Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 37

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Asa sy ny Vola?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Asa sy ny Vola?

Efa nisy fotoana ve ianao niady saina be tamin’ny resaka asa na vola? Tsy mora indraindray ny hoe sady mitady an’izay ilaintsika no manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Misy torohevitra afaka manampy antsika anefa ao amin’ny Baiboly.

1. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny asa?

Tian’i Jehovah hankafy ny asantsika isika. Milaza ny Baiboly fa “tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny hoe ... mankafy ny asa mafy ataony.” (Mpitoriteny 2:24) Na i Jehovah aza miasa mafy. Mampifaly azy isika sady afa-po rehefa mazoto miasa hoatr’azy.

Tena ilaina ny asa, nefa tsy tokony ho lasa zava-dehibe kokoa noho ny fanompoantsika an’i Jehovah. (Jaona 6:27) Mampanantena izy fa hanome an’izay ilaintsika, raha ny fanompoana azy no ataontsika zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana.

2. Ahoana no tokony hiheverantsika ny vola?

Milaza ny Baiboly hoe ‘fiarovana ny vola’, nefa mampitandrina koa izy io hoe tsy ny vola ihany no ilaina mba hahasambatra. (Mpitoriteny 7:12) Ampirisihiny àry isika mba tsy ho tia vola fa “hianina amin’izay efa eo.” (Vakio ny Hebreo 13:5.) Mora kivy na sorena ny olona rehefa tsy afa-po fa te hahazo zavatra foana. Tsy hoatr’izany kosa isika raha mianina amin’izay ananantsika. Tsy voatery hitrosa koa isika. (Ohabolana 22:7) Ankoatra izay, dia tsy hidi-kizo isika satria tsy ho voatarika hiloka na hanao zavatra lazaina fa mampanan-karena haingana.

3. Inona no fomba tsara azo ampiasana ny vola?

Andriamanitra malala-tanana i Jehovah. Manahaka azy isika rehefa “tia manome” sy “vonon-kizara.” (1 Timoty 6:18) Tia manome isika raha mampiasa ny volantsika mba hanohanana ny fiangonana sy hanampiana ny sahirana, indrindra fa ny mpiray finoana amintsika. Tsy ny habetsahan’ny vola omentsika no zava-dehibe amin’i Jehovah, fa ny antony mahatonga antsika hanome. Ho sambatra isika sady hampifaly an’i Jehovah rehefa manome amin’ny fo.​—Vakio ny Asan’ny Apostoly 20:35.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hojerentsika hoe inona no soa ho azontsika raha tsy variana be amin’ny asa isika ary afa-po amin’izay ananantsika.

4. Manome voninahitra an’i Jehovah ve ny fomba fiasanao?

Tokony ho hita eo amin’ny fomba fiasantsika hoe naman’i Jehovah isika. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Hita amin’ilay video hoe manao ahoana ny toetran’i Tanjona rehefa any am-piasana. Inona no tena mahavariana anao amin’ny toetrany?

  • Inona no nataony mba tsy ho variana be amin’ny asa izy?

Vakio ny Kolosianina 3:23, 24, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana no zava-dehibe ny hoe miasa amin’ny fo manontolo?

Tena ilaina ny asa, nefa tsy tokony ho lasa zava-dehibe kokoa noho ny fanompoantsika an’i Jehovah

5. Mandray soa isika rehefa mahay mianina

Betsaka no tsy afa-po fa mitady vola bebe kokoa foana. Hafa mihitsy anefa ny torohevitra omen’ny Baiboly. Vakio ny 1 Timoty 6:6-8, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ampirisihin’ny Baiboly hanao inona isika?

Afaka ny ho sambatra isika na dia tsy manan-javatra firy aza. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Nahoana no sambatra ireo fianakaviana ireo na dia mahantra aza?

Ahoana indray raha efa ampy tsara ny volantsika nefa mbola te hahazo ihany isika? Hita amin’ny fanoharana nolazain’i Jesosy fa mampidi-doza izany. Vakio ny Lioka 12:15-21, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no ianaranao avy amin’io fanoharana io?​—Jereo ny andininy 15.

Vakio ary ampitahao ny Ohabolana 10:22 sy ny 1 Timoty 6:10. Iaraho midinika avy eo ireto fanontaniana ireto:

  • Araka ny hevitrao, inona no zava-dehibe kokoa: Mifandray tsara amin’i Jehovah sa manam-bola be? Nahoana?

  • Inona avy ny olana mety hitranga raha tsy afa-po isika fa mitady vola bebe kokoa foana?

6. Hanome an’izay ilaintsika i Jehovah

Mety ho sahirana ara-bola isika na hanana olana amin’ny asantsika. Ahoana no ampisehoantsika amin’izay hoe matoky an’i Jehovah isika? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona avy ny olana nahazo an’ilay rahalahy tao amin’ilay video?

  • Inona no nataony mba hiatrehana an’ireo olana ireo?

Vakio ny Matio 6:25-34, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no ampanantenain’i Jehovah antsika raha ny fanompoana azy no ataontsika zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana?

MISY MITENY HOE: “Tsy vitako ilay mivory isan-kerinandro, satria izaho tsy maintsy miasa mafy mba hamelomana ny fianakaviako.”

  • Inona ny andinin-teny mandresy lahatra anao hoe hanome izay ilaintsika i Jehovah raha ny fanompoana azy no zava-dehibe indrindra amintsika?

FAMINTINANA

Ilaina ny asa sy ny vola, nefa tsy tokony havelantsika hanelingelina ny fanompoantsika an’i Jehovah.

Famerenana

  • Inona no hanampy anao tsy ho variana be amin’ny asa?

  • Inona no soa horaisinao raha afa-po amin’izay anananao ianao?

  • Ahoana no ampisehoanao fa matoky ianao hoe hanome an’izay ilain’ny vahoakany i Jehovah?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Inona no tokony hataontsika raha tiantsika ho faly i Jehovah rehefa manome isika?

“Mety Foana ve ny Manome?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Inona no nampiova ny lehilahy iray mpiloka sady mpangalatra?

‘Tena Tiako ny Hazakaza-tsoavaly’ (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2011)