Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 18

Miresaha Zavatra Mahaliana sy Mahasoa

Miresaha Zavatra Mahaliana sy Mahasoa

1 Korintianina 9:19-23

AHOANA IZANY? Miresaha hevitra manaitra ny sain’ny olona, dia ho faly izy hoe lasa nahalala zavatra mahaliana sady mahasoa.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Fantaro aloha hoe inona no efa hainy. Raha foto-kevitra efa hainy ilay horesahinao, dia miresaha zava-baovao momba an’ilay izy, fa aza mamerina fotsiny an’izay efa fantany.

  • Mitadiava zavatra mahaliana horesahina. Azo atao, ohatra, ny miresaka vaovao farany na zavatra tsy fahenon’ny olona, rehefa hanazava hevi-dehibe. Diniho tsara anefa aloha ilay izy, sao dia tsy mifandray amin’ilay hevitra horesahinao akory.

  • Porofoy hoe mahasoa ilay hevitra resahinao. Miresaha zavatra fanaon’ny olona, na toe-tsaina ananany, na zavatra iainany, dia hazavao hoe misy torohevitra momba an’ilay izy ao amin’ny Baiboly.