Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 19

Miezaha Hanohina ny Fo

Miezaha Hanohina ny Fo

Ohabolana 3:1

AHOANA IZANY? Ampio ho tia an’izay zavatra ianarany ny olona, ka hampihatra an’izany.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Ampirisiho handini-tena izy. Mametraha fanontaniana mba hampirisihana ny olona hahita hoe tena tiany ve izay ianarany sady tena inoany.

  • Ampisaintsaino izy mba ho vokatry ny fony izay ataony. Asaivo mandinika izy hoe nahoana izy no mankatò an’i Jehovah. Tena tia an’i Jehovah sy tia olona ve izy? Hitany ve fa tena tsara izay ianarany ao amin’ny Baiboly? Aza bedesina anefa izy na kianina. Ampaherezo kosa izy, dia ho vao mainka izy te hankatò an’i Jehovah, ary ho tena vokatry ny fony izany.

  • Miresaha foana momba an’i Jehovah. Asongadino ny toetran’i Jehovah rehefa manazava fampianarana na toro lalana na lalàna ao amin’ny Baiboly ianao. Resaho, ohatra, hoe tia antsika izy matoa nanome an’ilay izy. Ampio koa ilay olona hitadidy hoe misy vokany amin’i Jehovah izay ataony.