Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 51

Mampifaly An’i Jehovah ve Ianao Rehefa Miresaka?

Mampifaly An’i Jehovah ve Ianao Rehefa Miresaka?

Nomen’i Jehovah fanomezana tsara be isika rehefa noforoniny. Nataony mahay miteny isika. Tena zava-dehibe aminy ny fomba ampiasantsika an’io fanomezana io. (Vakio ny Jakoba 1:26.) Inona àry no mila ataontsika mba hampifaly an’i Jehovah isika rehefa miresaka?

1. Ahoana no tokony hampiasantsika ny fahaizantsika miteny?

Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Miezaha ... hifampahery sy hifanampy foana.” (1 Tesalonianina 5:11) Mahafantatra olona mila ampaherezina ve ianao? Inona no azonao atao mba hampaherezana azy? Omeo toky izy hoe sarobidy aminao. Azonao lazaina aminy, ohatra, ny toetrany tianao. Misy andinin-teny hitanao hoe mety hampahery olona iray ve? Betsaka no azonao isafidianana. Tadidio koa hoe tsy ny teninao ihany no misy vokany amin’ny hafa, fa ny fomba ilazanao azy koa. Miezaha foana àry ho tsara fanahy rehefa miresaka.​—Ohabolana 15:1.

2. Teny hoatran’ny ahoana no tsy tokony holazaintsika?

Milaza ny Baiboly hoe: “Aza avela hisy teny ratsy hivoaka amin’ny vavanareo.” (Vakio ny Efesianina 4:29.) Midika izany fa tsy tokony hiteny ratsy isika na hiteny zavatra mankarary fo. Tsy tokony hifosa koa isika na hanendrikendrika.​—Vakio ny Ohabolana 16:28.

3. Inona no hanampy antsika hilaza zavatra mampahery?

Matetika no hita amin’ny zavatra lazaintsika hoe inona no tena any am-pontsika sy any an-tsaintsika. (Lioka 6:45) Mila mizatra mieritreritra zavatra tsara àry isika, izany hoe zavatra ankasitrahan’Andriamanitra, madio, mahatehotia, ary mendri-piderana. (Filipianina 4:8) Ho vitantsika izany raha fidintsika tsara ny namantsika sy ny fialam-boly ataontsika. (Ohabolana 13:20) Hilaza zavatra mampahery koa isika raha mieritreritra aloha vao miteny. Diniho hoe: ‘Raha miteny an’izany aho, dia inona no mety ho vokatr’ilay izy amin’ny hafa?’ Milaza ny Baiboly hoe: “Manindrona hoatran’ny sabatra ny teny tsy voahevitra, fa manasitrana kosa ny tenin’ny hendry.”​—Ohabolana 12:18.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe inona no azonao atao mba hampifaly an’i Jehovah sy hampahery ny hafa ianao rehefa miresaka.

4. Tandremo tsara izay lazainao

Milaza zavatra anenenantsika isika indraindray. (Jakoba 3:2) Vakio ny Galatianina 5:22, 23, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Iza amin’ireo toetra ireo no azonao angatahina amin’ny vavaka, mba ho vitanao ny hitandrina an’izay lazainao? Nahoana ireo toetra ireo no mety hanampy anao?

Vakio ny 1 Korintianina 15:33, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Misy vokany eo amin’ny fomba fiteninao ny namana sy ny fialam-boly fidinao. Inona, ohatra, no mety ho vokany?

Vakio ny Mpitoriteny 3:1, 7, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Rahoviana no tsara kokoa ny hoe mangina na miandry fotoana hafa mba hilazana zavatra iray?

5. Zavatra tsara lazaina rehefa miresaka momba ny hafa

Inona no hanampy antsika tsy hanambany na hanaratsy olona? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Nahoana ilay rahalahy tao amin’ilay video no te hanova ny fomba firesany?

  • Inona àry no nataony?

Vakio ny Mpitoriteny 7:16, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no tokony hotadidintsika rehefa mitady hanaratsy olona isika?

Vakio ny Mpitoriteny 7:21, 22, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana ireo andininy ireo no manampy anao tsy ho tezitra rehefa misy olona manaratsy anao?

6. Miezaha ho tsara fanahy rehefa miresaka amin’ny fianakavianao

Tian’i Jehovah ho tsara fanahy sy be fitiavana isika rehefa miresaka amin’ny fianakaviantsika. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona no hanampy anao ho tsara fanahy rehefa miresaka amin’ny fianakavianao?

Vakio ny Efesianina 4:31, 32, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ahoana no tokony ho fomba firesatsika amin’ny fianakaviantsika, mba ho tsapany hoe tiantsika ry zareo?

Nasehon’i Jehovah tamin’ny teniny hoe tiany i Jesosy Zanany. Vakio ny Matio 17:5, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ahoana no ampisehoanao hoe manahaka an’i Jehovah ianao rehefa miresaka amin’ny fianakavianao?

Mailaka hidera ny hafa ve ianao?

MISY MITENY HOE: “Ny ahy izay ato an-tsaiko no teneniko, fa tsy raharahako izay handraisan’ny olona azy.”

  • Hoatr’izany koa ve ny hevitrao? Nahoana?

FAMINTINANA

Misy vokany amin’ny olona ny tenintsika. Mila mieritreritra tsara isika hoe inona no holazaina, rahoviana ilay izy no holazaina, ary ahoana no hilazana azy.

Famerenana

  • Ahoana no azonao ampiasana ny fahaizanao miteny mba hanampiana ny hafa?

  • Teny hoatran’ny ahoana no tsy tokony holazaintsika?

  • Inona no hanampy antsika ho tsara fanahy sy hampahery foana rehefa miresaka?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Inona no hanampy antsika hilaza teny mampahery?

Miezaha Hanao Tenin’ny Hendry (8:09)

Inona no azonao atao mba tsy ho voataona hifosa ianao?

Ahoana no Ataoko Raha Misy Mifosafosa? (2:36)

Ho hitanao ato hoe nampian’i Jehovah ny lehilahy iray dia lasa tsy niteny ratsy intsony.

“Nieritreritra Be Aho hoe Ahoana no Hiafaran’ny Fiainako” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 2013)