Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 48

Fidio Tsara ny Namanao

Fidio Tsara ny Namanao

Eo foana ny namana akaiky na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Miara-mifaly amintsika ry zareo sady afaka mampahery antsika. Mampitandrina antsika anefa ny Baiboly hoe tsy ny olona rehetra no namana tsara. Inona àry no hanampy anao hahay hifidy namana? Diniho ireto fanontaniana ireto:

1. Misy vokany aminao ve ny namana fidinao?

Mora maka tahaka an’izay olona mifanerasera amintsika isika. Mety ho tsara izany nefa mety ho ratsy koa. Misy vokany amintsika foana ny namantsika, na mifandray aminy mivantana isika na amin’ny tambazotran-tserasera. Milaza ny Baiboly hoe: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina [olona tsy tia an’i Jehovah].” (Ohabolana 13:20) Hifandray akaiky amin’i Jehovah foana ianao sady handray fanapahan-kevitra tsara, raha olona tia azy sy manompo azy no ataonao namana. Mety hiala amin’i Jehovah kosa ianao raha minamana amin’ny olona tsy tia azy. Izany no mahatonga ny Baiboly hampirisika antsika mba hahay hifidy namana. Raha olona tia an’i Jehovah no namantsika, dia samy handray soa na isika na ry zareo. Afaka ‘mifampahery sy mifanampy foana’ mantsy isika, amin’izay.​—1 Tesalonianina 5:11.

2. Misy vokany amin’i Jehovah ve ny namana fidinao?

Fidin’i Jehovah tsara ny namany. “Ataony namana akaiky ... ny olona manao izay mahitsy.” (Ohabolana 3:32) Tena ho diso fanantenana i Jehovah raha olona tsy tia azy no ataontsika namana. (Vakio ny Jakoba 4:4.) Inona kosa no ho tsapany raha tsy miaraka amin’ny naman-dratsy isika, fa miezaka hinamana aminy sy amin’ny olona tia azy? Tena ho faly izy ary hekeny ho namany isika.​—Salamo 15:1-4.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe nahoana no tena ilaina ny mahay mifidy namana, ary ahoana no atao raha te hahazo namana tsara.

3. Mitandrema amin’ny naman-dratsy

Naman-dratsy ny olona tsy tia an’i Jehovah sy ny fitsipiny. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Ahoana no mety hahatonga antsika hiaraka amin’ny naman-dratsy nefa tsy hahatsapa an’ilay izy akory?

Vakio ny 1 Korintianina 15:33, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Olona hoatran’ny ahoana no hitanao hoe naman-dratsy? Nahoana?

Vakio ny Salamo 119:63, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Olona hoatran’ny ahoana no namana tsara?

Paoma lo anankiray dia efa mety hanimba ny paoma hafa rehetra. Inona no mety ho vokany raha miaraka amin’ny naman-dratsy ianao na dia iray fotsiny aza?

4. Olona tsy mitovy amintsika no mety ho lasa namantsika

Miresaka momba ny lehilahy israelita roa atao hoe Davida sy Jonatana ny Baiboly. Nifanelanelana be ny taonan-dry zareo sady tsy nitovy ny zavatra niainany. Mpinamana be anefa izy roa lahy. Vakio ny 1 Samoela 18:1, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana no tsy voatery hoe izay mitovy taona na fari-piainana amintsika ihany no ataontsika namana?

Vakio ny Romanina 1:11, 12, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Afaka mifampahery ny mpinamana rehefa samy tia an’i Jehovah. Inona, ohatra, no azon’izy ireo atao?

Asehon’ity video ity hoe olona tsy nampoizin’ny rahalahy iray no lasa namany. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Nahoana ny dada sy maman’i Aina no niresaka taminy momba ny namany any am-pianarana?

  • Inona no nahatonga an’i Aina hinamana tamin’ny mpiara-mianatra aminy?

  • Inona no nanampy azy tsy hahatsiaro ho irery intsony?

5. Ahoana no atao raha te hahazo namana tsara?

Ahoana no hahazoana tena namana, ary ahoana no hahatonga anao ho tena namana? Alefaso ilay VIDEO.

Vakio ny Ohabolana 18:24 sy ny 27:17, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Mifanampy ny tena mpinamana. Ahoana no ataon’izy ireo?

  • Manana namana tsara hoatr’izany ve ianao? Raha mbola tsy manana ianao, dia inona no azonao atao?

Vakio ny Filipianina 2:4, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ianao mihitsy aloha no tokony ho namana tsara raha tianao ny hahazo namana tsara. Ahoana no ampisehoanao an’izany?

Ianao mihitsy aloha no tokony ho namana tsara raha tianao ny hahazo namana tsara

MISY MITENY HOE: “Azo atao namana daholo ny olona rehetra.”

  • Ahoana no havalinao?

FAMINTINANA

Mampifaly an’i Jehovah isika sady mandray soa rehefa mahay mifidy namana.

Famerenana

  • Nahoana no zava-dehibe amin’i Jehovah ny namana fidintsika?

  • Olona hoatran’ny ahoana no tsy tokony hataontsika namana?

  • Inona no azonao atao raha te hahazo namana tsara ianao?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Ho hitanao ato hoe afaka manampy ny tena namana rehefa ao anatin’ny sarotra.

“Miezaha ho Mpinamana Be Dieny Mbola Tsy Tonga ny Farany” (Ny Tilikambo Fiambenana Novambra 2019)

Inona no tokony ho fantatrao momba ny namana ao amin’ny Internet?

Mbà Fetsifetsy Amin’ny Internet! (4:12)

Nahoana ny lehilahy iray no tsy niaraka tamin’ny namany intsony? Vakio ilay tantara hoe ‘Mba Te Hanana Dada Aho.’

“Manova Olona ny Baiboly” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2012)