Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 12

Inona no Hanampy Anao Hianatra Baiboly Foana?

Inona no Hanampy Anao Hianatra Baiboly Foana?

Mahasoa ny mianatra Baiboly, nefa tsy mora ilay izy indraindray. Mety ho lasa saina ianao raha ho vitanao ihany ilay hoe hianatra Baiboly foana. Nahoana no tokony hotohizinao foana ny fianaranao? Inona no hanampy anao tsy hijanona mihitsy na dia misy olana aza?

1. Nahoana no zava-dehibe ny mianatra Baiboly?

“Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.” (Hebreo 4:12) Sarobidy ny Baiboly satria mampahafantatra ny hevitr’Andriamanitra. Resahina ao koa hoe tia antsika izy. Tsy hoe manampy anao hahalala zavatra fotsiny izy io, fa manome fanantenana sy fahendrena koa. Ny tena zava-dehibe dia hoe manampy anao ho lasa naman’i Jehovah izy io. Ho sambatra kokoa ianao rehefa mianatra Baiboly.

2. Nahoana isika no mila resy lahatra hoe sarobidy ny zavatra ampianarin’ny Baiboly?

Hoatran’ny harena sarobidy ny zavatra ampianarin’ny Baiboly. Izany no mahatonga ny Baiboly hampirisika antsika hoe “vidio ny fahamarinana ka aza amidy mihitsy.” (Ohabolana 23:23) Raha tsapantsika fa sarobidy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, dia hiezaka mafy isika mba hianatra foana na dia misy olana aza.​—Vakio ny Ohabolana 2:4, 5.

3. Inona no ataon’i Jehovah mba hanampiana anao hianatra foana?

I Jehovah no Mpamorona anao sady Namanao, ka te hanampy anao hianatra momba azy izy. Afaka manampy anao “hanana faniriana sy hery” hanaovana an’izany izy. (Vakio ny Filipianina 2:13.) Mahatsapa ve ianao indraindray hoe kamokamo hianatra na tsy dia mazoto hampihatra an’izay ianaranao? Afaka manampy anao i Jehovah. Homeny hery koa ianao raha manana olana na misy manakana anao tsy hianatra. Mivavaha foana amin’i Jehovah mba hanampiany anao hanohy hianatra Baiboly.​—1 Tesalonianina 5:17.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Be atao ve ianao sa misy manakana anao tsy hianatra Baiboly? Hojerentsika hoe inona no azonao atao ary ahoana no hanampian’i Jehovah anao.

4. Ataovy zava-dehibe aminao ny mianatra Baiboly

Sahirana be isika indraindray ka hoatran’ny hoe tsy manam-potoana hianarana Baiboly. Inona no azontsika atao? Vakio ny Filipianina 1:10, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona avy no hitanao hoe “zava-dehibe kokoa” eo amin’ny fiainana?

  • Ahoana no hampisehoanao hoe zava-dehibe aminao ny mianatra Baiboly?

  1. Raha asianao fasika aloha ny siô iray vao asianao vato, dia hisy vato tsy ho tafiditra

  2. Raha ny vato no ampidirinao voalohany, dia ho tafiditra ao amin’ilay siô avy eo ny ankamaroan’ny fasika. Raha izay “zava-dehibe kokoa” no ataonao voalohany, dia ho vitanao tsara izy ireny ary mbola hanam-potoana hanaovana zavatra hafa ianao

Mila an’Andriamanitra isika, ka te hahafantatra sy te hanompo azy. Afaka manampy antsika amin’izany ny fianarana Baiboly. Vakio ny Matio 5:3, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no soa ho azontsika raha zava-dehibe amintsika ny mianatra Baiboly?

5. Tohizo foana ny fianarana na misy manakana aza

Mety hisy olona hiezaka handresy lahatra anao tsy hianatra Baiboly intsony. Diniho ny tantaran’i Francesco. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Ahoana no nataon’ny naman’i Francesco sy ny fianakaviany rehefa noresahiny tamin-dry zareo ny zavatra nianarany?

  • Inona no vokany rehefa notohiziny foana ny fianarany?

Vakio ny 2 Timoty 2:24, 25, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Ahoana no fahitan’ny fianakavianao sy ny namanao ny zavatra ianaranao?

  • Araka io andinin-teny io, ahoana no tokony hataonao raha misy olona tezitra hoe mianatra Baiboly ianao? Nahoana?

6. Angataho ny fanampian’i Jehovah

Vao mainka isika te hampifaly an’i Jehovah rehefa lasa akaiky kokoa azy. Mety ho sarotra amintsika anefa ny manova ny fiainantsika mba hifanaraka amin’ny fitsipiny. Raha izany no mahazo anao, dia aza kivy satria hanampy anao i Jehovah. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona no fiovana nataon’i Jim mba hampifaliana an’i Jehovah?

  • Inona amin’ny fiovana nataony no tena mahavariana anao?

Vakio ny Hebreo 11:6, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no hataon’i Jehovah ho an’izay “mitady mafy azy”, izany hoe izay miezaka mafy hahafantatra sy hampifaly azy?

  • Araka io andinin-teny io, inona no tsapan’i Jehovah rehefa hitany hoe miezaka mianatra Baiboly ianao?

METY HISY HANONTANY HOE: “Fa maninona ianao no mianatra Baiboly?”

  • Ahoana no havalinao?

FAMINTINANA

Tsy mora indraindray ny mianatra Baiboly. Raha manao an’izany anefa ianao, dia ho afaka hankafy fiainana foana mandrakizay. Angataho foana ny fanampian’i Jehovah, dia hamaly soa anao izy.

Famerenana

  • Nahoana no sarobidy aminao ny zavatra ampianarin’ny Baiboly?

  • Ahoana no hampisehoanao hoe zava-dehibe aminao ny mianatra Baiboly?

  • Nahoana ianao no mila mangataka ny fanampian’i Jehovah raha te hianatra foana?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Misy zavatra efatra nanampy olona maro hampiasa tsara ny fotoanany. Inona avy izany?

“Ampiasao Tsara ny Fotoana” (Mifohaza! Febroary 2014)

Tezitra tamin’ny vehivavy iray ny vadiny rehefa niezaka nampifaly an’Andriamanitra izy. Ahoana no nanampian’i Jehovah azy?

Hanampy Antsika i Jehovah Rehefa Mafy ny Mahazo Antsika (5:05)

Inona no soa noraisin’ny lehilahy iray rehefa nanohy nianatra foana ny vadiny?

Nofotopotorako ny Fahamarinana (6:30)

Misy milaza fa mampisaratsaraka fianakaviana ny Vavolombelon’i Jehovah. Marina ve izany?

“Mampisara-bazana Fianakaviana ve ny Vavolombelon’i Jehovah?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)