Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 50

Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao? Fizarana 2

Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao? Fizarana 2

Fanomezana avy amin’i Jehovah ny zanaka. Tiany raha mikarakara tsara an’io fanomezana io ny ray aman-dreny. Omeny torohevitra izy ireo mba hahavitany an’izany. Lazainy koa hoe inona no azon’ny ankizy atao mba ho sambatra ny fianakaviany.

1. Inona no torohevitr’i Jehovah ho an’ny ray aman-dreny?

Milaza i Jehovah hoe tokony ho tia ny zanany ny ray aman-dreny sady tokony hanokana fotoana be dia be hiarahana amin’izy ireo. Tiany hiaro ny zanany koa ny ray aman-dreny ary tiany hampiasa ny toro lalan’ny Baiboly mba hampianarana azy ireo. (Ohabolana 1:8) Izao no asainy ataon’ny raim-pianakaviana: ‘Tezao foana araka izay atoron’i Jehovah ny zanakareo.’ (Vakio ny Efesianina 6:4.) Ho faly i Jehovah raha manaraka ny tari-dalany ny ray aman-dreny rehefa mitaiza ny zanany, ary tsy manome an’izany andraikitra izany ho an’ny olon-kafa.

2. Inona no torohevitr’i Jehovah ho an’ny ankizy?

Izao no asain’i Jehovah ataon’ny ankizy: ‘Ankatoavy ny ray aman-dreninareo.’ (Vakio ny Kolosianina 3:20.) Rehefa manaja sy mankatò ray aman-dreny ny ankizy, dia samy faly na i Jehovah na ny ray aman-dreniny. (Ohabolana 23:22-25) Modely i Jesosy tamin’izy mbola ankizy. Na dia lavorary aza izy, dia nanaja sy nankatò ny ray aman-dreniny.​—Lioka 2:51, 52.

3. Inona no hanampy anareo mianakavy ho akaiky kokoa an’Andriamanitra?

Raha manan-janaka ianao, dia azo antoka hoe tianao raha tia be an’i Jehovah hoatr’anao ny zanakao. Inona àry no mila ataonao? Araho ity lazain’ny Baiboly ity: “Alenteho tsikelikely ao an-tsain’ny zanakao [ny tenin’i Jehovah] ary resaho na rehefa mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana.” (Deoteronomia 6:7) Mamerimberina mampianatra no dikan’ny hoe ‘mandentika tsikelikely.’ Fantatry ny ray aman-dreny tsara fa mila averimberina foana ny zavatra iray vao tadidin’ny ankizy. Te hilaza io andinin-teny io hoe tokony hitady hirika ianao mba hiresahana matetika amin’ny zanakao momba an’i Jehovah. Tsara raha manokana fotoana isan-kerinandro ianareo mianakavy mba hiarahana mianatra Baiboly. Na tsy manan-janaka aza ianareo mivady, dia mbola handray soa foana raha miara-mianatra ny Tenin’Andriamanitra isan-kerinandro.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe inona no torohevitra hanampy ny fianakavianao ho sambatra sy ho voaro.

4. Miezaha ho be fitiavana rehefa mampianatra ny zanakao

Tsy mora indraindray ny mampianatra ny ankizy. Inona no torohevitry ny Baiboly hanampy anao? Vakio ny Jakoba 1:19, 20, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Ahoana no ampisehoan’ny ray aman-dreny hoe be fitiavana izy ireo rehefa miresaka amin’ny zanany?

  • Maninona ny ray aman-dreny no tsy tokony hanafay ny zanany raha mbola tezitra? a

5. Arovy ny zanakao

Raha te hiaro ny zanakao ianao, dia tena mila miresaka amin’izy ireo momba ny firaisana. Mety hahamenatra anefa izany. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Nahoana no sarotra amin’ny ray aman-dreny sasany ny miresaka amin’ny zanany momba ny firaisana?

  • Ahoana no nataon’ny ray aman-dreny sasany mba hiresahana amin’ny zanany momba ny firaisana?

Miharatsy foana ny tontolon’i Satana, araka ny efa nolazain’ny Baiboly mialoha. Vakio ny 2 Timoty 3:1, 13, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Anisan’ireo ratsy fanahy resahin’ny andininy faha-13 ny olona mametaveta ankizy. Nahoana àry ny ray aman-dreny no tena mila miresaka amin’ny zanany momba ny firaisana sy mampianatra azy ireo hiaro tena amin’ny mpametaveta?

Fantatrao ve?

Betsaka ny lahatsoratra sy video navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana ny ray aman-dreny hiresaka amin’ny zanany momba ny firaisana sy hiaro azy ireo amin’ny mpametaveta. Anisan’izany ireto:

6. Hajao ny ray aman-dreninao

Hita amin’ny fomba firesakao amin’ny ray aman-dreninao raha manaja azy ireo ianao na tsia. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona no vokany raha manaja ny ray aman-dreniny ny ankizy sy ny tanora rehefa miresaka amin-dry zareo?

  • Ahoana no ampisehoan’ny ankizy sy ny tanora hoe manaja ny ray aman-dreniny izy rehefa miresaka amin-dry zareo?

Vakio ny Ohabolana 1:8, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ahoana no tokony hataon’ny ankizy sy ny tanora rehefa manome torohevitra azy ny ray aman-dreniny?

7. Manokàna fotoana hiarahana mianatra Baiboly

Manokana fotoana hianarana Baiboly miaraka amin’ny fianakaviany ny Vavolombelon’i Jehovah, isan-kerinandro. Antsoina hoe Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana izy io. Hoatran’ny ahoana ilay izy? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona no azo atao raha te hahavita Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana foana isan-kerinandro?

  • Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hahafinaritra sy hifanaraka amin’izay ilain’ny fianakaviany ny fotoam-pivavahan’izy ireo?​—Jereo ny sary eo am-piandohan’ity lesona ity.

  • Nahoana no mety ho sarotra amin’ny fianakavianao ilay hoe miara-mianatra?

Nasain’i Jehovah niresaka matetika momba ny Soratra Masina ny fianakaviana israelita. Vakio ny Deoteronomia 6:6, 7, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ahoana no azonao ampiharana an’io toro lalana io?

Inona no azo atao amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana?

MISY MITENY HOE: “Tsy manam-potoana hampianarana Baiboly ny zanakay izahay fa sahirana foana.”

  • Ahoana no havalinao?

FAMINTINANA

Tian’i Jehovah raha tia sy mampianatra ary miaro ny zanany ny ray aman-dreny. Ny ankizy indray tiany hanaja sy hankatò ny ray aman-dreniny. Tiany koa raha miara-mianatra Baiboly ny fianakaviana.

Famerenana

  • Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hampianarana sy hiarovana ny zanany?

  • Ahoana no ampisehoan’ny ankizy hoe manaja ny ray aman-dreniny izy?

  • Inona avy ny soa azon’ny fianakaviana raha manokana fotoana hiarahana mianatra Baiboly izy ireo isan-kerinandro?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Inona no mila ampianarina ny ankizy mba hahavita hiatrika ny fiainana izy ireo?

“Zavatra Enina Mila Ampianarina ny Ankizy” (Mifohaza! No. 2 2019)

Inona no torohevitry ny Baiboly ho an’ireo mikarakara ray aman-dreny be taona?

“Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fikarakarana Ray Aman-dreny Be Taona?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Ho hitanao ato hoe inona no nanampy ny lehilahy iray hahay hitaiza.

Nampianarin’i Jehovah Hahay Hitaiza Izahay (5:58)

Inona no torohevitra hanampy ny raim-pianakaviana hifandray tsara amin’ny zanany lahy?

“Inona no Hanampy ny Ray Hifandray Tsara Amin’ny Zanany Lahy?” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2011)

a Ny hoe ‘manafay’, ao amin’ny Baiboly, dia mifandray amin’ny hoe manome toromarika, mitari-dalana, ary manitsy. Tsy midika mihitsy izy io hoe mampijaly.​—Ohabolana 19:18.