LESONA 19

Tena Kristianina ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tena Kristianina ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Mino izahay Vavolombelon’i Jehovah hoe tena Kristianina izahay. Nahoana? Andao hodinihintsika hoe avy aiza ny zavatra inoanay, nahoana ny anaranay no mahatonga anay hiavaka amin’ny hafa, ary ahoana no ampisehoanay hoe mifankatia izahay.

1. Avy aiza ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Nilaza i Jesosy fa “ny [tenin’Andriamanitra] no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Manahaka an’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah, ka izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra foana no ninoany hatramin’izay. Diniho, ohatra, ny tantaranay tamin’ny taona 1870 tany ho any. Nisy mpianatra Baiboly vitsivitsy tamin’izany, nanomboka nandalina Baiboly. Izay nianaran’izy ireo tao no lasa ninoany, na dia tsy nitovy tamin’izay nampianarin’ny fivavahana hafa aza izany. Noresahin’izy ireo tamin’ny olona avy eo ny zavatra nianarany. a

2. Nahoana izahay no nifidy an’ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah?

Antsoin’i Jehovah hoe vavolombelony ny olona manompo azy, satria milaza ny marina momba azy. (Hebreo 11:4–12:1) Niteny tamin’ny vahoakany taloha, ohatra, Andriamanitra hoe: “Ianareo no vavolombeloko.” (Vakio ny Isaia 43:10.) Antsoina hoe “ilay Vavolombelona Mendri-pitokisana” koa i Jesosy. (Apokalypsy 1:5) Nifidy an’ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah àry izahay tamin’ny 1931. Tena faly izahay hoe izany no iantsoana anay.

3. Ahoana no ampisehoanay hoe be fitiavana hoatran’i Jesosy izahay?

Tena tian’i Jesosy ny mpianany ka hoatran’ny hoe fianakaviany mihitsy. (Vakio ny Marka 3:35.) Hoatran’ny fianakaviana iray koa ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Izany no mahatonga anay hifampiantso hoe rahalahy sy anabavy. (Filemona 1, 2) Mankatò an’ity didy ity koa izahay: “Tiavo ny rahalahy rehetra.” (1 Petera 2:17) Betsaka ny fomba ampisehoanay hoe tianay ireo rahalahy sy anabavinay maneran-tany. Ampianay, ohatra, izy ireo rehefa tratran’ny loza.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika bebe kokoa ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny porofo hoe tena Kristianina izahay.

Izay lazain’ny Baiboly no inoan’ny tena Kristianina, ary resahiny amin’ny olona izay ianarany ao

4. Avy ao amin’ny Baiboly ny zavatra inoanay

Efa nilaza i Jehovah hoe hazava tsara amin’ny mpanompony ny zavatra ampianarin’ny Baiboly. Vakio ny Daniela 12:4 sy ny fanamarihana ambany pejy, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no “hitombo be” rehefa manohy mandalina ny Baiboly ny vahoakan’Andriamanitra?

Nianatra ny Tenin’Andriamanitra ny mpianatra Baiboly vitsivitsy, anisan’izany i Charles Russell. Ahoana no nataon’izy ireo? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Ahoana no nataon’i Charles Russell sy ny namany rehefa nianatra Baiboly izy ireo?

Fantatrao ve?

Manitsy ny zavatra inoanay izahay indraindray. Nahoana? Rehefa mihamazava ny andro, dia lasa hita mazava kokoa ny manodidina. Ataon’Andriamanitra mazava tsikelikely hoatr’izany koa ny Teniny. (Vakio ny Ohabolana 4:18.) Marina fa tsy miova ny Baiboly. Lasa mazava kokoa aminay anefa ny zavatra lazainy, ka izany no mahatonga anay hanitsy ny zavatra sasany inoanay.

5. Mifanaraka amin’ny anaranay ny zavatra ataonay

Maninona izahay no nifidy an’ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Nahoana no mety tsara ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah?

Nahoana i Jehovah no nifidy olona mba ho vavolombelony? Betsaka ny lainga nolazain’ny olona momba azy, ka mila vavolombelona izy mba hampahafantatra hoe izy ilay tena Andriamanitra. Inona ny roa amin’izany lainga izany?

Mampianatra ny mpiangona ao aminy ny fivavahana sasany hoe tian’Andriamanitra hampiasa sary na sarivongana izy ireo rehefa mivavaka. Marina ve izany? Vakio ny Levitikosy 26:1, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ahoana no fahitan’i Jehovah ny fampiasana sary na sarivongana, araka io andininy io?

Milaza ny mpitondra fivavahana sasany hoe i Jesosy no Andriamanitra. Marina ve izany? Vakio ny Jaona 20:17, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • I Jesosy ve no Andriamanitra, araka io andininy io?

  • Nirahin’i Jehovah ny Vavolombelony mba hilaza ny marina momba azy sy ny Zanany. Inona no tsapanao rehefa fantatrao izany?

6. Mifankatia izahay

Ampitovin’ny Baiboly amin’ny rantsambatana ny Kristianina. Vakio ny 1 Korintianina 12:25, 26, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Ahoana no ataon’ny tena Kristianina rehefa misy namany mijaly?

  • Ahoana no fahitanao ny fifankatiavan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Rehefa mijaly ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany iray, dia tonga dia manao zavatra ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany mba hanampiana azy ireo. Jereo ity ohatra iray ity. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Nifanampy ny Vavolombelon’i Jehovah taorian’ilay rivo-doza. Ahoana no nataon’izy ireo?

Be fitiavana ny tena Kristianina ka manampy an’ireo mila fanampiana

MISY MITENY HOE: “Ratsy ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah.”

  • Ahoana no havalinao?

FAMINTINANA

Tena Kristianina izahay Vavolombelon’i Jehovah, ary hoatran’ny fianakaviana iray. Izay lazain’ny Baiboly no inoanay, ary mampahafantatra ny marina momba an’i Jehovah izahay.

Famerenana

  • Nahoana izahay no nifidy an’ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah?

  • Ahoana no ampisehoanay hoe mifankatia izahay?

  • Tena Kristianina ve ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ny hevitrao?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Efa hatramin’izay ny Vavolombelon’i Jehovah no nampiseho hoe diso ny fampianarana sasany. Misy ohatra iray ato.

Manome Voninahitra ny Anaran’i Jehovah ny Vahoakany (7:08)

Nahery setra tamin’ny olona tsy mitovy volon-koditra aminy i Stephen. Inona no hitany tany amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ka nampiova azy?

“Vao Mainka Aho Nihanahery Setra” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2015)

a Efa hatramin’ny 1879 no niresaka momba an’izay ampianarin’ny Baiboly ilay gazetinay hoe Ny Tilikambo Fiambenana.