Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 42

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Olona Manambady sy Tsy Manambady?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Olona Manambady sy Tsy Manambady?

Mieritreritra ny olona any amin’ny tany sasany hoe tsy ho sambatra mihitsy ny olona iray raha tsy manambady. Tsy ny olona manambady rehetra anefa no sambatra. Betsaka koa no tsy manambady nefa sambatra. Milaza ny Baiboly fa samy fanomezana avy amin’i Jehovah na ny hoe manambady na ny hoe tsy manambady.

1. Inona no maha tsara ny hoe tsy manambady?

Milaza ny Baiboly hoe: “Tsara ny manambady, saingy tsara kokoa ny tsy manambady.” (Vakio ny 1 Korintianina 7:32, 33, 38.) Nahoana no “tsara kokoa” ny hoe tsy manambady? Tsy misy vady mila karakaraina ny Kristianina tsy manambady, dia betsaka kokoa ny zavatra azony atao. Misy izao afaka manompo bebe kokoa, ohatra hoe mifindra any amin’ny toerana hafa mba hitory ny vaovao tsara. Ny tena zava-dehibe dia hoe manam-potoana kokoa izy ireo hifandraisana akaiky amin’i Jehovah.

2. Inona no maha tsara ny hoe mpivady ara-dalàna?

Misy tombony koa ny hoe manambady, hoatran’ilay hoe tsy manambady ihany. Milaza ny Baiboly fa “tsara ny roa noho ny iray.” (Mpitoriteny 4:9) Tena mahatsapa an’izany ny mpivady, indrindra fa ireo manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Rehefa mivady ara-dalàna ny olona roa, dia manao voady izy ireo hoe hifankatia sy hifanaja foana. Milamin-tsaina kokoa àry izy ireo, raha oharina amin’ny olona manao tokantranomaso. Milamin-tsaina koa ny ankizy rehefa fantany hoe mpivady ara-dalàna ny dadany sy ny mamany.

3. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fanambadiana?

Tamin’i Jehovah namorona ny fanambadiana, dia niteny izy hoe: “Handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny.” (Genesisy 2:24) Tiany hifankatia sy hiaraka foana ny mpivady raha mbola velona. Rehefa mijangajanga ny iray amin’izy ireo, dia izay i Jehovah vao mamela an-dry zareo hisara-panambadiana. Avelan’i Jehovah hisafidy ny hisaraka na tsia ny olona iray, raha nanitsakitsaka azy ny vadiny. a (Matio 19:9) Tsy tian’i Jehovah koa ilay hoe manambady maro.​—1 Timoty 3:2.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe afaka ny ho sambatra sy hampifaly an’i Jehovah ianao, na manambady na tsy manambady.

4. Hararaoty tsara raha tsy manambady ianao

Fanomezana ny hoe tsy manambady, tamin’i Jesosy. (Matio 19:11, 12) Vakio ny Matio 4:23, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Tsy nanambady i Jesosy, ka nohararaotiny izany mba hanompoana ny Rainy sy hanampiana ny hafa. Inona avy, ohatra, no nataony?

Afaka ny ho sambatra koa ny Kristianina tsy manambady, raha manahaka an’i Jesosy. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona avy ny zavatra azon’ny Kristianina tsy manambady atao?

Fantatrao ve?

Tsy milaza ny Baiboly hoe firy taona ny olona iray vao afaka manambady. Mampirisika anefa izy io hoe aleo rehefa “tsy ao anatin’ilay fotoana fivelaran’ny fahatanorana intsony” vao manambady. (1 Korintianina 7:36) Mety tsy hisaina tsara mantsy ny tanora amin’io fotoana io, satria mahery be ny faniriana hanao firaisana.

5. Fidio tsara izay ho vadinao

Anisan’ny fanapahan-kevitra lehibe indrindra horaisinao ny hoe iza no ho vadinao. Vakio ny Matio 19:4-6, 9, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Maninona ny Kristianina iray no tsy tokony ho maika hanambady?

Atoron’ny Baiboly hoe hoatran’ny ahoana no atao hoe vady tsara. Ny tena mila jerena dia hoe tia an’i Jehovah ve izy. b Vakio ny 1 Korintianina 7:39 sy ny 2 Korintianina 6:14, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Nahoana no Kristianina hoatr’antsika ihany no tokony ho vadintsika?

  • Araka ny hevitrao, inona no tsapan’i Jehovah raha manambady olona tsy tia azy isika?

Raha biby roa tsy mitovy no miray zioga dia hijaly izy ireo. Raha manambady olona tsy manompo an’i Jehovah koa ny Kristianina iray dia hahita olana be dia be

6. Mitovy amin’ny an’i Jehovah ve ny fiheveranao ny fanambadiana?

Fitiavan-tena no nahatonga ny lehilahy israelita sasany hisaraka tamin’ny vadiny. Vakio ny Malakia 2:13, 14, 16, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana no halan’i Jehovah raha misara-panambadiana ny olona, nefa tsy fijangajangana no antony?

Misy vokany ratsy be ny fanitsakitsaham-bady sy ny fisaraham-panambadiana, satria mijaly ilay vady tsy manan-tsiny sy ny ankizy

Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Raha tsy manompo an’i Jehovah ny vadinao, inona no azonao atao mba ho sambatra ny tokantranonareo?

7. Araho ny fitsipik’i Jehovah momba ny fanambadiana

Mila ezaka be indraindray ny manaraka ny fitsipik’i Jehovah momba ny fanambadiana. c Tahin’i Jehovah anefa izay manao an’izany. Alefaso ilay VIDEO.

Vakio ny Hebreo 13:4, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Araka ny hevitrao, sarotra loatra ve ny manaraka ny fitsipik’i Jehovah momba ny fanambadiana? Nahoana?

Tian’i Jehovah raha misora-panambadiana ny Kristianina. Tiany koa raha atao ara-dalàna ny fisaraham-panambadiana. Izany mantsy no asain’ny manam-pahefana atao, any amin’ny tany maro. Vakio ny Titosy 3:1, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Raha manambady ianao, vita soratra ara-panjakana ve ianareo?

MISY MITENY HOE: “Afaka miray trano ny olona roa na dia tsy vita soratra aza.”

  • Ahoana no havalinao?

FAMINTINANA

Samy fanomezana avy amin’i Jehovah na ny hoe manambady na ny hoe tsy manambady. Mahasambatra daholo ireo raha manao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah ilay olona.

Famerenana

  • Inona avy ny zavatra azon’ny olona tsy manambady atao?

  • Nahoana ny Baiboly no milaza hoe Kristianina hoatr’antsika ihany no tokony ho vadintsika?

  • Inona ihany no antony ahafahana misara-panambadiana, araka ny Baiboly?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Inona no dikan’ny hoe manambady “ao amin’ny Tompo ihany”?

“Fanontanian’ny Mpamaky” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2004)

Hanampy anao handray fanapahan-kevitra tsara momba ny fanambadiana ity video misy fizarana roa ity.

Fiomanana ho Amin’ny Fanambadiana (11:53)

Nahoana ny rahalahy iray no mahatsapa hoe sarobidy lavitra noho izay nafoiny ny zavatra nomen’i Jehovah azy?

Nanantena Aho hoe ho Lasa Vavolombelona Izy (1:56)

Inona no mila eritreretin’ny olona iray alohan’ny hanapahany hevitra hoe hisara-panambadiana izy na hisintaka?

“Hajao ‘Izay Nampiraisin’Andriamanitra Zioga’” (Ny Tilikambo Fiambenana Desambra 2018)

a Rehefa inona no azo atao ny misintaka? Jereo ny Fanamarihana 4.

b Ny ray aman-dreny no mifidy vady ho an’ny zanany, any amin’ny tany sasany. Be fitiavana ry zareo raha jereny tsara aloha hoe tia an’i Jehovah ve ilay olona, fa tsy hoe manam-bola ve izy na hoe manana toerana ambony.

c Raha manao tokantranomaso ianao, dia anjaranao ny manapa-kevitra hoe hisaraka amin’ilay olona sa hanambady azy.