Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 45

Inona no Dikan’ny hoe Tsy Manohana An’ity Tontolo Ity?

Inona no Dikan’ny hoe Tsy Manohana An’ity Tontolo Ity?

Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe tsy tokony ho “anisan’izao tontolo izao” izy ireo. (Jaona 15:19) Tsy manohana an’ity tontolo ity àry isika, ka tsy mandray anjara amin’ny politika sy ady. Tsy mora anefa izany indraindray, satria mety haneso antsika ny olona. Ahoana no hampisehoantsika hoe tsy manohana an’ity tontolo ity isika ary tsy mivadika amin’i Jehovah Andriamanitra?

1. Ahoana no fiheveran’ny Kristianina ny fitondram-panjakana?

Manaja ny fitondram-panjakana ny Kristianina. Nilaza i Jesosy hoe: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara.” (Marka 12:17) Manaraka an’izany isika ka mankatò ny lalàna eo amin’ny firenena misy antsika. Mandoa hetra, ohatra, isika. Milaza ny Baiboly hoe matoa mbola eo ny fitondran’olombelona, dia satria avelan’i Jehovah hitondra. (Romanina 13:1) Fantatsika àry fa voafetra ny fahefan’ny mpitondra olombelona. Mino isika hoe i Jehovah Andriamanitsika sy ilay Fanjakany any an-danitra ihany no hahavita hamaha ny olana maneran-tany.

2. Ahoana no ampisehoantsika hoe tsy manohana an’ity tontolo ity isika?

Manahaka an’i Jesosy isika ka tsy miditra amin’ny politika. Nitady hanao azy ho mpanjaka, ohatra, ny olona rehefa nahita ny fahagagana nataony, nefa tsy nanaiky izy. (Jaona 6:15) Fa maninona? Nilaza izy tatỳ aoriana hoe: “Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako.” (Jaona 18:36) Mpianatr’i Jesosy isika, ka tsy manohana an’ity tontolo ity mihitsy. Betsaka ny fomba ampisehoantsika an’izany. Tsy mandeha miady, ohatra, isika. (Vakio ny Mika 4:3.) Hajaintsika koa ny marika amantarana ny firenena misy antsika, ohatra hoe ny sainam-pirenena, nefa tsy manindrahindra azy ireny isika. Hoatran’ny manompo azy ireny ihany mantsy isika raha izany. (1 Jaona 5:21) Tsy manohana antoko politika na kandidà koa isika sady tsy manohitra azy ireny. Anisan’ny fomba ampisehoantsika ireo hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no tohanantsika.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hojerentsika hoe rahoviana no mety ho sarotra amintsika ilay hoe tsy manohana an’ity tontolo ity, ary inona no azontsika atao mba hampifaly an’i Jehovah ny fanapahan-kevitra raisintsika.

3. Tsy manohana an’ity tontolo ity ny tena Kristianina

Modely ho antsika i Jesosy sy ny mpanara-dia azy. Vakio ny Romanina 13:1, 5-7 sy ny 1 Petera 2:13, 14. Alefaso ilay VIDEO avy eo, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Nahoana isika no tokony hanaja ny manam-pahefana?

  • Ahoana avy no ampisehoantsika hoe manaiky ny manam-pahefana isika?

Milaza fa tsy manohana an’iza na iza ny firenena sasany rehefa misy firenena roa miady, nefa samy ampiany na ny andaniny na ny ankilany. Tena izany ve anefa ilay hoe tsy manohana an’iza na iza? Vakio ny Jaona 17:16. Alefaso ilay VIDEO avy eo, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona no dikan’ny hoe tsy manohana an’ity tontolo ity?

Ahoana raha asain’ny manam-pahefana manao zavatra mifanohitra amin’ny fitsipik’i Jehovah isika? Vakio ny Asan’ny Apostoly 5:28, 29. Alefaso ilay VIDEO avy eo, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Raha mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra ny lalàn’olombelona, dia ny an’iza no tokony harahintsika?

  • Rehefa inona, ohatra, no tsy manaraka an’izay lazain’ny manam-pahefana ny Kristianina?

4. Aza manohana an’ity tontolo ity, na any an-tsainao na amin’ny zavatra ataonao

Vakio ny 1 Jaona 5:21. Alefaso ilay VIDEO avy eo, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Nahoana i Ayenge no tsy nanaiky hiditra amin’ny antoko politika na hanao fombafomba mampiseho fitiavan-tanindrazana, ohatra hoe manangan-tsaina?

  • Nety ve ny fanapahan-keviny, araka ny hevitrao?

Rahoviana koa no mety ho sarotra amintsika ilay hoe tsy manohana an’ity tontolo ity? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Ahoana no ampisehoantsika hoe tsy manohana an’ity tontolo ity isika rehefa mijery lalao iraisam-pirenena?

  • Ahoana no ampisehoantsika hoe tsy manohana an’ity tontolo ity isika, na dia misy vokany amintsika aza ny fanapahan-kevitry ny mpanao politika?

  • Inona no mety ho vokany raha zatra manaraka vaovao momba ny politika isika na minamana amin’ny olona tia miresaka momba ny politika?

Rahoviana ny Kristianina no mila mampiseho hoe tsy manohana an’ity tontolo ity izy, na any an-tsainy izany na amin’ny zavatra ataony?

METY HISY HANONTANY HOE: “Fa maninona ianareo no tsy manangan-tsaina na manao hiram-pirenena?”

  • Ahoana no havalinao?

FAMINTINANA

Miezaka mafy ny Kristianina mba tsy hanohana an’iza na iza amin’ny resaka politika, na any an-tsainy izany na amin’ny zavatra ataony sy lazainy.

Famerenana

  • Ahoana no fiheverantsika ny fitondram-panjakana?

  • Nahoana isika no tsy manohana an’iza na iza amin’ny resaka politika?

  • Rahoviana no mety ho sarotra amintsika ilay hoe tsy manohana an’ity tontolo ity?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Inona ny zavatra mety hafointsika rehefa tsy manohana an’ity tontolo ity isika?

Mbola Tsy Nanary Anay Mihitsy i Jehovah (3:14)

Inona no azon’ny fianakaviana atao mba ho vonona izy ireo rehefa mila mampiseho hoe tsy manohana an’ity tontolo ity?

Asehoy hoe Tsy Manohana An’ity Tontolo ity Ianao Nefa Manaja (4:25)

Ho hitanao ato fa mbola misy voninahitra lehibe noho ny hoe miaro ny firenena.

‘Hain’Andriamanitra ny Zava-drehetra’ (5:19)

Ahoana no ampisehoantsika hoe tsy anisan’izao tontolo izao isika rehefa mifidy asa?

‘Samy Hitondra ny Entany avy ny Tsirairay’ (Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 2006)