Hanenty ty anatiny ao

Ho amy loha hevitsy any

EFAJORO 21A

Ilay ‘Ampahany Tokony Hatokana ho Fanomezana’

Ilay ‘Ampahany Tokony Hatokana ho Fanomezana’

EZEKIELA 48:8

Andao hojerentsika akaiky kokoa ilay ampahana tany natokan’i Jehovah, tao amin’ilay fahitan’i Ezekiela. Mizara dimy ilay izy. Inona avy ireo faritra dimy ireo? Ary inona no antony nanokanana azy ireo?

A. Ilay “fanomezana”

Natokana ho an’ny fitondrana na fitantanan-draharaha izy io.

EZEK. 48:8

B. Ilay “fanomezana manontolo”

Natokana ho an’ny mpisorona sy ny Levita ary ho an’ny tanàna izy io. Tonga ao koa ny olona avy amin’ireo foko 12 mba hivavaka amin’i Jehovah sy hanohana an’ilay fitantanan-draharaha.

EZEK. 48:20

D. Ny “tanin’ny mpiadidy”

‘Ho lasa fananan’ny mpiadidy any Israely io tany io.’ ‘Ho anjarany’ izy io.

EZEK. 45:7, 8; 48:21, 22

E. Ilay “fanomezana masina”

Antsoina hoe “ampahany masina” koa izy io. “Ho an’ny Levita” ny faritra ambony amin’izy io, ary “masina” izany. “Fanomezana masina ho an’ny mpisorona” kosa ny faritra eo afovoany. “Ao amin’io toerana io no hisy ny tranon’izy ireo, ary ho faritra masina hisy an’ilay toerana masina [tempoly] izy io.”

EZEK. 45:1-5; 48:9-14

F. Ny “faritra ambiny”

“Ho an’ny taranak’Israely rehetra izy io”, ary “ho azon’ny vahoaka eo an-tanàna ampiasaina mba hanorenana trano na hatao kijana.”

EZEK. 45:6; 48:15-19