LESONA 17

Ataovy Tsotra sy Mora Azo ny Fanazavanao

Ataovy Tsotra sy Mora Azo ny Fanazavanao

1 Korintianina 14:9

AHOANA IZANY? Ataovy azon’ny olona tsara ny tena tianao holazaina.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Ataovy azo tsara aloha ilay foto-kevitra horesahinao. Raha mazava tsara aminao mantsy ilay izy, dia ho hainao ny hanazava azy tsotsotra.

  • Aza mampiasa fehezanteny sarotra na lava be. Raha mbola azo atao, dia miezaha hampiasa fehezanteny tsotra sy fohy rehefa hanazava hevi-dehibe.

  • Hazavao izay teny sarotra. Aza mampiasa teny tsy hain’ny olona, raha mbola azo atao. Raha tsy maintsy mampiasa teny sarotra ianao, dia hazavao ilay izy. Ohatra hoe refy fampiasa taloha, na fanaon’ny olona taloha, na anarana ao amin’ny Baiboly.