Hanenty ty anatiny ao

Ho amy loha hevitsy any

EFAJORO 2A

Ny Tsara ho Fantatra Alohan’ny Handinihana ny Faminanian’i Ezekiela

Ny Tsara ho Fantatra Alohan’ny Handinihana ny Faminanian’i Ezekiela

INONA NO ATAO HOE FAMINANIANA?

Ao amin’ny Baiboly, ilay matoanteny hebreo hoe navaʼ, izay nadika hoe “maminany”, dia midika hoe mampita hafatra, na didim-pitsarana, na fampianarana, na didy avy amin’Andriamanitra. Mety hidika koa izy io hoe milaza hafatra momba ny hoavy avy amin’Andriamanitra. Hita ao amin’ny faminanian’i Ezekiela daholo ireo karazana hafatra ireo.​—Ezek. 3:10, 11; 11:4-8; 14:6, 7; 37:9, 10; 38:1-4.

FOMBA NAMPITANA FAMINANIANA

  • FAHITANA

  • FANOHARANA

  • KARAZANA FAMPISEHOANA

Nampitaina tamin’ny alalan’ny fahitana sy fanoharana ary karazana fampisehoana ny faminaniana ao amin’ny bokin’i Ezekiela.

FAHATANTERAHANY

Indraindray tsy indray mandeha fotsiny no tanteraka ny faminanian’i Ezekiela. Hoatr’izany izao ny faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Efa tanteraka ny ampahany tamin’izy io rehefa niverina tany amin’ny Tany Nampanantenaina ny vahoakan’Andriamanitra. Maro amin’ireo faminaniana ireo koa anefa no tanteraka amin’izao ary mbola ho tanteraka amin’ny hoavy, araka ny ho hitantsika ao amin’ny Toko faha-9.

Nieritreritra isika taloha hoe tandindon’ny hoavy ny zavatra sasany resahin’ny faminanian’i Ezekiela, izany hoe mifanitsy amina zavatra mbola ho avy ny olona na zavatra na toerana na zava-nitranga sasany resahina ao. Tsy misy resaka tandindona ato amin’ity boky ity, raha tsy hoe misy porofo mazava momba an’izany ao amin’ny Baiboly. a Horesahina ato kosa ny fahatanterahan’ny maro amin’ny faminanian’i Ezekiela, amin’izao sy amin’ny hoavy. Hodinihina ato koa ny lesona azontsika raisina avy amin’ny hafatra nampitain’i Ezekiela, sy avy amin’ny olona sy ny toerana ary ny zava-nitranga noresahiny.

a Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny tandindona sy izay mifanitsy aminy ianao, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 2015, pejy 9-11, feh. 7-12; sy ny “Fanontanian’ny Mpamaky”, pejy 17-18, ao amin’io gazety io ihany.