Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 35

Ahoana no Atao Raha Te Hahay Hanapa-kevitra?

Ahoana no Atao Raha Te Hahay Hanapa-kevitra?

Be dia be ny fanapahan-kevitra mila raisintsika eo amin’ny fiainana. Mety hisy vokany be amintsika sy amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny ankamaroan’izy ireny. Mila manapa-kevitra, ohatra, isika hoe aiza no hipetraka, inona no asa hatao, ary hanambady ve sa tsia. Mampifaly an’i Jehovah isika sady sambatra rehefa mahay manapa-kevitra.

1. Ahoana no azonao ampiasana ny Baiboly rehefa hanapa-kevitra?

Rehefa hanapa-kevitra ianao, dia mangataha aloha fanampiana amin’i Jehovah ary jereo ao amin’ny Baiboly ny heviny. (Vakio ny Ohabolana 2:3-6.) Tonga dia manome lalàna mazava be i Jehovah indraindray. Mila manaraka an’ilay izy fotsiny àry isika raha te handray fanapahan-kevitra tsara.

Ahoana anefa raha tsy misy lalàna mazava milaza an’izay tokony hataonao, ao amin’ny Baiboly? Mbola afaka mitarika anao “any amin’izay lalana tokony halehanao” ihany i Jehovah. (Isaia 48:17) Ahoana no ataony? Manome toro lalana izy ao amin’ny Baiboly. Fampianarana fototra mampiseho ny fomba fihevitr’i Jehovah sy ny fihetseham-pony no atao hoe toro lalana. Rehefa mamaky tantara ao amin’ny Baiboly isika, dia matetika no lasa mahafantatra ny hevitr’i Jehovah momba ny zavatra iray. Ho haintsika avy eo hoe inona no tokony hatao mba hampifaliana azy.

2. Inona avy no tokony hoeritreretinao alohan’ny hanapahana hevitra?

Milaza ny Baiboly hoe: “Ny olona malina ... mieritreritra tsara isaky ny hanao zavatra.” (Ohabolana 14:15) Midika izany fa mila maka fotoana handinihana ny safidy rehetra anananao ianao, alohan’ny hanapahana hevitra. Eritrereto hoe: ‘Inona ny toro lalan’ny Baiboly afaka manampy ahy? Iza amin’ireo safidy ireo no hampilamina ny eritreritro? Inona no ho vokatr’ity fanapahan-kevitro ity amin’ny hafa?’ Ary ny tena zava-dehibe dia hoe: ‘Hampifaly an’i Jehovah ve ilay izy?’​—Deoteronomia 32:29.

Manana zo hilaza amintsika i Jehovah hoe inona no tsara dia inona no ratsy. Rehefa mahafantatra tsara ny lalàny sy ny toro lalany isika sady tapa-kevitra hanaraka azy ireny, dia lasa miasa tsara ny feon’ny fieritreretantsika. Ny feon’ny fieritreretana dia ny fahaizantsika mamantatra ny atao hoe tsara sy ratsy. (Romanina 2:14, 15) Raha zarintsika hanaraka an’izay lazain’ny Baiboly ny feon’ny fieritreretantsika, dia hanampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara izy io.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika bebe kokoa hoe nahoana ny toro lalan’ny Baiboly sy ny feon’ny fieritreretana no manampy antsika hahay hanapa-kevitra.

3. Avelao hitari-dalana anao ny Baiboly

Nahoana ny toro lalan’ny Baiboly no afaka manampy antsika hanapa-kevitra? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Avelan’i Jehovah hanao inona isika?

  • Nahoana isika no nomen’i Jehovah safidy malalaka?

  • Inona no nomeny antsika mba hanampiana antsika handray fanapahan-kevitra tsara?

Hoatran’ny ahoana izany hoe toro lalana izany? Vakio ny Efesianina 5:15, 16. Iaraho midinika avy eo hoe: Ahoana no ‘hampiasanao tsara ny fotoananao’ mba...

  • hamakiana Baiboly isan’andro?

  • hanatsarana ny fifandraisana amin’ny vady aman-janaka, na amin’ny ray aman-dreny?

  • hanatrehana ny fivorian’ny fiangonana?

4. Zaro hiasa tsara ny feon’ny fieritreretanao

Mora ny manapa-kevitra rehefa mazava be ny lalàn’ny Baiboly momba ny zavatra iray. Ahoana anefa rehefa tsy manome lalàna mazava ny Baiboly? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona no nataon’ilay anabavy tao amin’ilay video mba ho zatra hiasa tsara ny feon’ny fieritreretany, ka hampifaly an’i Jehovah ny fanapahan-kevitra raisiny?

Nahoana no tsy mety raha ny olon-kafa no asaintsika manapa-kevitra ho antsika? Vakio ny Hebreo 5:14, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Hoatran’ny tsotra kokoa ilay hoe ny hafa no asaintsika manapa-kevitra ho antsika. Inona anefa no tokony ho vitantsika tsirairay, araka ilay andinin-teny?

  • Inona ny fitaovana azontsika ampiasaina mba hanazarana ny feon’ny fieritreretantsika, ka hahatonga antsika hahay hanapa-kevitra?

Hoatran’ny sarintany manampy antsika hahita ny lalana tokony halehantsika ny feon’ny fieritreretana

5. Hajao ny feon’ny fieritreretan’ny hafa

Tsy mitovy ny fanapahan-kevitra raisin’ny olona. Ahoana àry no ampisehoantsika hoe manaja ny feon’ny fieritreretan’ny hafa isika? Diniho ireto zava-mitranga roa ireto:

Zava-mitranga 1: Tia manao makiazy ny anabavy iray. Ny anabavy any amin’ny fiangonana nifindrany anefa tafintohina rehefa mahita olona manao an’izany.

Vakio ny Romanina 15:1 sy ny 1 Korintianina 10:23, 24, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no mety hataon’io anabavy io, raha manaraka an’ireo andinin-teny ireo izy? Inona no hataonao raha misy zavatra iray mety amin’ny feon’ny fieritreretanao nefa tsy mety amin’ny feon’ny fieritreretan’ny hafa?

Zava-mitranga 2: Fantatry ny rahalahy iray fa tsy raran’ny Baiboly ny hoe misotro zava-pisotro misy alkaola raha araka ny antonony. Nanapa-kevitra anefa izy hoe tsy hisotro mihitsy. Voasa amin’ny fiaraha-mikorana iray izy, ary mahita rahalahy vitsivitsy misotro zava-pisotro misy alkaola.

Vakio ny Mpitoriteny 7:16 sy ny Romanina 14:1, 10, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no mety hataon’io rahalahy io, raha manaraka an’ireo andinin-teny ireo izy? Inona no hataonao raha mahita olona manao zavatra tsy mety amin’ny feon’ny fieritreretanao ianao?

 Inona no hanampy anao hahay hanapa-kevitra?

1. Mivavaha amin’i Jehovah mba hahitanao an’izay tokony hatao.​—Jakoba 1:5.

2. Manaova fikarohana ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny boky sy gazety mba hahitanao toro lalana. Afaka manontany Kristianina matotra koa ianao.

3. Eritrereto ny vokatr’ilay izy eo amin’ny feon’​ny fieritreretanao sy ny feon’​ny fieritreretan’​ny hafa.

MISY MITENY HOE: “Afaka manao an’izay tianao ianao, fa aza miraharaha an’izay eritreretin’ny olona any.”

  • Nahoana isika no tokony hieritreritra ny fihetseham-pon’Andriamanitra sy ny an’ny olon-kafa?

FAMINTINANA

Hahay hanapa-kevitra isika raha miezaka hahafantatra ny hevitr’i Jehovah. Mila dinihintsika koa sao dia hisy vokany ratsy amin’ny hafa ny zavatra hataontsika.

Famerenana

  • Inona no tokony hataonao raha tianao hampifaly an’i Jehovah ny fanapahan-kevitra raisinao?

  • Inona no azonao atao mba ho zatra hiasa tsara ny feon’ny fieritreretanao?

  • Ahoana no ampisehoanao hoe manaja ny feon’ny fieritreretan’ny hafa ianao?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Inona no hanampy anao handray fanapahan-kevitra manome voninahitra an’Andriamanitra?

“Omeo Voninahitra i Jehovah Rehefa Manapa-kevitra Ianao” (Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2011)

Ahoana no ataon’i Jehovah rehefa manoro hevitra antsika?

Mitarika ny Vahoakany i Jehovah (9:50)

Nila nandray fanapahan-kevitra lehibe ny lehilahy iray. Inona no nanampy azy?

Avy Amin’i Jehovah ny Zavatra Tsara Azo Antoka Rehetra (5:51)

Ahoana no atao rehefa tsy manome lalàna mazava momba ny zavatra iray i Jehovah?

“Mila Lalàna Ara-baiboly Foana ve Ianao?” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 2003)