Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 5

Aza Asiana Diso ny Vakiteninao

Aza Asiana Diso ny Vakiteninao

1 Timoty 4:13

AHOANA IZANY? Vakio mafy tsara ilay izy, ary aza asiana diso.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Omano tsara ny vakiteninao. Diniho hoe inona no antony nanoratana an’ilay zavatra hovakinao. Mianara mamaky teny maromaro indray miaraka fa tsy teny tsirairay, dia ataovy imbetsaka izany. Aza manampy na mandingana na manova teny. Hajao tsara daholo ny mari-piatoana, ohatra hoe ny teboka na ny faingo.

  • Ataovy marina tsara ny fanononanao teny. Raha tsy hainao hoe ahoana no hanononana azy, dia mihainoa raki-peo misy an’ilay izy, na manontania olona mahay mamaky teny tsara.

  • Ataovy heno tsara ny teninao. Atrakao ny lohanao, ary sokafy tsara ny vavanao, dia ho heno tsara izay teny lazainao. Tonòny tsara koa ny teny tsirairay.