamaroan’ny olona tao. (Ezek. 22:9-12) Azo inoana fa tsy fihetseham-po fotsiny no tsapan’ireo olona ireo, fa nasehony tamin’izay nataony sy nolazainy koa hoe naharikoriko azy ny zava-nitranga tao Jerosalema ary tena tiany ny fivavahana madio. Mendrika ny hovonjena ireo olona ireo, ka hangoraka azy ireo i Jehovah dia tsy hamela azy ireo hovonoina.

7, 8. Akory hataondro lelahy tsiota mitondra fitaovan̈a findesin̈y miady fanorotoroen̈a, lera iro handravan̈a tanàna io? Akory niafarany fahitan̈a io?

7 Nomen’i Jehovah toromarika ireo lehilahy enina mitondra fitaovam-piadiana famotipotehana avy eo hoe mila manaraka an’ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomainty ry zareo, dia hovonoiny daholo ny olona afa-tsy izay misy an’ilay marika eo amin’ny handriny. Nandidy an-dry zareo koa i Jehovah hoe: “Atombohy ao amin’ny toerako masina izany.” (Ezek. 9:6) Taiza àry ry zareo no nasaina nanomboka nandringana? Tao amin’ilay toerana nisongadina indrindra tao Jerosalema, izany hoe tao amin’ny tempoly, izay efa tsy noheverin’i Jehovah ho masina intsony. Ny “anti-panahy teo alohan’ilay trano” no novonoina voalohany, izany hoe ireo anti-panahy 70 nandoro emboka manitra ho an’ny andriamani-diso tao amin’ny tempoly.​—Ezek. 8:11, 12; 9:6.

8 Ahoana no niafaran’ilay fahitana? Henon’i Ezekiela nanao tatitra tany amin’i Jehovah ilay lehilahy nitondra fitoeran-dranomainty hoe: “Efa vitako izay nasainao nataoko.” (Ezek. 9:11) Mety hieritreritra izao isika hoe: ‘Ahoana no niafaran’ny mponina tao Jerosalema? Tena nisy olona tsy nivadika tafavoaka velona ve?’

Akory nampatanteraka fahitan̈a io taminy andrany Ezekiela?

9, 10. Ohatra izio, azovy tafiboaka velon̈o taminy andrany Ezekiela? Avio ino raha mety koran̈iny momba iro olo aby tsy nivadiky io?

9 Vakio ny 2 Tantara 36:17-20. Tanteraka tamin’ny 607 T.K. ny faminanian’i Ezekiela rehefa noravan’ny tafika babylonianina i Jerosalema sy ny tempoliny. Hoatran’ny ‘kaopy teny an-tanan’i Jehovah’ io tafika io satria nampiasainy hanasazy ny olona nivadika taminy tao amin’ilay tanàna. (Jer. 51:7) Ny olona rehetra ve no ringana tamin’izay? Tsia. Hita tao amin’ilay fahitan’i Ezekiela fa hisy olona sasany tsy hovonoin’ny Babylonianina.​—Gen. 18:22-33; 2 Pet. 2:9.

10 Be dia be ny olona tsy nivadika tafavoaka velona, anisan’izany ny Rekabita, ilay Etiopianina antsoina hoe Ebeda-meleka, ary i Jeremia mpaminany sy Baroka mpitan-tsorany. (Jer. 35:1-19; 39:15-18; 45:1-5) Rehefa jerena ilay fahitan’i Ezekiela, dia azo antoka fa anisan’ireo ‘nisento sy nitaraina noho ny zavatra maharikoriko rehetra’ natao tao Jerosalema ireo olona ireo. (Ezek. 9:4) Azo inoana fa nasehon-dry zareo talohan’ilay fandravana hoe nankahala ny ratsy ry zareo sady tena tia ny fivavahana madio, ka mendrika ny hovonjena.

11. Manondro azovy iro lelahy tsiota tamy fahitan̈a io?

11 Nasiana marika ara-bakiteny ve anefa ireny olona tsy nivadika ireny? Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe nandeha nitety an’i Jerosalema i Ezekiela na ny mpaminany hafa, dia nanisy marika teo amin’ny handrin’ny olona. Mazava àry fa zavatra tsy hitan’ny maso no asehon’ilay fahitana. Mampiseho ny anjelin’i Jehovah tsy mivadika, izay vonona hanao ny sitrapony foana, ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomaintin’ny mpitan-tsoratra sy ireo enin-dahy mitondra fitaovam-piadiana famotipotehana. (Sal. 103:20, 21) Azo inoana fa nampiasa an’ireo anjeliny ireo i Jehovah mba hampihatra ny didim-pitsarany tamin’i Jerosalema. Tsy namonomono fahatany fotsiny ireo anjely ireo, fa nataony azo antoka hoe tsy novonoina izay olona mendrika ny hovonjena. Hoatran’ny hoe nanisy marika teo amin’ny handrin’ireny olona ireny ry zareo tamin’izany.

Ino dikany fahitan̈any Ezekiela io aminandratsika zio?

12, 13. a) Nan̈ino Jerosalema nan̈amparany Jehovah helokonany, avio nan̈ino atsika mivolan̈a fa mbala han̈ano raha mira amy zen̈y koa izy? b) Fivavahan̈a mivolan̈a fa izy Kristianin̈y io ma mifan̈itsy amy Jerosalema? Havazavà. (Zahava efajoro “Mifanitsy Amin’i Jerosalema ve ny Fivavahana Milaza azy ho Kristianina?”)

12 Tsy ho ela koa dia hampihatra ny didim-pitsarany Andriamanitra, ary tena hiavaka ny fomba hanaovany an’izany. Milaza ny Baiboly fa “hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy hoatr’izany hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka hatramin’izao, sady tsy hisy intsony.” (Mat. 24:21) Eo am-piandrasana an’izany, dia mety hieritreritra isika hoe: ‘Hisy ho tafavoaka velona ve amin’io fandringanana ho avy io? Hasiana marika ve ny mpanompon’i Jehovah mba tsy ho ringana amin’io fotoana io? Na raha tsorina, dia ho tanteraka amin’izao andro izao ve ilay fahitan’i Ezekiela momba an’ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomainty?’ Eny daholo ny valin’ireo. Nahoana isika no milaza an’izany? Andao hiverenantsika ilay fahitan’i Ezekiela.

13 Tadidinao ve hoe nahoana i Jehovah no nanampatra ny hatezerany tamin’i Jerosalema? Andao hojerentsika indray ny Ezekiela 9:8, 9. (Vakio.) Rehefa natahotra i Ezekiela hoe ‘haringan’i Jehovah daholo ny sisa amin’ny Israely’, dia nilaza antony efatra nahatonga an’ilay didim-pitsarana i Jehovah. Voalohany, “be loatra ny fahadisoana” nataon’ilay firenena. b Faharoa, “feno ra mandriaka” i Joda. Fahatelo, ‘nanjaka ny kolikoly’ tao Jerosalema, renivohitr’i Joda. Ary fahefatra, nieritreritra ny olona tao hoe ‘tsy nahita’ ny ratsy nataony i Jehovah, dia izay no nataony fialan-tsiny hanaovana ratsy. Tsy hoatr’izany mihitsy ve izao tontolo izao? Ratsy fitondran-tena be ny ankamaroan’ny olona, mahery setra, manao kolikoly, ary tsy manam-pinoana. “Tsy miovaova” i Jehovah, ka raha tezitra be tamin’ireo zava-dratsy ireo izy tamin’ny andron’i Ezekiela, dia azo antoka fa mbola izany koa no tsapany amin’izao. (Jak. 1:17; Mal. 3:6) Tsy maintsy mbola hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah koa àry ireo lehilahy fito ao amin’ny fahitan’i Ezekiela!

Kely sisa dia handringana ny ratsy fanahy ireo lehilahy enina mitondra fitaovam-piadiana famotipotehana (Fehintsoratra 12, 13)

14, 15. Ino ohatra man̈aboaka fa alohany Jehovah handringana, izy tsy maintsy mampitandrin̈y vahoakanany antsendriky?

14 Ahoana anefa no ahatanterahan’ilay faminanian’i Ezekiela amin’ny androntsika? Mba hahazoantsika tsara an’izany, dia andao hojerentsika ny fomba nahatanterahan’ilay izy tamin’ny andron’i Ezekiela. Ho hitantsika fa efa tanteraka amin’izao andro izao ny ampahany amin’ilay faminaniana, ary mbola misy ho tanteraka amin’ny hoavy.

15 Mampitandrina ny olona foana i Jehovah alohan’ny handringanana. Hitantsika tao amin’ny Toko faha-11 fa notendren’i Jehovah “ho mpitily ho an’ny taranak’Israely” i Ezekiela. (Ezek. 3:17-19) Nanomboka tamin’ny 613 T.K., dia nampitandrina mazava tsara ny Israelita izy hoe kely sisa dia horavana i Jerosalema. Nampitandrina momba ny fandravana an’i Jerosalema koa ny mpaminany hafa, anisan’izany i Isaia sy Jeremia. (Isaia 39:6, 7; Jer. 25:8, 9, 11) Ary ahoana ny amin’ny androntsika? Nanendry antokona voahosotra vitsivitsy i Jehovah tamin’ny alalan’i Kristy mba hanome sakafo ara-panahy ho an’ny “mpanompo ao an-tranony”, izany hoe izay manaraka ny fivavahana madio, sady hampitandrina ny olona hoe efa tena kely sisa dia ho tonga ny fahoriana lehibe.​—Mat. 24:45.

16. Atsika panompony Jehovah ma man̈isy lamariky olo ho tafiboaka velon̈o? Hazavà.

16 Tsy ny mpanompon’i Jehovah no manisy marika ny olona ho tafavoaka velona. Tadidio fa tsy nirahina hitety an’i Jerosalema i Ezekiela dia hoe hanisy marika ny olona tao. Tsy irahina hanisy marika an’izay olona mendrika ny hovonjena koa isika mpanompon’i Jehovah amin’izao. Ny mitory kosa no andraikitsika mpanompo ao an-tranon’i Kristy. Zava-dehibe amintsika izany, ka mazoto mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra isika ary mampitandrina ny olona hoe efa tena akaiky ny faran’izao tontolo izao. (Mat. 24:14; 28:18-20) Rehefa manao an’izany isika, dia manampy ny olona tso-po hanaraka ny fivavahana madio.​—1 Tim. 4:16.

17. Ino raha tokony ataonolo rango zioty baka izy ho an̈isanolo hatao lamariky aminy ho avy?

17 Izao ny olona dia efa tokony hanaporofo hoe manam-pinoana, raha te ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe. Efa hitantsika fa talohan’ny fandravana an’i Jerosalema dia efa nasehon’ireo tafavoaka velona tamin’ilay izy hoe tena nankahala ny ratsy ry zareo sady tena tia ny fivavahana madio. Hoatr’izany koa amin’izao. Alohan’ny fahoriana lehibe ny olona dia tokony ho hita hoe “misento sy mitaraina”, izany hoe malahelo be noho ny zava-dratsy ataon’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Tsy tokony ho fihetseham-po fotsiny anefa izany. Tsy maintsy asehon-dry zareo amin’izay ataony sy lazainy hoe tena tiany ny fivavahana madio. Ahoana no hanaovany an’izany? Mila manaiky ny hafatra torina aminy ry zareo, dia miezaka hanana ny toetran’i Kristy foana. Tokony hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa koa ry zareo ary hanohana foana ny rahalahin’i Kristy. (Ezek. 9:4; Mat. 25:34-40; Efes. 4:22-24; 1 Pet. 3:21) Midika izany fa efa manaraka ny fivavahana madio ry zareo rehefa manomboka ny fahoriana lehibe. Izay ihany izy ireo vao afaka manantena hoe hasiana marika ka ho tafavoaka velona.

18. a) Ombian̈a Jesosy Kristy han̈isy lamariky olo, avio akory an̈anaovany zen̈y? b) Iro voahosotro aby io ma mba mila asian̈a lamariky koa? Hazavà.

18 I Jesosy no hanisy marika an’izay ho tafavoaka velona. Tamin’ny andron’i Ezekiela, dia anjely no nirahina hanisy marika ny olona tsy nivadika mba ho tafavoaka velona ry zareo. I Jesosy Kristy no mifanitsy amin’ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomainty amin’izao andro izao. “Ho avy amin’ny voninahiny” izy dia hitsara ny firenena rehetra. (Mat. 25:31-33) Mandritra ny fahoriana lehibe izany no hitranga, rehefa rava ny fivavahan-diso. c Mandritra an’io fotoana miavaka io, izany hoe aloha kelin’ny Aramagedona, dia hitsara ny olona i Jesosy ka hanavaka ny ondry sy ny osy. Hambarany hoe ondry ny “vahoaka be” ka hoatran’ny hoe hasiany marika mba hahafantarana hoe “hahazo fiainana mandrakizay” ry zareo. (Apok. 7:9-14; Mat. 25:34-40, 46) Ary ny voahosotra tsy mivadika? Tsy mila asiana marika mba ho tafavoaka velona amin’ny Aramagedona ry zareo satria efa hakarina any an-danitra alohan’io ady io. Rehefa voaisy tombo-kase farany mantsy ry zareo alohan’ny hahafatesany na alohan’ny hanombohan’ny fahoriana lehibe, dia hakarina any an-danitra.​—Apok. 7:1-3.

19. Lera Jesosy han̈atanteraka didipitsaran̈a amy donia ty, azovy hiaraka aminany? (Zahava efajoro ty: “Misento sy Mitaraina, Manisy Marika, Manapotipotika: Rahoviana Izany no Hitranga ary Amin’ny Fomba Ahoana?”)

19 Hampihatra didim-pitsarana amin’izao tontolo izao i Jesosy Kristy Mpanjaka sy ny tafiny any an-danitra. Rehefa jerena ilay fahitan’i Ezekiela, dia efa avy nanisy marika tamin’ny handrin’ny olona ilay lehilahy manao akanjo rongony, izay ireo lehilahy enina mitondra fitaovam-piadiana famotipotehana vao nanomboka nandringana. (Ezek. 9:4-7) Hoatr’izany koa no hitranga amin’ny hoavy. Rehefa avy mitsara ny olona any amin’ny firenena rehetra sy manisy marika ny ondry i Jesosy, izay vao hanomboka ny fandringanana. Mandritra ny ady Aramagedona dia hotarihin’i Jesosy ny tafiny any an-danitra, izany hoe ny anjely masina sy ireo 144 000, dia hiady amin’ity tontolo ratsy ity ry zareo ary hamotipotika azy io tanteraka. (Apok. 16:14-16; 19:11-21) Hataon’izy ireo azo antoka hoe ho tafavoaka velona izay manaraka ny fivavahana madio, ka hiaina ao amin’ny tontolo vaovao anjakan’ny fahamarinana.

20. Ino raha mankahery hitantsika amy fahitan̈any Ezekiela momba lelahy araiky mitondra fitoerandranomainty?

20 Tena faly isika fa mampahery ny zavatra nianarantsika avy amin’ilay fahitana momba an’ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomainty! Lasa matoky tanteraka isika fa tsy horinganin’i Jehovah miaraka amin’ny ratsy fanahy ny olo-marina. (Sal. 97:10) Lasa fantatsika koa hoe inona no tokony hatao raha tiantsika ny hasiana marika mba ho tafavoaka velona. Tapa-kevitra àry isika fa hanao izay rehetra azo atao mba hitoriana ny vaovao tsara amin’izay misento sy mitaraina noho ny zava-dratsy ataon’ny olona eto amin’ity tontolon’i Satana ity. Tapa-kevitra koa isika fa hiezaka be mba hampitandrina ny olona hoe efa akaiky ny farany. Mbola misy ihany ny olona ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay’, ary tombontsoa be ho antsika ny manampy azy ireny hanaraka ny fivavahana madio miaraka amintsika! (Asa. 13:48) Ho afaka hanantena ry zareo amin’izay hoe hasiana marika, dia ho tafavoaka velona ary hiaina ao amin’ny tontolo vaovao.

a Hitantsika tao amin’ny Toko faha-5 ilay fahitan’i Ezekiela momba an’ireo zavatra maharikoriko natao tao amin’ny tempoly.

b Milaza ny boky iray fa ilay teny hebreo nadika hoe “fahadisoana” dia mety hidika hoe “fahotana lehibe.” Misy boky hafa koa milaza hoe “teny tena fampiasan’ny fivavahana ilay izy, ary matetika no ampiasaina mba hilazana hoe meloka eo anatrehan’Andriamanitra ny olona iray satria nanao zavatra ratsy be.”

c Toa tsy ny mpivavaka rehetra ao amin’ny fivavahan-diso no ho faty rehefa horavana i Babylona Lehibe. Mety hisy mpitondra fivavahana hiala amin’ny fivavahan-diso amin’izay fotoana izay, dia mody hiteny ry zareo hoe tsy nivavaka tao mihitsy.​—Zak. 13:3-6.