Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 41

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Firaisana?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Firaisana?

Betsaka no tsy mahazo aina rehefa miresaka momba ny firaisana. Ny Baiboly anefa tsy miolakolaka rehefa miresaka momba an’izany, sady mihaja tsara ny fomba iresahany an’ilay izy. Mahasoa antsika ny zavatra voalaza ao. Avy amin’i Jehovah, ilay Mpamorona antsika, mantsy ny Baiboly, dia izy no tena mahafantatra an’izay mahasoa antsika. Atorony antsika hoe inona no tokony hatao raha te hampifaly azy isika sady te hankafy fiainana foana mandrakizay.

1. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny firaisana?

Fanomezana avy amin’i Jehovah ny firaisana. Ny lehilahy sy vehivavy efa mpivady ihany no tiany hankafy azy io. Tsy hoe lasa afaka manan-janaka fotsiny izy ireo noho io fanomezana io, fa afaka mifaneho fitiavana sy mahazo fahafinaretana koa. Izany no mahatonga ny Tenin’Andriamanitra hilaza hoe: “Enga anie ianao hifaly amin’ny vadin’ny fahatanoranao!” (Ohabolana 5:18, 19) Tian’i Jehovah hifankatia foana ny mpivady, amin’izay izy ireo tsy hanitsakitsa-bady mihitsy.​—Vakio ny Hebreo 13:4.

2. Inona no dikan’ny hoe mijangajanga?

Milaza ny Baiboly fa “tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra ... ny mpijangajanga.” (1 Korintianina 6:9, 10) Ilay teny grika hoe pôrneia no nampiasain’ny mpanoratra Baiboly mba hilazana ny fijangajangana. Inona avy no tafiditra amin’izy io? 1) Firaisana a ataon’ny olona tsy mpivady, 2) firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ary 3) firaisana amin’ny biby. Mampifaly an’i Jehovah isika sady mandray soa rehefa ‘mifady ny fijangajangana.’​—1 Tesalonianina 4:3.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hojerentsika hoe inona no hanampy anao hanalavitra ny fijangajangana, ary inona no soa horaisinao raha tsara fitondran-tena foana ianao.

3. Andosiro ny fijangajangana

Niezaka ho tsara fitondran-tena foana ilay mpanompon’Andriamanitra atao hoe Josefa. Vakio ny Genesisy 39:1-12, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Nahoana i Josefa no nandositra rehefa nasain’ilay vehivavy hanao firaisana aminy?​—Jereo ny andininy 9.

  • Nety ve ny nataon’i Josefa, araka ny hevitrao? Nahoana?

Inona no hanampy ny tanora handositra ny fijangajangana, hoatran’ny nataon’i Josefa? Alefaso ilay VIDEO.

Isika rehetra mihitsy no tian’i Jehovah hanalavitra ny fijangajangana. Vakio ny 1 Korintianina 6:18, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no mety hitarika ny olona iray hijangajanga?

  • Inona no azonao atao raha te handositra ny fijangajangana ianao?

4. Ho vitanao ny hanohitra fakam-panahy

Nahoana no mety ho sarotra ny manohitra fakam-panahy hijangajanga? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona no nataon’ilay rahalahy rehefa tsapany hoe mety hahatonga azy hanitsakitsa-bady ny zavatra noeritreretiny sy nataony?

Na ny Kristianina tsy mivadika aza indraindray mila miady mafy mba tsy hieritreri-dratsy. Inona àry no hanampy anao? Vakio ny Filipianina 4:8, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Zavatra hoatran’ny ahoana no tokony hoeritreretintsika?

  • Nahoana isika no hahavita hanohitra fakam-panahy raha mamaky Baiboly isan’andro sy mifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah?

5. Mahasoa antsika ny fitsipik’i Jehovah

Fantatr’i Jehovah izay tena mahasoa antsika. Lazainy amintsika hoe inona no mila atao raha te ho tsara fitondran-tena foana, ary inona no soa raisintsika avy amin’izany. Vakio ny Ohabolana 7:7-27 na alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Nahoana ilay tovolahy no nidi-kizo?​—Jereo ny Ohabolana 7:8, 9.

  • Mety hisy vokany ratsy be ny fijangajangana, araka ny Ohabolana 7:23, 26. Inona avy ny olana tsy hahazo antsika mihitsy raha tsara fitondran-tena foana isika?

  • Inona no fitahiana ho azontsika amin’ny hoavy raha tsara fitondran-tena foana isika?

Misy mieritreritra fa masiaka loatra ny Baiboly rehefa milaza hoe tsy mety ny fiarahan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Andriamanitra fitiavana anefa i Jehovah, dia tiany ho sambatra mandrakizay ny olona rehetra. Tsy maintsy manaraka ny fitsipiny isika raha te hiaina mandrakizay. Vakio ny 1 Korintianina 6:9-11, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy ihany ve no tsy tian’i Jehovah?

Mila manao fiovana daholo isika raha te hampifaly an’Andriamanitra. Matiantoka ve isika raha manao an’izany? Vakio ny Salamo 19:8, 11, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Hentitra loatra ve ny fitsipik’i Jehovah, araka ny hevitrao? Nahoana?

Be dia be ny olona efa nampian’i Jehovah hanaraka ny fitsipiny. Afaka manampy anao koa izy

MISY MITENY HOE: “Rehefa mifankatia fotsiny ny olona roa, dia efa afaka manao firaisana.”

  • Ahoana no havalinao?

FAMINTINANA

Fanomezana avy amin’i Jehovah ny firaisana, ary ny olona efa mpivady ihany no tiany hankafy azy io.

Famerenana

  • Inona no tafiditra amin’ny hoe mijangajanga?

  • Inona no hanampy antsika hanalavitra ny fijangajangana?

  • Inona no soa raisintsika rehefa manaraka ny fitsipik’i Jehovah isika?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Nahoana no zava-dehibe amin’Andriamanitra ny hoe mivady ara-dalàna ny olona roa?

“Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Tokantranomaso?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Mampirisika antsika hankahala lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy ve ny Baiboly?

“Ratsy ve ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Nahoana ny lalàn’Andriamanitra momba ny firaisana no miaro antsika?

“Tena Firaisana ve ny Firaisana Amin’ny Vava?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Niaraka tamin’ny lehilahy ny lehilahy iray taloha. Inona no nandrisika azy hiova sy hampifaly an’Andriamanitra? Vakio ilay tantara hoe ‘Nanaja Ahy Izy Ireo.’

“Manova Olona ny Baiboly” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2011)

a Tsy ny firaisana mahazatra ihany no tafiditra amin’izany, fa eo koa, ohatra, ny firaisana amin’ny vava, ny firaisana amin’ny lava-pitombenana, ary ny fikasikasihana ny filahiana na fivavian’olon-kafa.