Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 46

Nahoana Ianao no Tokony Hanokan-tena sy Hatao Batisa?

Nahoana Ianao no Tokony Hanokan-tena sy Hatao Batisa?

Manokan-tena ho an’i Jehovah ianao rehefa mampanantena azy amin’ny alalan’ny vavaka hoe hanompo azy irery ihany, sady ny sitrapony no hataonao zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. (Salamo 40:8) Atao batisa ianao aorian’izay, mba hampisehoana amin’ny hafa hoe efa nanokan-tena. Ny hoe manokan-tena ho an’i Jehovah no fanapahan-kevitra lehibe indrindra horaisinao. Manova tanteraka ny fiainanao mantsy izy io. Inona àry no handrisika anao handray an’io fanapahan-kevitra io?

1. Inona no mandrisika ny olona iray hanokan-tena?

Fitiavana no mahatonga antsika hanokan-tena ho an’i Jehovah. (1 Jaona 4:10, 19) Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.” (Marka 12:30) Tsy milaza fotsiny isika hoe tia an’Andriamanitra, fa asehontsika amin’ny zavatra ataontsika koa izany. Rehefa tena mifankatia ny olona roa dia manapa-kevitra ny hivady izy ireo. Rehefa tia an’i Jehovah koa isika dia lasa te hanokan-tena ho azy sy hatao batisa.

2. Inona no fitahiana omen’i Jehovah an’ireo Vavolombelony vita batisa?

Lasa anisan’ny fianakavian’i Jehovah ianao rehefa vita batisa. Ho tsapanao hoe be dia be ny fomba hampisehoany ny fitiavany anao, ka vao mainka ianao ho akaiky azy. (Vakio ny Malakia 3:16-18.) Ho lasa Rainao i Jehovah. Hahazo rahalahy sy anabavy eran-tany koa ianao, ary tia an’i Jehovah ry zareo sady tia anao. (Vakio ny Marka 10:29, 30.) Misy zavatra mila ataonao anefa aloha, izay ianao vao azo atao batisa. Mila mianatra momba an’i Jehovah sy tia azy ary mino ny Zanany ianao. Farany, dia mila manokana ny fiainanao ho an’i Jehovah ianao. Raha manao an’ireo ianao ary atao batisa avy eo, dia ho afaka hankafy fiainana foana mandrakizay. Milaza ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Mamonjy anareo ny batisa.”​—1 Petera 3:21.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe nahoana ianao no tokony hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa.

3. Mila mifidy isika hoe iza no hotompointsika

Nieritreritra ny Israelita sasany hoe sady afaka manompo an’i Jehovah ry zareo no afaka manompo an’ilay andriamani-diso atao hoe Bala. Naniraka an’i Elia mpaminany anefa i Jehovah mba hanitsy azy ireo. Vakio ny 1 Mpanjaka 18:21, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no safidy tsy maintsy nataon’ny Israelita?

Mila mifidy koa isika hoe iza no hotompointsika. Vakio ny Lioka 16:13, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Nahoana isika no tsy afaka manompo an’i Jehovah sady manompo zavatra hafa na olon-kafa?

  • Ahoana no ampisehoantsika amin’i Jehovah hoe mifidy ny hanompo azy isika?

4. Saintsaino ny fitiavan’i Jehovah anao

Be dia be ny fanomezana nomen’i Jehovah antsika. Ary inona no azontsika omena azy? Alefaso ilay VIDEO.

Ahoana, ohatra, no nampisehoan’i Jehovah hoe tia anao izy? Vakio ny Salamo 104:14, 15 sy ny 1 Jaona 4:9, 10, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona avy ny fanomezana avy amin’i Jehovah tena ankasitrahanao?

  • Inona no tsapanao rehefa mieritreritra an’ireny fanomezana ireny ianao?

Rehefa mahazo fanomezana tena tiantsika isika, dia lasa te hankasitraka an’ilay nanome azy. Vakio ny Deoteronomia 16:17, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Rehefa mieritreritra ny zavatra rehetra nataon’i Jehovah ho anao ianao, dia inona no lasa tianao homena azy?

5. Mahazo fitahiana be dia be isika rehefa manokan-tena

Betsaka no mieritreritra hoe ho sambatra izy raha malaza, manana asa tsara, na manam-bola be. Marina ve izany? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Maninona ilay rahalahy tao amin’ilay video no niala tsy ho mpanao baolina intsony, na dia tena tiany aza izany?

  • Tapa-kevitra izy hoe hanokana ny fiainany ho an’i Jehovah fa tsy ho an’ny baolina. Nety ve ny fanapahan-keviny, araka ny hevitrao? Nahoana?

Niezaka hanana toerana ambony ny apostoly Paoly, talohan’izy lasa Kristianina. Nianatra momba ny lalàna jiosy izy, ary mpampianatra malaza no nampianatra azy. Nafoiny anefa izany satria te ho lasa Kristianina izy. Nanenina ve i Paoly? Vakio ny Filipianina 3:8, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Nahoana i Paoly no niteny hoe hoatran’ny “fako mivangongo” ny zavatra nataony tamin’izy mbola tsy Kristianina?

  • Inona no fitahiana azony?

  • Araka ny hevitrao, ho sambatra kokoa ve ianao raha mifidy ny hanompo an’i Jehovah? Nahoana?

Betsaka lavitra noho ny zavatra nafoin’i Paoly ny fitahiana azony rehefa lasa Kristianina izy

MISY MITENY HOE: “Sarotra be izany hoe manokana ny fiainanao manontolo ho an’Andriamanitra izany.”

  • Araka ny hevitrao, nahoana no ara-dalàna raha mifidy ny hanokan-tena ho an’i Jehovah isika?

FAMINTINANA

Fitiavana no mahatonga antsika hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa.

Famerenana

  • Nahoana i Jehovah no mendrika hotompoina sy hotiavina amin’ny fo manontolo?

  • Inona no fitahiana omen’i Jehovah an’ireo Vavolombelony vita batisa?

  • Te hanokan-tena ho an’i Jehovah ve ianao?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Nahoana ny mpihira iray sy ny mpanao baolina iray no nifidy ny hanokan-tena ho an’i Jehovah?

Manontany ny Tanora—Inona no Hataoko eo Amin’ny Fiainana?—Jery Todika (6:54)

Ho hitanao amin’ity hira ity hoe mahafaly ny manokan-tena ho an’i Jehovah.

Atokako ho Anao ny Fiainako (4:30)

Inona no nandrisika ny vehivavy iray handinika an’izay tena zava-dehibe taminy? Vakio ilay tantara hoe ‘Nieritreritra Foana Aho hoe: “Maninona Isika no Nisy?”’

“Manova Olona ny Baiboly” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2012)