Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 3

Mahaiza Mametraka Fanontaniana

Mahaiza Mametraka Fanontaniana

Matio 16:13-16

AHOANA IZANY? Ataovy mahaliana sy mety tsara ny fanontanianao. Azo atao koa ny mametraka fanontaniana hanampiana ny olona ho resy lahatra na hahatadidy hevi-dehibe.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Ataovy mahaliana ny fanontanianao. Mametraha fanontaniana mampieritreritra na manitikitika ny saina.

  • Ampio izy ho resy lahatra hoe marina ny teninao. Mametraha fanontaniana maromaro mba hanampiana ny olona ho resy lahatra hoe marina na diso ny zavatra iray.

  • Ampio izy hahatadidy hevi-dehibe. Mametraha fanontaniana mahaliana rehefa hanazava hevi-dehibe. Mametraha indray fanontaniana avy eo mba hamintinana an’ilay hevi-dehibe, na rehefa mamarana ny anjaranao ianao.