AHOANA IZANY? Ataovy mahaliana sy mety tsara ny fanontanianao. Azo atao koa ny mametraka fanontaniana hanampiana ny olona ho resy lahatra na hahatadidy hevi-dehibe.
INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?
Ataovy mahaliana ny fanontanianao. Mametraha fanontaniana mampieritreritra na manitikitika ny saina.
Ampio izy ho resy lahatra hoe marina ny teninao. Mametraha fanontaniana maromaro mba hanampiana ny olona ho resy lahatra hoe marina na diso ny zavatra iray.
Ampio izy hahatadidy hevi-dehibe. Mametraha fanontaniana mahaliana rehefa hanazava hevi-dehibe. Mametraha indray fanontaniana avy eo mba hamintinana an’ilay hevi-dehibe, na rehefa mamarana ny anjaranao ianao.