LESONA 32

Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!

Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!

Nanomboka nanjaka tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914. Tamin’io koa no nanomboka ny andro farany amin’ny fitondran’olombelona. Ahoana no ahafantarantsika an’izany? Handinika ny faminanian’ny Baiboly isika. Hojerentsika koa hoe hoatran’ny ahoana ny fiainana eran-tany sy ny toetran’ny olona, nanomboka tamin’ny 1914.

1. Inona ny faminaniana nolazain’ny Baiboly?

Resahin’ny bokin’i Daniela fa hanomboka hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra rehefa tapitra ilay antsoina hoe “fe-potoana fito.” (Daniela 4:16, 17) Nantsoin’i Jesosy hoe “fotoana voatondro ho an’ny hafa firenena” io fe-potoana io, taonjato maro tatỳ aoriana. Hita tamin’ny teniny fa mbola tsy nifarana izy io tamin’izany. (Lioka 21:24) Ho hitantsika hoe tapitra tamin’ny 1914 io fe-potoana fito io.

2. Hoatran’ny ahoana ny fiainana eran-tany sy ny toetran’ny olona, nanomboka tamin’ny 1914?

Nanontany an’i Jesosy ny mpianany hoe: “Inona no ho famantarana hoe efa manatrika ianao ary efa akaiky ny faran’izao tontolo izao?” (Matio 24:3) Ahoana no navalin’i Jesosy? Nolazainy ny zavatra hitranga rehefa hanomboka hanjaka any an-danitra izy. Anisan’izany ny ady, mosary, ary horohoron-tany. (Vakio ny Matio 24:7.) Efa nilaza koa ny Baiboly fa ho ratsy toetra ny olona amin’ny “andro farany”, ka ho lasa “tsy mora atrehina” ny fiainana. (2 Timoty 3:1-5) Hita hoe tena niharatsy ny fiainana sy ny toetran’ny olona, nanomboka tamin’ny 1914.

3. Nahoana no lasa ratsy be ny fiainana rehefa nanomboka nitondra ny Fanjakan’Andriamanitra?

Niady tamin’i Satana sy ny demonia i Jesosy, raha vao lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Resy i Satana tamin’io ady io. Milaza ny Baiboly hoe “natsipy mafy tetỳ an-tany izy, ary ny anjeliny koa niara-natsipy taminy.” (Apokalypsy 12:9, 10, 12) Tezitra be i Satana satria fantany hoe horinganina izy. Izany no mahatonga azy hampijaly ny olona maneran-tany. Tsy mahagaga àry raha ratsy be ny fiainana amin’izao. Hamaha ny olana rehetra mahazo antsika anefa ny Fanjakan’Andriamanitra.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika ireto: Inona no porofo fa tamin’ny 1914 ilay Fanjakana no nanomboka nitondra? Tokony handrisika antsika hanao inona izany?

4. Mifanaraka amin’ny faminanian’ny Baiboly ny taona 1914

Nataon’Andriamanitra nanonofy momba ny zavatra hitranga amin’ny hoavy i Nebokadnezara Mpanjaka. Rehefa dinihina io nofy io sy ny fanazavan’i Daniela momba an’ilay izy, dia hita hoe ny fitondran’i Nebokadnezara sy ny Fanjakan’Andriamanitra no resahiny.​—Vakio ny Daniela 4:17. a

Vakio ny Daniela 4:20-26, ary ampiasao ilay tabilao mba hamaliana an’ireto fanontaniana ireto:

  • A) Inona no hitan’i Nebokadnezara tao amin’ilay nofiny?—Jereo ny andininy 20 sy 21.

  • B) Hatao ahoana ilay hazo?—Jereo ny andininy 23.

  • D) Inona no hitranga rehefa tapitra ilay “fe-potoana fito”?—Jereo ny andininy 26.

Inona no Ifandraisan’ilay Nofy sy ny Fanjakan’Andriamanitra?

ILAY FAMINANIANA (Daniela 4:20-36)

Fitondrana

A) Hazo ngezabe

Nijanona kely ny fitondrana

B) “Kapao io hazo io”, dia avelao “mandra-pahatapitry ny fe-potoana fito”

Niverina ny fitondrana

D) “Haverina aminao indray ny fanjakanao”

Rehefa tanteraka voalohany ilay faminaniana...

  • E) Nifanitsy tamin’iza ilay hazo? —Jereo ny andininy 22.

  • F) Nahoana no nijanona kely ny fitondrany?​—Vakio ny Daniela 4:29-33.

  • G) Inona no nitranga tamin’i Nebokadnezara rehefa tapitra ilay “fe-potoana fito”?​—Vakio ny Daniela 4:34-36.

TANTERAKA VOALOHANY

Fitondrana

E) Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona

Nijanona kely ny fitondrana

F) Lasa narary saina i Nebokadnezara taorian’ny 606 T.K., ka tsy afaka nitondra nandritra ny fito taona

Niverina ny fitondrana

G) Sitrana i Nebokadnezara ka niverina nitondra indray

Rehefa tanteraka fanindroany ilay faminaniana...

  • H) Nifanitsy tamin’iza ilay hazo?​—Vakio ny 1 Tantara 29:23.

  • I) Nahoana no nijanona kely ny fitondran’izy ireo? Ahoana no ahafantarantsika hoe mbola tsy niverina ilay izy tamin’i Jesosy tetỳ an-tany?​—Vakio ny Lioka 21:24.

  • J) Oviana ary taiza no niverina io fitondrana io?

TANTERAKA FANINDROANY

Fitondrana

H) Mpanjaka israelita misolo tena ny fitondran’Andriamanitra

Nijanona kely ny fitondrana

I) Rava i Jerosalema, ka tsy nisy mpanjaka israelita intsony nandritra ny 2 520 taona

Niverina ny fitondrana

J) Lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra i Jesosy

Firy taona ilay fe-potoana fito?

Manampy antsika hahazo ny andinin-teny sasany ao amin’ny Baiboly ny andinin-teny hafa. Milaza, ohatra, ny bokin’ny Apokalypsy hoe 1260 andro ny fe-potoana telo sy tapany. (Apokalypsy 12:6, 14) Indroa an’io ny fe-potoana fito, izany hoe 2520 andro. Taona indraindray no tiana holazaina amin’ny hoe “andro” ao amin’ny Baiboly. (Ezekiela 4:6) Maharitra 2 520 taona àry ilay fe-potoana fito ao amin’ny bokin’i Daniela.

5. Niova ny fiainana nanomboka tamin’ny 1914

Efa nolazain’i Jesosy mialoha hoe hanao ahoana ny fiainana rehefa lasa Mpanjaka izy. Vakio ny Lioka 21:9-11, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Iza amin’ireo no efa hitanao na henonao?

Hanao ahoana ny toetran’ny olona mandritra ny andro farany amin’ny fitondran’olombelona? Niresaka momba an’izany ny apostoly Paoly. Vakio ny 2 Timoty 3:1-5, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Iza amin’ireo toetra ireo no efa hitanao amin’izao?

6. Mandrisika antsika hanao inona ny mahafantatra hoe efa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra?

Vakio ny Matio 24:3, 14, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona ilay asa lehibe mampiseho hoe efa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra?

  • Inona no azonao atao mba handraisana anjara amin’io asa io?

Efa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary kely sisa izy io dia hanjaka amin’ny tany manontolo. Vakio ny Hebreo 10:24, 25, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Efa hitantsika hoe “mihamanakaiky ilay andro.” Inona àry no tokony hataontsika tsirairay?

Inona no hataonao raha ohatra ianao ka mahafantatra zavatra mety hanampy sy hanavotra olona?

METY HISY HANONTANY HOE: “Fa maninona ny Vavolombelon’i Jehovah no milaza hoe taona miavaka ny 1914?”

  • Ahoana no havalinao?

FAMINTINANA

Hita hoe efa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra rehefa jerena ny faminanian’ny Baiboly sy ny fiainantsika amin’izao. Asehontsika hoe mino an’izany isika rehefa mitory momba an’ilay Fanjakana sy manatrika ny fivorian’ny fiangonana.

Famerenana

  • Inona no nitranga rehefa tapitra ilay fe-potoana fito resahin’ny bokin’i Daniela?

  • Nahoana ianao no resy lahatra hoe tamin’ny 1914 ny Fanjakan’Andriamanitra no nanomboka nitondra?

  • Ahoana no hampisehoanao fa mino ianao hoe efa mitondra ilay Fanjakana?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Nahoana no nanova ny fiainan’ny lehilahy iray ilay faminaniana ao amin’ny Matio 24:14?

“Adalana Base-ball Aho!” (Ny Tilikambo Fiambenana No. 3 2017)

a Vakio ny  lahatsoratra roa farany ao amin’ilay fizarana hoe Jereo koa Ireto.