Hanenty ty anatiny ao

Ho amy loha hevitsy any

EFAJORO 1B

Inona no Resahina ao Amin’ny Bokin’i Ezekiela?

Inona no Resahina ao Amin’ny Bokin’i Ezekiela?

Amin’ny ankapobeny, dia azo zaraina hoatr’izao ny bokin’i Ezekiela:

TOKO 1-3

Niaraka tamin’ny Jiosy natao sesitany tany Babylona i Ezekiela. Nahazo fahitana avy tamin’i Jehovah izy tamin’ny 613 T.K., ary nirahina haminany tamin’ny Jiosy nipetraka teo amoron’ny reniranon’i Kebara.

TOKO 4-24

Didim-pitsarana momba an’i Jerosalema sy ny mponina tao no tena noresahin’ny faminanian’i Ezekiela nanomboka tamin’ny 613 T.K. ka hatramin’ny 609 T.K. Nikomy sy nanompo sampy mantsy ry zareo.

TOKO 25-32

Nanomboka tamin’ny 609 T.K., rehefa nanomboka nanao fahirano farany an’i Jerosalema ny Babylonianina, dia tsy momba an’i Jerosalema intsony ny didim-pitsarana noresahin’i Ezekiela fa momba ny fahavalon’i Jerosalema, izany hoe i Amona, Edoma, Ejipta, Filistia, Moaba, Sidona, ary Tyro.

TOKO 33-48

Nanomboka tamin’ny 606 T.K., dia hafatra manome fanantenana indray no tena noresahin’i Ezekiela, izany hoe ny famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Lavitra be an’i Jerosalema ry zareo tamin’izany, ary mbola ravarava ilay tanàna sy ny tempoliny.

Amin’ny ankapobeny àry, dia milahatra arakaraka ny fotoana nisehoany sy arakaraka ny foto-kevitra ny zavatra resahin’ny bokin’i Ezekiela. Faminaniana momba ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny no mandeha aloha, izay vao ny ankamaroan’ny faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Tsy ho nilaina mantsy ny faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny, raha tsy efa nitsahatra aloha ny fivavahana tao amin’ny tempoly.

Ankoatra izay, dia didim-pitsarana momba ny firenena fahavalo (toko 25-32) no noresahiny teo anelanelan’ny didim-pitsarana momba an’i Jerosalema sy ny faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny. Nilaza ny manam-pahaizana iray hoe: “Mety tsara io filaharana io. Hita amin’ilay izy mantsy fa tezitra tamin’ny vahoakany aloha Andriamanitra dia avy eo namindra fo tamin-dry zareo, ary anisan’ny fomba nampisehoany famindram-po ilay hoe nosaziny ny fahavalon-dry zareo.”

Hiverina any amin’ny toko 1, fehintsoratra 18